BLAOGY RTN

Tia biby

voromailala | 02 Mey, 2008 10:58

Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra.
Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns....
Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako anaty tranonkala ato amin'ny asasary.com.

Raha tsy mbola misy silverlight ny PC-nao, dia mety hangatahany hapetraka, vetivetika ihany zany. Indray mandeha ihany ianao mametraka azy io dia afaka mijery ireo site vita amin'ny silverlight rehetra. 

 

 

Hevitra

Re: Tia biby

DotMG | 02/05/2008, 12:50

Ilay biby ve no tena tiana hadera sa ilay Silverlight? Asain'ilay Fx 3 mi-install Silverlight nefa ao @ addons aza efa misy hoe Silverlight plugin 1.0.30109.0

@ IE izy miseho ihany.

Mahagaga anefa fa @ site tafiti.com tonga dia miainga soamantsara ilay site @ Fx.

Izy roa

Voromailala | 02/05/2008, 19:25

ilay silverlight sy ilay sary no
tiana haseho, satria miova mihintsy ny fijerena ilay sary,afaka hatao plein ecran,titre,sns....

kinova

Voromailala | 02/05/2008, 19:27

ilay version 2.0 Beta Silverlight no hitako tsara kokoa na dia mbola beta azany, mandeha tsara amin'ny windows 2000 ihany koa.

Re: Tia biby

simp | 02/05/2008, 20:19

mampatsiahy ah an'le akoholahin'i nenindraivonay zay le sary kle...
... bogosy :)

Re: Tia biby

Lalasoa | 02/05/2008, 23:04

Izaho toa tsy mahita sary biby na iray aza fa sary tanora mihira sy fivoriam-pianakaviana :)

Re: Tia biby

Voromailala | 02/05/2008, 23:38

simp>akoho lahy fataka ve :-)

Lalasoa>sao dia mba sita hafa izany jeren'i Lalasoa zany? :-)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb