voromailala | 21 Desambra, 2006 14:10
Efa akaiky ity ny fety dia mba hampifalifaly ny tato ampesana dia nentin'ny mpiandraikitra anay ny wii-ny (kilalao vaovao an'i Nitendo).
Napetraka ary ny retroprojecteur, dia raikitra ny lalao.Natao daholo ny Bowling, Golf, Tennis, Baseball, ary nofaranana tamin'ny Boxe.
Ity ny rohy raha hijery ny sombiny tamin'izany ianao.
voromailala | 15 Novambra, 2006 22:39
Taorinan'ny fipetrahako sy vitsidihako ny ankamaronan'ny tanana teto Frantsa, dia toy izao no zavatra hitako sy tsapako momba ireo Frantsay.
Arakaraka ny handehananao miakandrefana Atsimo (Sud-Ouest) dia mora ny fifandraisana amin'ireo vazaha. Any amin'iny ilany Atsinanana (Est) iny no ahitanao fiavonavonana mba tsy hitenanana hoe fanavakavahana betsaka indrindra.
I Dijon zao no tanana notsidihanay farany, fa azo lazaina hoe mangatsitsika ny fandrasan'ny vazaha anao raha vahiny ianao.Fa na izany aza dia tanana mahafinaritra Dijon sy ny manodidina azy. Ireto misy sary azonao jerena amin'izany.
voromailala | 04 Novambra, 2006 18:50
Ny tontolon'ny sary dia anisan'ny zavatra goavana tokoa. Tsy vitan'ny hoe tafiditra ao anatin'ny efajoro fotsiny ilay tiana alaina dia vita, fa tena tantara lava be.
Vao manomboka mandalina izaho io zao, ka zaraiko aminao ny zavatra vitsivitsy efa haiko.
Voalohany aloha dia ny fotoana, vao maraina mangiran-dratsy na harivariva mody masoandro iny no tsara hangalana sary, satria miseho avokoa ny endriky ny natiora rehetra. Raha amin'ny atoandro mantsy dia lasa mifotetaka ny sary, indrindra fa raha gasy no alaina, isika efa peta-korona raha teo :-).
Toy izany koa ny Flash, hatao zay tsy hiantefan'ny hazavana eny amin'ny endrik'ilay olona izay halaina.Asa raha tsikaritrareo fa rehefa maka sary tapaka ireny isika, dia misy elo ao anatin'ilay studio. Ireny no hatao mba hampalefaka ny hazavana.
Rehefa maka sary amin'ny alina kosa ianao dia hezahina ny tsy hampihetsiketsika ny fankatsary manjary lasa manjavozavo ny sary halaina, matetika ireo efa manana traikefa amin'ity taranja ity mampiasa tongony.
Ary farany raha tianao hasiana hadiry ny sary azo na koa hoe tianao hovahovaina ny asamarika amin'ny fangalana sary, dia mila mampiasa fitaovana Reflex ianao.
Ny fangalana sary Compact mantsy izay hampisaintsika andavan'andro dia tsy ahafahana milalao ny hadiry.
Ity misy sary iray mampiseho izany resaka hadiry izany.
Misy fanazavana hafa ihany koa ato amin'ity blaogy asasary natokako ity azonao jerena, miresaka manokana momba ny sary.
voromailala | 20 Oktobra, 2006 23:25
Sendra nifanena tamin'ny olona mahihitra iray aho, dia nolazainy fa azo hatao ny mahazo zavatra maro maimaipoana toy ny carte de viste , santionan-dranomanitra sy ny maro hafa koa.
Dia nomeny ahy ary ilay rohy ny mahihitra, koa dia talanjona tokoa aho mahita ireo sosokevitra homen-dry zareo, satria misy tsy ratsy ny sasany.
Jerijereo eto aza sao dia misy mahasoa na dia tsy mahihitra aza ianao.
voromailala | 07 Oktobra, 2006 18:56
Vao avy nijery ny salon Mondial de l'automobile teo tany amin'ny porte de versaille (Paris), tena feno fiara tsara no feno olona ihany koa, na dia lehibe aza ilay toerana nanaovana izany.
Efa manomboka mandalina ny resaka sary moa ny tena ankehitriny dia nanararaotra naka sary, ka hozaraiko aminao etsy ambany etsy.
Azonao hatoa koa mijery ireo asasary natao hatramin'izay.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||