voromailala | 07 Aprily, 2007 22:42

Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie.
Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina amin'ny teny Malagasy,Frantsay ary anglisy.
Tsy naharitra koa ny tena fa dia nentina nanaraka ny fankana sary, koa manasa anao hijery ireo sary eto Orchidées de Madagascar.
voromailala | 21 Martsa, 2007 16:40
Nisy olona tao nanamboatra an'ity ho ahy, hozaraiko aminareo fa misena, dia afaka hataonareo amin'ny namana sy havana ihany koa.
voromailala | 06 Martsa, 2007 15:14
Amin'izao fotoana izao mantsy dia voarara ny maka film na mozika amin'ny alalan'ireny fitaovana Peer2Peer ireny. Ny fataon'ny olona izany dia any amin'ny news groups no hametrahan-dry zareo ireo films, sady tsy voaramaso aloha hatramin'izao.
Misy tranonkala iray izany manangona ireo lien rehetra misy film amin'ireo news groups ireo. Jereo eto...
Izaho aloha dia mitsotra fa efa 2 taona izay no tsy sahy naka film tamin'internet. Kely ny riska kanefa asakasakao ihany :-)
voromailala | 27 Febroary, 2007 11:26
Ity misy raikitra iray mampiseho ny zavatra vitan'ny olombelona rehefa saro-piaro.
Rariny ve satria ny nataon'ilay vehivavy, anjaranao angambany no mamantatra izany. Toy izao ilay tantara raha fintinina, nasian'ilay vehivavy camera tao amin'ny tranon'izy roa kely, dia tratrany en direct nampiditra sipa ilay bandy.....
voromailala | 27 Janoary, 2007 17:00
Anisan'ny voaresaka etsy sy eroa ankehitriny na eto Frantsa na any kanada, karazana mpilalao antsehatra, ny masony sy ny vavany tena izy fa ny ambiny dia sary.Sady mampihomehy no mahafinaritra :-).
Anisany nalaza tamin'ireny ity willi waller ity.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |