BLAOGY RTN

Tantara indray miseho: Anatry ny lasa

voromailala | 26 Mey, 2006 06:25

Tantara indray miseho (nosintonina  tamina tantara marina ) nosoratan’i Vero David Rasoamanana.i Vero moa mety efa misy mahafantatra ihany fa mpanentana sy mpilalao tantara tao amin'ny Radio Don Bosco. Koa mazotoa ary mamaky ny tantara.




Mpilalao

Rahary:     Tanora sy  efa mandroso taona
Njato:    zanak’i Rahary
Ndriana:    Naman’i Rahary  fony tanora
Mirana :tovovavy sakaizan’i Njato
Dadan’i Mirana


NJATO     Hivoaka kely izahay sy ny namako rahalina ry dada ka saika hindrana fiara aho ah .
RAHARY:    Hivoaka ahoana ? vaovao indray izany fieran’ialahy izany ?Ianareo sy iza ry Njato ?
NJATO     Izahay sy ny namako  re ry dada ah !
RAHARY     Lehilahy sa vehivavy izany ?
NJATO:    Izany hoe maromaro izahay k’ah,sady misy sipa no bandy.
RAHARY:    Ny tiako hanontaniana hoe misy naman’ialahy tovovavy angaha izany ?
NJATO:    (somary misalasala) Ieee, misy namako izay any miaraka amiko k’ah.
RAHARY:    Efa impiry moa aho no nilaza tamin’ialahy fa tsy ekeko mihitsy ialahy mivoaka alina miaraka amina tovovavy izany ?
NJATO :    Fa maninona kosa ry dada ah ? Heverinao fa mbola zaza be minono angaha aho no fehezinao tsy afaka mivoaka ny trano ? Vao izao anie aho no niera taminao fa hatramin’izay aho tsy sahy mihitsy satria ny fandavanao foana no asesinao eh !
RAHARY:    Rehefa izay ny teniko dia izay , aza dia be famaliana ialahy .
NJATO:    F’angaha moa izany be famaliana fa mba manana ny zoko kosa aho manontany anao hoe fa misy antony manokana ve na misy tsy hitiavanao ny namako mbola tsy hitanao maso akory no dia tsy avelanao miaraka mivoaka izahay ?
NJATO:    Rehefa miteny aho hoe tsy mahazo dia tsy mahazo . Azon’ialahy ?
NJATO :    Fa  firy taona moa aho ity aminao eh !An ? 12 taona ? Efa  iraika ambin’ny roapolo taona anie aho izao  r’idada raha tsaroanao tsara ny taonako eh! Ary nohon’ny fahasiahanao mihitsy aza no tsy nivoahako alohan’izao taonako izao fa nankato anao foana aho .
RAHARY:    K’inona no antony tsy hanarahan’ialahy an’izany indray izao
NJATO:    Satria efa mba te-hiaina ny fahatanorako ohatra anao fahiny aho fa tsy hijanona hiandry ny sitra-ponao lava izao . Fahiny ianao niaina? tsy nisy nanakana  anao ka no izao ianao no manakatsakana ahy??Tsy fitiavan-tena ve izany raha mba mieritreritra kely fotsiny ianao ?
RAHARY :    Ny fitiavako an’ialahy no mahatonga ahy hanakana an’ialahy tsy hiaina ny niainako fa tsy fitiavan-tenako akory .
NJATO:    Fitiavan-tena ry dada izany ah Nahoana aho no tadiavinao handingana ny fiainana ? Tsy maintsy handalovako ny nandalovanao fa ny mampitandrina ahy tsy hivoaka ny lalana tokony alehako no anjaranao .Ahy ny fanapahan-kevitra avy eo  amin’izay tiako aleha
RAHARY:    Andraso kely aloha fa tena hafa mihitsy izany fomba famalian’ialahy ahy izany !Fa misy inona loatra rahalina no dia tena sahy manangam-bovona amiko ialahy eh .
NJATO:    Mba feno valo ambinifolo taona ilay namako ry dada dia hoe hiaraka hilanonana aminy izahay ah . Mba hoe hoentina any amin’ireny alim-pandihizan’ny tanora ireny izy mba ahitany ny zava-misy !
RAHARY:    Tsy hitako mihitsy izay antony hivoahana any amin’ireny toerana mamoafady ireny raha hiara-paly nohon’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana . Fa maninona anefa raha any an-tranony no milanonana dia vita eh ?
NJATO: Izay mihitsy no nangatahany hoe fanomezana ho azy ry dada ah .
RAHARY :    Ka iza aminareo ary no hiera amin’ny ray aman-dreniny ?
NJATO :    Ka tsy ao anie ny ray aman-dreniny fa lasa any ambanivohitra vetivety eh .
RAHARY :    Hay dia tadiavin’ialahy hiala mandry izany ny zanak’olona ?Sao dia ketrina tsy misy saina ialahy ity na dia efa lasa adalan’ny fetifetin-dozan’ialahy ? Mba fantatr’ialahy moa fa manodikodina zanak’olona anie ialahy izany eh .
NJATO:    Fa firy taona ihany ny ankizy vao lazaina fa hoe tonga taona eh
RAHARY:    Aza mba izaho kely no mianatry ny adikadinin’ialahy eo an . Rehefa hoe tsia dia tsia .Mivoaha io trano io ialahy raha te-hahita lehilahy . Tsy mitsitsy amin’ialahy mihitsy ity totohondry ity raha mandingana io varavarana io ialahy .
NJATO:        Sahinao ve ry dada eh ? dia sahinao ny hikasi-tanana ahy amin’izao taonako izao? Kely aza aho tsy nikapoka ahy ianao ka izao indray vao hiverina  amin’ny fitaizan-jaza ?
RAHARY:    Ato an-tranoko anie ialahy eh , ary raha mbola izaho koa no rain’ialahy sady mamelona an’ialahy  dia tsy maintsy manaraka ny teniko ialahy .Ary na tonga eo aza i Neny ka miera  aminy ialahy dia izaho ihany no mitana ny teny farany . Tsy mivoaka io trano io ialahy . Ny ray aman-dreniny tsy ao an-tranony akory dia hoentin’ialahy  hivoaka ny zanak’olona  ? Andray  
NJATO:    Efa niera tamin’ny ray aman-dreniny anie izy ry dada fa navelan-dry zareo eh .
RAHARY :    Tsy mino an’izany mihitsy aho na tahaka ny silak’hoho aza. Mipetraka eo amin’ny toeran’ny ray maman-dreniny fotsiny aho dia efa fantatro fa tsia ny valin-teniny . Raha tena ray aman-drey mahay mitaiza ny zanany tokoa izy . Tsy hisy mihitsy ray aman-dreny hamela ny zanany vavy hivoaka alina izany nefa tsy ao an-tranony izy . Tsy misy mihitsy izany .
NJATO:    Fa maninona mihitsy ianao ity eh ? Marary saina sa maninona no dia tsy mety hovana hevitra mihitsy fa miziriziry ohatry ny olona maninona ? Efa miteny aminao aho fa mamela azy ny ray aman-dreniny dia ianao indray no toa hafahafa ? Fa tsy matoky ahy ve ianao ity eh ! Inona no maharay aman-dreny sy zanaka antsika raha tsy hifampatoky ohatra izany ? Ary efa namitaka anao angaha aho ? Sa nandainga taminao ? Azoko atao tsara anie ny miala mandry antsokosoko  mitondra azy mivoaka fa saingy tsy ataoko izany eh .
RAHARY :    (teha-maina tampoka be )
NJATO:    Fa maninona ity ianao ity eh , ohatry ny romotra mihitsy.
RAHARY:    Iza no lazain’ialahy fa romotra , An ? Sa ampiana indray iny felaka iny ?Hivoaka alina  ah hivoaka alina !
NJATO :    Eo ianao sy ny  vavanao fa izaho indray dia tsy maintsy mivoaka ,na tianao na tsy tianao Tsy hoe ampitahorinao amin’ny felakao aho dia hifitsaka ohatry ny zazakely koa .
RAHARY:    Mivoaha io trano io ialahy ahitan’ialahy azy .
NJATO :    Hivoaka aho r’idada ary tsy hiverina intsony ah . ataovy izay ataonay (feo mihalavitra)
RAHARY:    Miverena eto iahahy (miantso mafy) .Njato Njato ?

            FEON-KIRA

RAHARY: (somary avy lavitra) Ary inona ity ataon’ialahy ?
NJATO: Tsy misomonga aho ry dada ah , hilaozako ianareo rehefa tsy afaka ny hifampitondra ohatry ny Ray aman-dreny sy zanaka isika .
RAHARY:Ahoana moa no hilazan’ialahy an’izany eh .
NJATO :Raha izay felaka tehamaina ry Dada tsy dia ahoako loatra fa ny fihetsikao mihitsy no tsy dia levon’ny vavoniko loatra ah. Afaka miady hevitra anie isika ry dada ary mitady ny marimaritra iraisana fa ianao mihitsy no madi-doha tsy azo akisoka eh .
RAHARY : Tadidion’ialahy tsara fa ny ray aman-dreny dia tsy mikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny zanany ary raha izay kosa ve no hitako fa mahasoa an’ialahy dia omen’ialahy tsiny aho ?
NJATO: Tsy hanome tsiny anao mihitsy aho r’i dada saingy toa tsy hitovy mihitsy ny tadin-dokangatsika raha tsy matoky ahy ianao .
RAHARY: Ny fahatokisako an’ialahy mihitsy no antony tsy hamelako an’ialahy .satria ny tampoka anie ka tsy mahalehilahy eh .
NJATO: Fa inona no nitranga tamin’ny fahatanoranao ry dada no toa tahotra sy fanahiana anie izany no tena fototr’izao fandrarana ahy izao eh ?
RAHARY (misento) Meteza ary ialahy hihaino ahy vetivety telopolo taona lasa izay hahazoan’ialahy ny zavatra niainako sy hanamarinako ny fihetsiko Ity tantarako ity ihany koa no antony tsy nanambadiako raha tsy efa feno efapolo taona aho .

            FEON-KIRA

Rahary tanora eto no miresaka amin’i Ndriana  namany
RAHARY: Ahoana lety ry Ndrina ah , inona no paika rehefa avy eo ?
NDRIANA: Izay atao lesy mety daholo ah
 RAHARY: Izaho lesy zany te handihy any amin’ny boaty ah , tena efa ela anie lesy aho no tsy nandihy eh .Mianatra foana ve lesy no atao nefa toa tsy mety vita mihitsy ity izy . Marina mafy raha izao no mitohy dia ho lasa adalan’ny fianarana aho .
NDRIANA:Izaho koa aza letsy mba tena kamo ah , nefa ny bac ity efa afaka dimy volana sisa . NY fizika ity manenjika , ny chimie koe etsy andaniny nefa ilay maths ohatry ny tena tsy voafehiko tsara . Dadany iny aninkeho iny an , saika tsy nivoaka velona aho tamin’ilay contrôle .
RAHARY: Izany anie no hilazako amin’ialahy hoe ho lasa adala ihany aho raha izao no mitohy eh .
NDRIANA :Tapaho ary ny hevitra fa hilaozana mitanisa fahoriana eto fotsiny . Aleo mandihy dieny tanora eh, rehefa antitra ve ialahy vao hitsinjaka tsy hoy ny zanak’ialahy hoe sao mipika eo ny taolan-damosina eh
RAHARY: Dia isika roalahy irery koa ve letsy no handeha handihy any, tsy holazain’ny olona hoe mpifaninona ah .
NDRIANA: Ka maninona raha hierana ny izy roa vavy eh .Ny ahy aloha i Voahirana tonga dia afaka foana eh . Ny baina sy bofiny indray tsy sarotiny fa i Miran’ialahy no asa .
RAHARY: Efa hain’ialahy ihany nybaina sy bofiny fa aza izaho indray no ampidiran’ialahy devoly eo .
NDRIANA : F’angaha moa aho mampiditra devoly amin’ialahy fa tsy misy mitady voan-teha-maina lesy eo ah . Manandrana aloha! Iza no mahalala fa mety misy fanahy Masina tampoka milatsaka amin-dry zareo dia avelany tampoka i Mirana ?
RAHARY : Aza mandrevy eh .
NDRIANA: Izaho angaha moa no hitazona labozia eo? Ialahy tsy manandrana akory dia manaiky resy tsy miady eo .
RAHARY: Aleo ary fa hilazako izy eh .

            FEON-KIRA

MIRANA : Izaho aloha mazoto ny hivoaka eh . Izaho koa anie ka leo be mianatra lava tsy misy farany io eh . Na rehefa manjoko aza angamba aho mbola tsy ho vita ny fianarana ,dia tsy haiko intsony hoe rahoviana aho no mba hiaraka aminao .
RAHARY: Dia ahoana izany no atao ? Hiera amin-dry zareo aho izany ?
MIRANA: Aza manonofy eh .Vao tamin’ny herinandro i zokinay no niera , nataon’i Baina maivana ohatry ny volom-borona ka izaho indray ve , tsy mbola fehikibo no hilakony ahy ?
(somary mangina kely )kay... Ohatry ny marary foana ho’aho ny kiboko
 RAHARY: Eisy, vao mandihy ianao dia afaka io .Fa ianao ve tsy te-hiaraka amiko eh , maninona raha mitady fika eh .
MIRANA : Mi-decouche izany Miala-mandry?
RAHARY: Asanao koh, tsy izaho aloha no hiala fa ianao eh   
MIRANA: Dia tsy hanampy ahy kosa ve ianao ?
RAHARY : F’ahoana aloha eh , efa tena tapa-kevitra angaha ianao sa ahoana ?
MIRANA : Ka  eo am-pieritreretana mihitsy aho io satria toa hidina any ambanivohitra hono ry zareo rahalina dia mba mikozikozy amin’i zokinay eo aho dia iny aho no lasa . Miaraka mandra-maty isika.
RAHARY: Hay kosa ve ry zareo tsy ho eo eh . Dia efa mandry izany ny rahalina ka inona indray
MIRANA : Nefa ...
RAHARY :Fa misy inona indray ?
MIRANA : An an an sao tsy mety ny ataontsika ?
RAHARY: Isika angaha moa hanao inona fa mandihy dia avy eo matory any an-tranonay dia ...Fa rahoviana  aloha ry zareo no hiverina eh .
MIRANA : Rahampitso hariva ihany k’ah .
RAHARY : Ka mety anie izany eh Mandihy isika rahalina dia ny maraina mody
MIRANA: Raikitra ary izany eh .

            FEON-KIRA
RAHARY : Dia ahoana aloha hoy i zokinareo eh
MIRANA: Manorisory be ;tsy te-hahalala izy .Tsy misy fika
RAHARY: Dia ahoana izany ?
MIRANA: Dia handeha aho ka maninona moa ?
RAHARY: Ka sao dia tsy mety fa aleo aho handeha  irery k’ah
MIRANA: (tezitra)Shhh ; handeha irery ahoana koa ? Mandehana koa mandeha any rehefa tsy te-hiaraka amiko. Sao mba efa misy hisolo ahy kosa any fa eo ianao no mody mandamindamin-dresaka eo .
RAHARY: Izaho koa ve hieritreritra an’izany fa mitsinjo anao anie aho eh, mitsinjo antsika.
MIRANA: Ka lazao izay hevitrao na hiaraka isika na tsy hiaraka rahalina eh. Tsy azoko mihitsy ny hevitrao ity. Eo ianao mendy ery hoe raikitra izany ny rahalina, dia avy eo indray lasam-borona toa tsy te-handeha, fa ahoana eh !
RAHARY: Tsy hitako anie izay azo atao eh  
MIRANA: Rehefa miteny ianao hoe hiaraka isika dia hivoaka fotsiny tsotra izao aho. :
RAHARY: Ka tiako anie ny hiarahantsika hoy aho eh, fa...
MIRANA: Tsy misy fa fa izany fa rehefa hoe hiaraka dia lasa izao ...Aiza izany fotoana?
RAHARY: Euh an! asaaa
MIRANA: Andrasanao eo am-bavahadinay aho?
RAHARY: Asaaa
MIRANA:
Asanao ahoana eh, asako amin’ny ahoana ?
RAHARY: Ka ianao no mahay izay lazainao hoe fikanao koh.
MIRANA: Ka izay lazaiko anao izay no atao eh, andrasanao eo am-bavahadinay aho amin’ny valo alina dia lasa isika . Hitondra daba angaha ianao ? Sa handeha an-tongotra hatrany amin’ny boaty isika ?
RAHARY : I Mamanay indray tsy sarotiny fa rehefa miteny aho hoe mila daba dia mahazo .
MIRANA : Manja izany. Izay izany ?
RAHARY : Izay izany .
MIRANA : Ohatry ny tsy dia rototra anie ianao izany eh , fa tsy faly angaha ?
RAHARY : Tsy hoe tsy faly aho fa naleoko ihany aloha nahazo ny alalan’ny ray aman-dreninao ianao eh , hafa ihany mantsy izany hoe avelan’ny ray aman-dreniny malalaka izany.Ka inona moa no holazaiko eo ? Dia efa rahalina izany eh. An!
MIRANA : Ka mba tiako hoe hitsinjaka anie ianao mandre fa hiaraka amiko rahalina
RAHARY: Rahalina isika mitsinjaka fa dia rehefa avy eo izany eh, amin’ny valo izany ?
MIRANA : Amin’ny valo tsy diso an, sao misy mahita eo aho . Tandremo sao tara an.
RAHARY: Eny re eh

 
            FEON-KIRA
Any amin’ny boaty ( hira mafimafy ny fond)


MIRANA : Hay ve izao izany aty amin’ny boaty eh . Raha ny tena marina izany mankaty ny olona na tanora na ny antitra handihy?
RAHARY : Samy mampifaly ny tenany io eh .Aty daholo no ahitana ny karazan’olona rehetra
MIRANA : Iry aza ohatry ny misy mpiara-miasa amin-drambaininy koh , fa toa tsy vadiny io .Afeno aho aloha fa mahasosotra k’ah .
RAHARY: Ka inona anefa no holazainy amin’ny baininareo eo eh. Hoe hitako nandihy niaraka tamiko tary ananona tary ny zanak’ialahy? Dia izaho koa nampiaraka?
MIRANA : Tsy tiako mihitsy hoe sady voalohany amin’ny fiainako aho no farany no ho hitan’ny olona hafa ankoatra anao .
RAHARY : Fa maninona koa no farany eh !
MIRANA : Iza no mahalala ny fiainana eh
RAHARY : Aza mieritreritra ny rahampitso izany fa ny izao aloha no fantatro . Izao isika miaraka izao .
MIRANA : Eny ho’aho . izaho aloha dia tsapako hoe sambatra be androany eh . Tsy misy ny olona hibedy lava sy handrara lava ny tokony atao fa mba malalaka eh! Libre hoy ny vazaha . sady amin’izay miaraka aminao ?
 RAHARY: Izany anie ho’aho eh .
MIRANA : Ary maninona raha mivady isika izao eh !
RAHARY (sady misotro izy no saika kofona no miteny) Mbola matory daholo ny pasitera sy ny Mompera ami ‘izao. Tsy misy manao ny mariazintsika.
MIRANA : Dia mivady ihany nefa isika  eh , ho hita eo ry zareo .
RAHARY: Dia iza izany ny vavolombelona?
MIRANA : Ireo olona rehetra izao , sady ny namanao rahateo efa nametrapetraka antsika dia ireo izany no akaiky antsika izao .
RAHARY: Tsy hoe nametrapetraka re i Ndriana fa tonga tampoka ny havan-dry zareo dia tsy afa-niala izy eh. Sady izy mihitsy anie no namosaka ny hevitra hoe hivoaka isika a androany eh
MIRANA : Inona akory no izany eo . Izaho tsy mbola nivoaka ny tranoko hatramin’izay niainako ity aza  sahy nivoaka fa efa tsy te-hiaraka amintsika mihitsy izy eh .
RAHARY: Izany kosa ny ahy ny toe-tsaina tsy tiako. Rehefa tsy afaka ny olona dia tsy afaka fa tsy hamoronana antony ohatra an’izany.
MIRANA : Mba mananihany re aho fa ianao koa eh!
RAHARY : Ka ohatry ny sangisangy zary tenany ny anao ka mba mampalahelo ahy ihany i nedala . Raha tsy nisy azy anie dia tsy ho tafaraka sambatra ohatra an’izao isika eh!
MIRANA : Tokony hoe mijanona tsy mihodina intsony ny tany oh ! Dia eo anilan’i toi foana aho !
RAHARY : Dia ahoana ?Dia hivady izany isika raha izany ?
MIRANA : Ohatry ny tiako mihitsy izany ho vadinao izany !
RAHARY : Ka hivady izany isika ho’aho ? Izao dia izao ?
(mandeha ny hira malefaka )
MIRANA : Andao aloha handihy eh

FEON-KIRA
Misy feon’angelikary fa alina ny andro .


MIRANA : Tena godraka tanteraka , andao amin’izay hody k’ah , marina mafy raha tafaaingako intsony ny tongotrooo . Izany marina rehefa manararaotra
RAHARY : Hody ary ve isika eh , dieny aty an-tokotany miarakaamin’ny diavolana aty
MIRANA : Andao ary eh , sady ny kiboko koa tsy mety hijanona mihitsy fa ohatry ny hidiran’ny rivotra izany foana aho .
RAHARY:Andao ary hanainga eh
Feona dian-tongotra , fiara hiainga , lasa
Eny an-dalana
MIRANA : Ary hono ho’aho hoe , tsy mampaninona amin’ny mamanareo ve hoe mankany aminareo isika no matory ?
RAHARY : Izaho anie ka bandy eh , hafa ny sipa ohatra anareo , mila ambenana ohatra ny omby fa izahay , efa hatry ny ela no nozarin’i mamanay hoe manana ny fahalalahanay satria hitady ny anjara sy lahatra .
MIRANA : Dia fanimpirin”ny vehivavy nentinao tao an-tranonareo aho izany , raha azoko tsara?
RAHARY : Inona koa ary ity ohatra ny polisy ity . Fiainako talohan’ny niarahako taminao anie izany eh .
MIRANA : ka mba tiako hofantatra fotsiny ;
RAHARY : Dia raha efa nisy doa ahoana ? Ho saro-piaro amin ‘iny olona iny izany ianao? Satria tsy ho amelanao mihitsy raha tsy fantatrao hatramin’ny anarany raha izao no fandehan-javatra .
MIRANA: Aiiii, ianao koa , iza ho’aho (sady miangola)
RAHARY : Mbola tsy nisy re eh , ary i mamanay aza no mamporisika ahy hitondra anao any an-trano satria izaho tsy nitondra izao olona rehetra izao any raha tsy efa azoko antoka fa mety hiaraka amiko maharitra mandrakizay.
MIRANA : hay ve ianao ity mba tia ahy ihany eh!
RAHARY : Ndryyy,  mba tia ahy ihany ahoana eh , f’angaha tsy tena tia no tokony ho izy fa ampidininao fahamafisana amin’ny “mba” ny fitiavako anao ?
MIRANA : Mba tiako ho fantatra re ny fitiavanao ahy eh .
 RAHARY: ka tia anao aho izany izao dia ahoana ?
MIRANA: . Dia atolotro anao ny fiainako manontolo?
RAHARY : Hay kosa an

Feona fiara mandeha sisa no re

FEON-KIRA

NDRIANA :
Tena tsy ren’i neny isika niditra teo .Andraso angalako akanjo mandrin’i Neny ianao vetivety an
MIRANA : haingana ary ianao eh . (miteny irery) Ary mba milamina kosa ny efitranon’innedala fa tsy araka ny mahabandy azy? Misy fipetrahany daholo na ny kiraro, na  ny lobaka , ny zavatra rehetra pipetrepetraka daholo ?  mhhh ; mahafinaritra k’ah
NDRIANA : Inty aloha hanaovana fa dia iny jean henjana be iny ve no hoentinao matory ? sady manahirana .
MIRANA: Ny inona no manahirana eh (sady atao re tsara fa misolo akanjo izy)
RAHARY : Tsy misy inona re eh ! Ka ahoana? Faly izany izao ?
MIRANA : Tena faly be mihitsy (sady atao re ny lamba mikasaoka miditra anaty fandriana ) hay sady marary ihany ny kiboko amin ‘io an , marina mafy raha tsy ohatra ny...
RAHARY : (somary misento) Avia re hafanaiko eh ?( mangina kely asiana feo mihisaka kely )
MIRANA : Ao ary eh
RAHARY : ehh , ohatry ny hoe manonofy aho miaraka aminao eto anilako eto . tena sambatra aho Dia ahoana re no ataontsika raha indray andro any ny zanatsika miala mandry ohatra an’izao eh ? Angamba dia asa izay hanaovako azy marina mafy... Sa tsy mampaninona anao izany ry Mirana ? ... Ehh (mamoha azy)aiza kosa no dia matory sahady? Mirana...ianao kosa eh . Izaho ve mbola miresaka dia ianao matory ? Mirana ? Tiako anie ianao eh ! Mirana ah , Ndryyy , ary toa ohatry ny tsy mihetsika anie izy izany eh . Mirana ah , Mirana ?marina tsy ohatry ny tsy mandre mihitsy ? Mirana ah, mifohaza anie aloha miresaka eh . Miranaaaa .maria tsy ohatry ny hoe torana izany ? Andeha hoa antsoiko i Neny marina mafy
Neny ah ,neny (ny feo mihalavitra fa mikorapaka be izy )Neny ah , (mandondona amin’ny varavarana) neny ho’aho , avia anie ianao eh
NENY:  (sady kizitina no feo avy ao an’efitra)° Fa misy inona ry Hary ah , ianao ve tsy mba mahalala fomba mihitsy no mikorataba amin’ny andro alina eo eh (mivoha ny varavarana)Fa misy inona eh ?
RAHARY: Tena andao ry Neny jereo i Mirana fa ohatry ny torana izany ah , nofohaziko fa ohatry ny tsy mandre mihitsy .
NENY : Fa nataonao inona ny zanak’olona eh . an ?
RAHARY : Izaho angaha naninona azy fa vao nanomboka natory izahay dia niresaka kely fotsiny aho dia io izy ohatry ny tsy mihetsika io mihitsy ? Nefa efa nohozongozoniko be ?
NENY : Eh , iza kay no anarany ?
RAHARY Mirana
NENY : Mirana ah , Mirana ? fa maninona ianao ? tena mitempo ihany izany fony izany fa ohatry ny tsy re TSara . mandehana haingana antsoy ny namanao dia ento any amin’ny hopitaly izy fa izaho tsy afaka miala eto fa tsy azo hilaozana ny trano.
RAHARY : Andraso eo vetivety ary izy eh . Dia efa vonony eo ny poketrany

FEON-KIRA


RAHARY:
(mitomany) Maty ve lesy iMirana, maty ve lesy izy ?
NDRIANA :Aoka lesy izay fa andao izy aloha batao izy aloha ah . Mihezaka kely fotsiny ialahy dia tody etsy an-tranony isika
RAHARY : Maty letsy ilay malalako ah , mafy letsy izany ah , marina raha zakako intsony izy ?
NDRIANA: (sady mibata )Ao letsy ah , milatsaka amin’ny tany anie izy izany eh .
RAHARY : Dia ahoana izao no holazaina amin-dry zareo ? (sady mifokofoko foana )nanenina aho letsy ah , nanenina aho eh .
NDRIANA : Matoa letsy izy lasa dia izay no anjarany ah .
RAHARY : (mitomany foana )Tsy manaiky letsy ny saiko ah, nefa anie izy dia sambatra ery eh tahak’izay izhay tsy nivoaka .
NDRIANA : rehefa tonga letsy ny andro andehanana dia lasa na aiza na aiza misy an’ialahy ah  Tsy mifidy toerana hakana azy anie lesy rafahafatesana eh .
RAHARY : Tsy rariny eh , tena tsy rariny loatra , marina eh .

FEON-KIRA

DADAN’I MIRANA : Fa nataonareo inona ny zanako an ?
RAHARY : Sahiko ny mianiana aminao tompoko fa tsy naninona ny zanakao aho fa nivoaka nandihy fotsiny izahay dia izay .
DADAN’I MIRANA : Ka maninona izy no manao an’iny akanjo iny hoy ny zokiny teo an  (masiaka sy tezitra)
RAHARY: Avy nandihy izahay tompoko dia nandeha nody tany aminay natory fa akanjomandrin’i neninay iny aminy iny satria torana teo am-pandriana izy dia tsy afaka nisolo akanjo intsony .
DADAN’I MIRANA : Ianareo roalahy indray dia tsy mivoaka eto intsony raha tsy tonga eto ny polisy fa sady manodikodina zaza tsy ampy taona no namono olona . Tsy ho afa-bela ianareo fa dia miomana . Asa na nataonao inona no nahafaty azy tampoka teo? ... Dia tsy nisy dokotera nijery izany izy tany amin’ny hopitaly ?
RAHARY : Tsy nety nandray azy intsony ny tany tompoko satria hoe olona efa maty no entinay any fa dia tokony maka dokotera hoy izy hijery azy fa tsy misy afaka ny manao izany ry zareo.
DADAN’I MIRANA : Tsy te-hahalala an’izany aho ry mpamono olona ah zaza tsy naninon-tsy naninona no nilaozako teto nefa faty no vantaniko ? Tsy manaiky aho .
RAHARY : Tsy mieritreritra ny handositra aho re tompoko fa hiandry izay rariny eto aho oh . Nifankatia anie izahay eh , dia ho vonoiko ve ny olon-tiako ?
DADAN’I MIRANA : Olon-tianao hatramin’ny oviana eh ?
RAHARY : Tsy hanohitra anao intsony aho tompoko fa ataovy izay tianao atao . Mafy tokoa ny manjo anao fa tsy mafy toy ny hiainako angamba satria izaho no nahita ny fahasambarany alohan’ny hahafatesany.
DADAN’i MIRANA : Fa iza ianao no manamaivana ny fahoriako tahaka izao eh ? Firy taona ianao niara-niaina taminy ary firy taona aho no namelona sy nitaiza azy ? An ?
NDRIANA : Izaho angamba tompoko hangata-dalana satria tsy misy hidirako ny resakareo.
DADAN’I MIRANA : Tsy misy hidiranao ahoana ny resakay ? Fa tsy ianao akory no niray tsikombakomba taminy sy nitaritarika ny fatiny hatraty ?
NDRIANA : Izaho izany no ...
RAHARY : Marina ny lazainy tompoko. Izy no nantsoiko hanampy ahy hitondra an’i Mirana tany amin’ny hopitaly fa izaho ihany no tompon’andraikitra amin’i Mirana. Tsy niaraka nivoaka taminay akory izy Ka miangavy anao aho mba hamela azy hanDeha .
DADAN’I MIRANA : tsy misy mivoaka eto hoy aho ianareo roalahy , mazava izay teniko izay ,.
NDRIANA : Mahazo miantso ny olona ao an-trano ianao tompoko hijoro ho vavolombelona fa niantso ahy teo am-panaovana fety niaraka tamin’ny fianakaviako i Rahary fa tsy niaraka izahay .
DADAN’MIRANA : Aiza mihitsy ny telefonina hiantsoako ny any aminareo eh .

FEON-KIRA

Rahary efa olon-dehibe eto no miresaka

RAHARY: Dia ny fanamarinan’ny dokotera no nahafaka ahy tsy voatana tany am-ponja satria vaky ny kambon-tsinainy ary tampoka tsy azo nanoharana  ny fahafatesany.
NJATO : Hay ve ka nisy an’izany zava-doza isany niainanao eh !
RAHARY : Izany no zava-doza ry njato ary mahatonga ahy mihorin-koditra sy tezitra isaky ny mandre ny zanaky ny namako mivoaka alina .
NJATO: Ary dia izay koa no mahatonga anao ho sarotiny amiko sy tsy mamela ahy hivoaka ny trano ?
RAHARY : Meteza ialahy ho eo amin’ny toerako eh . Ny alina noeritreretina ho fahasambarana, nanjary fahoriana nangidy tamin’ny fiainako ka tsy te-hanahy ny hiainan’ialahy an’izany aho .
NJATO: Eny eh , mafy ny nanjo anao fa tsy voatery hiainako anie ny niainanao satria aho hiera amin’ny ray aman-dreniny eh , ary tsy marary izy na marofy fa salama tsara . Ny anao kosa hay izy efa nitaraina hoe mararirary kibo fa mbola nentinao nivoaka ihany .
RAHARY : Iza leroa no mahalala izay aretin-kibo any fa hoe hivoaka dia hivoaka ah . Ny areti-kibon’ny vehivavy koa efa mahazatra ka izaho angaha taitra tamin’izany intsony ?
NJATO : ka inona izany no hevitrao fa ny andro ity mandroso ihany , ny fotoana efa vita .
RAHARY : (misento)Eny eh , marina ny an’ialahy . Izaho tokoa no manahy amin’ny tsy antony eto fa mandehana ary mahazoa fahafinaretana . Efa lehibe marina ialahy ka matoky an’ialahy aho mba hanaja  ny zanak’olona fa na malina aza hono mifehy hazo tokana . tsara tso-drano leroa ah .
NJATO : Ka aleo ary aho hamerina ireto akanjo ireto ao amin’ny fitoerany dia hiomana aho eh .
RAHARY : f’angaha dia tena vonona ny hiala ny tranon-dray aman-dreniny mihitsy izato izy eh .
NJATO : Misy fotoana amin’ny fiainana ry dada hilana fanapahan-kevitra hentitra rehefa tsy mety ny marimaritra iraisana ah . Ary vonona mihitsy aho ny hanainga raha toa ka tsy manaiky ahy ho olon-dehibe manana andraikitra  sy azo hatokisana ianao .
RAHARY : NY lasa anie hono natao hananatra ny ho avy eh , ary tsy tiako ny hiainan-janako ny niainako .
NJATO : Matokisa ahy re ianao dia manga ny lanitra eh .Aoka ny lasa homba ny lasa . Na dia izany aza anefa dia tsy handraraka ilo mby an-doha ny anatrao aho fa horaisiko tsara izany hitandremako amin’ny fiainako .


TAPITRA

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb