voromailala | 04 Jolay, 2006 07:21
Inona no tokony hatao mba ahatafita an'i Madagasikara? raha mba afaka milaza ny hevitrao ianao miaraka amin'ny sehatra misy anao (ohatra: Economie,Gestion,Droit,Agro,Medecine,Informatique,.....)
izaho ohatra amin'ny resaka informatika, dia ADSL no hitako hoe lalana iray, satria ho maro ireo olona hanao offshoring sy outsourcing any dago. Ho mora manaraka izany koa ny telefonina.
voromailala | 05/07/2006, 04:53
eo amin'ilay resaka tantsaha lazain'i Tokinao no hamafisiko. Raha ny fahitako azy koa dia any ny tokony hanaovana hetsika betsaka indrindra satria 75% malagasy eo ho eo dia tantsaha daholo.
Eo amin'ny fanaganana orinasa indray, mety amin'ilay resaka fampidramanbolan'ny banky no mety olana?
ers | 05/07/2006, 05:39
Amin'ilay resaka fananganana orin'asa ny ahy no tohizako kely :
1) tokony amporisihina ny fampiasambola vahiny satria ireny no miteraka asa, kanefa kosa fehezina tsara tsy hisian'ny fametsifetsena toy ny fanaon'ny mpandraharaha vahiny matetika
2) mila fanomezan-tanana ny tanora nandrato fianarana manana tetik'asa.
Isika avy aty ivelany koa dia azo lazaina hoe manana andraikitra: amiko ohatra ny fanaovana investissement any Madagasikara (fa mila étude tsara alohan'ny anaovana azy) dia azotsika atao tsara na dia zavatra kely sy tsotsotra ihany ary.
Farany dia ny resaka centre d'appels izay efa misy miandalana any amintsika dia tena tsena iray mivelatra saingy mila mpandraharaha misy ho entimanana tsara.
Izay sy izay angamba, izaho dia ao anatin'ny marketing-communication
fraz | 05/07/2006, 06:52
Tokony omena fitaovana ireo olona any ambanivohitra hampiakarana haingana ny vokatra ary omena fahalalahana haneho ny heviny.
Izay, izaho dia ao anatin'ny communication-gestion.
voromailala | 05/07/2006, 09:06
ers> Ny centre d'appels moa dia miankina amin'ny fahatongavan'ny
ADSL, ary koa ny lalana mifehy izany (raha tsy diso aho dia tsy mbola azo hatao ny manao VOIP).
fraz> inona ilay fitaovana tokony homena ny olona any ambany vohitra? camion? train? lakana :canal de pangalane?
lapino | 06/07/2006, 04:47
Ny fampandrosoana an'i Madagasikara, raha ny fahitako azy, dia tsy misy afa-tsy ny famokarana ihany. Ilaina samy mandray ny andraikiny ny tsirairay, fa tsy ny fanjakana ihany. Za manko manohana hatrany ny hevitra hoe, ny vahoaka no tompon'andraikitra voalohany fa tsy ny fanjakana.
Ny ataoko hoe andraikitry ny fanjakana angamba dia ny fanamboaran-dalana, ny fanaovana "arbitre" amin'ny spéculations mandeha, ary ny famporisihana ny vahoaka hamokatra. Ary indrindra miahy ny hisiana "stabilité politique" eo amin'ny firenena, mba hifantoka amin'ny famokarana ny olona.
Raha tena te handroso tokoa izany isika, dia tokony hatao ampy izay ny filazana fa ny mpitondra foana no tompom-pahadisoana. Fa ny vahoaka no tokony hiezaka hamokatra misimisy kokoa, fa tsy ho afa-po amin'ny efa vita. Ny tena haren'i Madagasikara amin'izao, ankoatra ny biby sy ny zava-maniry ary ny harena an-kibon'ny tany, dia ny olombelona.
- Manana main d'oeuvres betsaka isika miôl fotsiny daholo. Ahoana no fomba hampiasana an'ireo?
- Iza no hamorona asa? Inona no asa hoforonina? ...
Misy valin'izany teny izany any ho any, any an-tsain'ny olona sasany any, saingy mety tsy holazainy ...
Raha misy fanampiana hataon'ny fanjakana, raha ny hevitro, dia ny mitily izay tetik'asa mihodina tsara, ary mampiasa bureau d'études manao analyzina perspectives ho an'izay tetik'asa manana potentiels afaka hihitatra. Dia ireny no rosoana famatsiana ara-bola hanitarana ny tetik'asa. Izany hoe izay manome porofo fa mamokatra ihany no ampiana.
Lafin-javatra iray hafa koa, ny tiko izao mbola mitady vokatra ronono betsaka kokoa noho ny efa misy. Ny fanodinana menaka ao Antsirabe aza, andro vitsivitsy isan-taona no mihodina ny extracteur, satria tsy manana vokatra ampy amin'ny soja isika. Ny kobama izao, tsy maharaka ny fahafahan'ny orinasa ny famokarana varimbazaha. Ary nankaiza moa ireny orinasa Sevima ireny ohatra? Ny famokarana amin'ny fambolena sy fiompiana no tsy ampy, tokony hasiana fitodihana kely. Tsy haiko hoe fa maninona aloo, fa any amin'ny fambolena mihitsy no tokony hitadiavana hoe ahoana no atao mba hahazoana vokatra betsaka? Ilaina ve ny mandalo amina reforme ohatra ny eoropeana taloha, dia hoesorina amin'ny taniny ny tantsaha mba ho izay manam-bola sy mahazaka tany be ihany no sisa havela hamboly? Dia tantsaha iray amin'izay homena 200 - 500 ha?
Fa ny tokony hofadiana amiko, dia ny hoe omena fitaovana ny tantsaha, vatsiana vola itsy na iroa, ... Raha mila an'izany ny tantsaha na iza na iza, dia aleo izy no mividy azy. Raha tsy izany io lasa gaspillage fotsiny. Tsy vita eo amin'ilay fanomezana azy tsinona ny resaka, fa mbola misy zavatra bedebe mihodina manodidina an'iny. Na hoe fotsiny aza hoe, raha ilay tantsaha no nividy azy, dia manana moyen izy izany hanaovana entretien. Izay dia ankoatra ny effet pyskolojika amin'ilay zavatra notolorana, efa nanapoizina antsika hatramin'izay.
Raha mitodika amin'ny resaka fifandraisana indray, dia zava-dehibe koa ny adsl. Ny eritreritro amin'io dia mitodika amin'ny mpianatra, ary mitodika aty: Jereo eto.
Sss, mbola resaka be e! ...
voromailala | 06/07/2006, 12:01
manana mains d'oeuvres maro tokoa isika malagasy ary mora mahay zavatra kanefa tsy ampy ireo orinasa afaka mampiasa azy ireo. Raha momba ny sevina indray dia efa noprivatizena, dia toa lasa zavatra hafa raha tsy diso aho tsy misy hifandraisany amin'ny fanamboarana sakafo ambifotsy.
Raha ny hevitro indray momba ny fitaovan'ny tantsaha dia tokony mivondrona ho fikambanana ry zareo amin'izay manana lanja kokoa rehefa mitady zavatra.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |
ady hevitra avy hatrany ity
Tokinao | 05/07/2006, 02:33
Raha ny fijeriko ry voromailala dia toy izao : Misy karazan'olona telo lehibe eto Madagasikara ary isaky ireo sokajin'olona ireo no tokony hanaovana vinavinan'asa fampandrosoana. Ireto avy moa izany sokajin'ny malagasy izany :
1° ireo olona nahita fianarana ary tafita tamin'izany. Ireo olona ireo matetika dia manao asa tsy mifanaraka amin'ny haben'ny fahaizany, na koa tsy an'asa mihitsy aza.
2° ireo olona tsy nandalina loatra ny fianarana ary tsy manana "spécialité" misongadina loatra. Ohatra amin'izany ireo olona tsy tafita tamin'ny fianarana nefa mijanona ao an-drenivohitra. Asa tsy maharitra sy tsy ara-dalàna ( informel ) matetika no ataon'izy ireo, ohatra : varotra amoron-dàlana, fitanterana tsy ara-dalàna, sns.
3° Ireo tantsaha izay maro an'isa : fambolena sy fiompiana no fidiram-bolany. Ny fahabetsahan'ity sokajy farany ity moa no mahatonga an'i Madagasikara ho "un pays à vocation agricole".
. x x x x x x x x .
Koa raha ireo no dinihina dia ireto no vahaolana atolotro :
-I--------> iretsy sokajin'olona voalohany dia
-1°tokony hampiasa ny fahaizany mba hamoronana asa ho an'ilay sokajy faharoa ( ohatra : fananganana "entreprise", fikarohana fomba fampandrosoana isan-taranja toy io nomenao etsy ambony io ry voromailala), ary koa
-2°tokony hanamora ny asan'iretsy fahatelo, @ lafiny rehetra io fa tsy ny fambolena sy fiompiana fotsiny ihany akory( Ohatra : amin'ny fivarotam-bokatra, fanamboaran-dàlana ).
-II-------> iretsy sokajin'olona faharoa, rehefa tsy mahita asa maharitra, dia tokony hamorona asa majinika ara-dalàna ho an'ny tenany izy, na raha tsy izany dia manampy isa an'ireo tantsaha.
--------> Ny sokajy fahatelon'ny malagasy kosa dia heveriko ho tsy tokony hanampy isa hatrany ny sokajy faharoa. Ekeko tokoa fa sarotra ny asan'ny tantsaha nefa izao no tsy azo lavina : raha te handroso ny firenena iray dia tokony hahavita-tena ara-tsakafo izy aloha. ( tokony hanana "autosuffisance alimentaire" ). Lesoka be ho antsika izy ity ankehitriny satria na dia ny vary aza moa ankehitriny dia afarana 'ko. tsy adino ny zavatra hafa : ny akora fanaova-menaka, ny siramamy, sns. Mahatalanjona raha zavatra afaka vokarintsika tsara eto no afarana toy izany : tsy ny tany ambolena tsinona no tsisy, ary i Madagasikara mbola malalaka .
Fomba fijery mivelatra be io nataoko io ka maro ireo pitsopitsony tsy voaresaka izay iandrasana kiana avy aminareo.
Isan'ny sehatra misy ahy ny Agro.