BLAOGY RTN

Miantso Gratos Madagasikara

voromailala | 25 Jiona, 2006 05:44

  Ity misy hirika iray ahafahanao miantso gratos makany madagasikara. Asa aloha na hoe bug ve izy ity na promotion fa dia araraoty dia mbola mandeha.

Ahoana no hatao?

1° - Maka ilay logiciel   VoipStunt dia hapetraka anaty solosaina

1°- avy eo miantso numeo coucoutel +33826106666 dia arahina zay teneniny avy eo, miantso ilay numero any dago.

Marihina fa numero portable ihany no azonao antsoina. 

Finale Bresil vs Allemagne

voromailala | 24 Jiona, 2006 00:50

Bresil sy Allemange zao no noeritreretiko hoe hanao famaranana amin'ity coupe du monde ny foot ity. Maro aloha ny ekipa hoe hitako mahay fa ohatra ireo roa ireo no vinavinako. ary iza ny anao?

The art of war

voromailala | 21 Jiona, 2006 09:57

 Inty misy boky amin'ny tranonkala anisany malaza nefa efa ela be no nanoratan'i Sun Tzu azy.  The art of war , anisan'ny boky hampianarina eny amin'ny ivotoerana politika izy ity. Raisina amin'ny hevitra ara-filozofika fa tsy ara-traikefa, satria zavatra efa tamin'ny andro efa taloha be daholo no voatantara ao.

 Maro ireo gasy mamaky an'io boky io eny anaty fitanterana, ary maro ireo vazaha tonga dia miresaka aminao raha mamaky izany ianao satria mahaliana tokoa io boky io. Vao azoko androany mihintsy io rohy io tany amin'i FRAZ.

 

Clé USB Tuner TNT

voromailala | 20 Jiona, 2006 13:03

Amin'izao fotoanan'ny coupe du monde foot izaho, dia maro ny fomba azo hijerena

ireo match: TV,Internet,fa ny fomba iray hatoroko anao dia fampiasana ilay clé USB Tuner TNT. Hatsatokao amin'ny solosaina,raha manana portable ianao vao maika tsara satria afaka miijery izany n'aiza n'aiza ianao (rehefa mahazo TNT) .

Ity misy rohy raha mieritreritra hividy izany ianao, dieny mbola tsy vita ny lalao  

Ny Dikan'ireo fihetsika

voromailala | 18 Jiona, 2006 01:29

Raha ny firesaka no zoina dia voalaza fa 80% ny zavatra lazaina dia hita avy amin'ny fihetsika daholo. Ry zareo amerikanina moa dia tena mandalina an'izy io, ka ireto ny fihetsika telo miaraka amin'ny dikany.

  1. Misafo ny volo any aoriana : midika hono matetika fa tsy mahazo aina ilay olona miteny
  2. Manapina vava rehefa hiteny: dia manambara fa misalasala amin'ny zavatra teneniny ilay olona, izany hoe tsy resy lahatra izy hoe marina zay lazainy
  3. Mikitikitika orona rehefa miresaka :matetika dia mandainga ny olona mikitika orona
izay indray no azo haroso anao androany fa dia amin'ny manaraka.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb