BLAOGY RTN

Fiantsoana maimaipoana sy mora eran-tany

voromailala | 28 Septambra, 2006 10:36

Nahita zavatra iray vaovao aho, ary tena hafa mihintsy, tsy ohatra ny skype, na voipstunt, satria tsy mila mametraka logiciel amin'ny solosaina ianao fa omenao fotsiny ny nomerao fixe anao sy an'izany olona atsoinao, dia mifampiresaka amin'ny fixe ianareo avy eo.

Fixe teto frantsa aloha no efa nandramako fa mety tsara, jajah io no rohy ahafahanao manandrana izany. Misy madagasikara ao fa tsy mbola nandramako fa tsy tsy fantatro hoe mandoa vola ve sa tsia, dia raha mandoa dia ohatrinona. Fa ny miantso portable koa toa hoe mora mihoatra ny SFR sy ORANGE sns....

TGV 5 euros France

voromailala | 21 Septambra, 2006 09:57

Amin'ny fetin'ny TGV dia manao promotion be ny SNCF. 5 euros ny billet n'aiza n'aiza alehanao 5 oktobra hatramin'ny 9 desambra izao. Manomboka amin'ny 12h ora antoandro izao ny fivarotana hatramin'ny sasakalina.

Azonao hatao ny mividy eny amin'ny gara, na amin'ny internet vidy nety TGV .

Faingano ihany fa 50 000 ihany no isan'ny billet hamidy.

 

Tsetsetsa tsy haritra efa vonona ny pejy miteny hoe lany ny billet 50 000. :-) 

Mihinana chocolat, ajanony ny viagra

voromailala | 12 Septambra, 2006 09:39

Taorinan'ny fanadihadiana hono, dia voalaza fa mampahazo aina ary mahatsara ny fifandraisana ara-nofo ny fihinana chocolat.

Taloha isika rehefa manala CEP, na BEPC sns, dia hividianan'ny olon-dehibe chocolat, satria manatsara ny fiasan'ny atidoha koa izany.

 Raha andalina ilay voalohany ianao dia ity ny rohy

Miantso France Gratos

voromailala | 07 Septambra, 2006 17:11

Afaka miantso aty France maimaipoana ianao raha manana Skype amin'ny solosainao. Tsy mandoa vola na ariary azany.

Mety aharitra hatramin'ny faran'ity taona ity izany. 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb