BLAOGY RTN

Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

voromailala | 15 Aprily, 2009 14:14

Misy lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara, lalana tsotra nefa sarotra tanterahina dia ny fialana amin'ny BM, ONU, FMI,sns....

 Miaraka miasa amin'ireo firenena malalaka tsy hananan'ny FMI,BM tanana, indrindra moa fa taorinan'ny fihaoanana G20 vao maika manana ny heriny izy ireo.

Raha mbola miaraka amin'ireo isika Malagasy dia tsy maintsy hikorontana foana satria ry zareo no masomandidy.

 

Hevitra

Re: Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

finoanaranoray | 15/04/2009, 15:32

Alefaso any ny CV-nao fa mety atao praiminisitra ianao...

sangisangy

Tsary mety izany :-)

LeRastah | 15/04/2009, 21:32

Ireo "firenena malalaka" voalaza ireo koa anie ka tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany, fa tsy hoe hitsimbina sy hitsinjo ny Malagasy akory e.
Ka raha ireo no antenaina, dia tsy maintsy hoe ho raikitra ihany ny raharaha sahala amin' ireny affaire Daewoo ireny.

aoka aloha

Djhamhal | 16/04/2009, 08:49

aoka aloha handinika tsara isika vao manapakevitra satria ny vola nindramintsika t@reo anie katsy voaloantsika ao anatin'ny 50 taona ê! de aiza no ahitantsika zany vola be zany?? ra hiala aminy isika? satria ny fanjakana 3 nifanesy teto de nitrosa t@anaran'ny gasikara dôlo nefa tsy ita ze tena fiantraikany aty @ malagasy ! ka hoy aho hoe : aoka aloha de dinoho tsara

Re: Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

voromailala | 16/04/2009, 15:33

Tena manana harena be sika malagasy, ambany tany , petrole sns.. na heritaona fotsiny aza dia efa voalohantsika ireny trosa rehetra reny.

Raha zao no mitohy mantsy dia raha tsy efa lany tanteraka ny harena ambany tany vao avelandry zareo isika.

Re: Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

sitlo | 19/04/2009, 13:59

Dia iza ary aloha ilay hitondra antsika e?

Ny tena olan'ny malagasy voaloha ange dia ny mpanao politika gasy e.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb