voromailala | 18 Mey, 2006 15:01
Efa ela ihany izy ity no napetrako fa mba tsy ahavery azy dia hapetrako eto ny rohy.
Izaho amin'ny maha voromailala ahy dia tia mandehadeha, ka ity ny rohy raha hijery ireo sary tamin'ireo toerana isan-karazany
voromailala | 17 Mey, 2006 15:13
Hatramin'izay moa dia ny "intelligence rationnelle" foana no matetika voaresaka, izany hoe resaka QI izany.
Raha dinihana anefa ny fiainana andavanandro dia tsy ampy ny fanana QI ambony, fa hilaina ihany koa ny fahaizana mifandray aman'olona, mifehy tena, mampahery tena raha fintinina izany dia ny fananana "intélligence émotionnelle".
Izay no mahatonga indraindray ny olona mahay be ireny tsy dia mahay mifandray aman'olona, dia gaga ny olona hoe fa rehefa vita ny fianarana dia matetika ilay olona tsy dia lasa lavitra tao ampianarana no mahazo toerana tsara sy ambony any ampiasana.
Noho izany ilaina ny fanana an'io intelligence émotionnelle io raha tia ho tafita amin'ny fiainana.
Raha te handinika izany ianao dia misy boky iray ty nosoratan'i Daniel Goleman
L'intelligence émotionnelle.
voromailala | 26 Aprily, 2006 04:27
Taibi Kahler dia psy amerikana anisan'ireo mpandinika ny fifandraisana amin'ny olona.
Anisan'ny zavatra nahafinaritra ahy nolazainy dia hoe azo zaraina 6 ny toetran'ny olona.Rehefa fantatrao hoe iza amin'ireo ianao, na ny olona miresaka amiko dia hatorony anao ny fomba tokony hiresahana amindry zareo. Ny olona Empathique ohatra dia matetika tia mikarakara olona, toy ny dokotera, mpitsabo mpanampy sns. Ny resaka mahafinaritra an'ireny olona ireny zao ohatra dia ny hoe manao ahoana ianao, ny fianakavianao, vakansa , sns, izay miresaka momba ny olona izany.
Inty misy rohy raha hijery ireo karazana toetra ianao
voromailala | 21 Aprily, 2006 11:47
Tamin'izaho kilasy "Seconde" tao amin'ny Saint Michel no nanombohako nanoratra tononkalo.
Noraiketiko antsoratra tao anaty boky kely izy ireo, ary farany dia nampetrako tao amin'ny tranonkala serasera.
Inty ny rohy ahitanao ireo tononkalo nosoratako:
voromailala | 26 Martsa, 2006 03:10
Indray mandeha izay aho sendra lasa saina sy nandinika nymomba ny fitiavana, dia tsapako fa toy ny rivotra ny fitiavana.
Izy no mamelona ny olona,ary mety mahafaty ny olona koa anefa izy amin'ny lalan'ny rivo-doza.
Mety hangatsiaka izy, mety hafana kanefa tsy mety maty.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |