BLAOGY RTN

Tranonkala masaka be!

voromailala | 29 Desambra, 2006 13:37

Maro ihany ireo tranonkala efa hitako manao resaka dokambarotra sns, fa ity indray mitoraka ity kosa tena voatefy amin'ny antsakany sy andalany.

Asa aloha ny hevitrareo fa amiko tena misaka be, mampiseho ny taratry ny American Marketing.

Ity ny rohy raha hijery izany

Video:Nilalao wii tao ampesana

voromailala | 21 Desambra, 2006 13:10

Efa akaiky ity ny fety dia mba hampifalifaly ny tato ampesana dia nentin'ny mpiandraikitra anay  ny wii-ny (kilalao vaovao an'i Nitendo).

Napetraka ary ny retroprojecteur, dia raikitra ny lalao.Natao daholo ny Bowling, Golf, Tennis, Baseball, ary nofaranana tamin'ny Boxe.

Ity ny rohy raha hijery ny sombiny tamin'izany ianao. 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb