BLAOGY RTN

Video Tononkalo Caramail

voromailala | 10 Jiona, 2006 15:18

Ity misy tononkalo iray izay nosoratako naraikitra ho video. Ny mahasamihafa azy amin'ireo video tononkalo izay vita teo aloha dia ers no mivetso azy.

Video tononkalo Caramail 

 

Asasary

voromailala | 10 Jiona, 2006 14:25

Manomboka mandalina ny resaka sary indray izaho amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela aho no tia ny natiora, koa dia nanapakevitra hoe andeha handalina ny fakana sary ny Natiora.

Nanokatra bloagy asasary iray aho hizarako izany aminao.

 

Ireo boky famakiko

voromailala | 08 Jiona, 2006 12:18

Zaraiko aminareo eto ireo boky famakiko,izay hitanareo amin'ny alalan'ireo sary voatondro ery ambany ery.

Boky momba ny intelligence emotionnelle fotsiny angambany no tsy ao satria mbola nisy nindrana.

Mazotoa ary mijery e!

Boky 01 

Boky 02 

 

Inona ary izany raha fantatrao?

voromailala | 04 Jiona, 2006 02:07

Inona ary izany sady afaka hatao laoko no afaka  hatao a dessert?

Ny sakafo mety amin'ny vatana

voromailala | 31 Mey, 2006 12:11

Amin'izao andro fandrosoan'ny teknolojia izao dia izay mahamora ny fiainana no hatao tanjona matetika. Misy ohatra ireo vary 3 minitra dia masaka, fast food sy ny maro anisa.

Raha hatao anefa ny fandinihana dia tsy mitondra otrik'aina hoan'ny vatantsika ireny sakafo mora vita ireny. Matetika ireo olona amin'ny firenana mandroso no tratran'izany. Raha fintinina raha any amin'ny tany andalampandrosoana ianao no matavy dia lazain'ny olona fa tafita izay satria milamina ny saina voky sakafo tsara.

Fa raha amin'ny tany mandroso koa dia ireo olona antonony somary kelikely no manakarena satria matetika ny sakafo tsy mampatavy dia lafo vidy avokoa.

Tsy voatery marina foana anefa izany fa araky ny voalazan'i Michel Montignac ao amin'ny boky izay nosoratany mitondra ny lohateny hoe "Je mange donc je maigris...et je reste mince!" dia azonao tokoa ny mitana ny habehanao any amin'ny tany mandroso raha manaraka fepetra vitsivtisy ianao.

- Ahena ny fihinanana siramamy fa jus 100% foana no sotroina

- Raha azo hatao dia tsy mihinana ovy indrindra fa ny ovy frity 

- Mofo raha azo hatao dia hatao pain complet

- 30 minitra alohan'ny sakafo no hohanina ny voankazo, aza dia mihinana ankondro be loatra

Raha fintinina dia hatao izay hinanana zavatra natioraly tsy mbola nisedra fanovana tany amin'ny orinasa.

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb