voromailala | 22 Janoary, 2007 22:40
Efa ela no nahafinaritra ahy ity hira ity Love Me Tender, dia tapaka ny hevitro fa hohiraiko hataoko tahiry. Revirevy manala azy fotsiny inty fa dia mazotoa mijery e!
voromailala | 18 Janoary, 2007 18:04
Raha sendra nijery ireo clip gasy tao amin'ny youtube aho dia gaga sy talanjona, fa tena lasa lavitra mihintsy ny artista malagasy, ohatran'ireny amerikanina ireny mihintsy.
Ireto misy clip roa ohatra:
voromailala | 09 Janoary, 2007 23:20
Ity misy video an'i Notre Dame ao Rouen, tsy tena ilay video loatra no tena aseho fa ilay teknolojia vaovao WPF/E (Windows Presentation Foundation / Everywhere).
Izy io no fitaovana vaovao namboarin'i Microsoft hifaninana amin'ny Flash.
Misy pluging kely 1mo eo hangatahiny hapetrakao amin'ny voalohany dia afaka mijery tranonkala mampiasa WPF/E foana amin'izay ianao.
voromailala | 04 Janoary, 2007 21:24
Misy olona iray izay sendra nijery CD na DVD Pazzapa 4 mbola tsy fantatro tsara fa amin'ny asabotsy no hijery an'ilay solosaina aho, fa vao namaky ilay CD tonga dia vizana ny solosaina. Nanjavona daholo ny birao sy ny menu sasantsasany.
Mbola tsy fantatra hoe avy aiza ilay izy fa aleo mitandrina ihany aloha, alohan'ny tena ahafantarana ny antony. Asa na copie na hoe nisy nanao fanahiniana fa hotantaraina aminareo miandalana eto ihany.
voromailala | 29 Desambra, 2006 14:37
Maro ihany ireo tranonkala efa hitako manao resaka dokambarotra sns, fa ity indray mitoraka ity kosa tena voatefy amin'ny antsakany sy andalany.
Asa aloha ny hevitrareo fa amiko tena misaka be, mampiseho ny taratry ny American Marketing.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||