BLAOGY RTN

Tononkala

voromailala | 10 Martsa, 2006 02:03

Ity misy tononkalo faraparany nosoratako anisany ankafihiziko tokoa, hozaraiko aminareo

Ny Tsiambaratelon'ny fandresena

Ny fanana "Tanjona" eo amin'ny fiainana
No torolanana ahitana ny aleha
Arahina 'drafitra hatao foto-pisainana
Hiforonan'ny lalana afaha-mandeha

Koa raiso ny lefona, raiso ny apinga
Aza matahotra miana-mamindra
Raha toa ka solafaka ka tafajera
Mitsangana malaky tohizo ny gera

Tsy ny tanjona tratra no sarobidy
Fa ny lalana vita nihareta-mangidy
Namolavola anao ho lasa olo-mpiady
Ka hivoaha ho anao foana ny vavahady

Voromailala

Fanazavana:

Eo amin'ny fiainana izany dia mila tanjona, raha tsy izany dia mandehadeha eny fotsiny ianao, tsy hita hoe andeha ho aiza.

Ny tanjona ohatra dia ny fanamboarana trano, fananganana orinasa,sns,...

Raha ohatra anefa manana tanjona ianao nefa tsy misy rafitra hapetraka hanatanterahina azy dia lasa nofy fotsiny izany tanjona izany.

Izay no mahatonga ilay hoe rafitra no mamorona ny lalana ahafahana mandeha.

Mila fantarina anefa fa tsy mora ny mahatratra ny tanjona, arakaraka ny mahasarotra ny ahatsatsarana azy no maha tsara ny vokatra azo. Ka noho izany tsy maintsy misy ny sakana, ny mandatsa, kanefa tsy tokony hokivy

hitohy...

Hevitra

Re: Tononkala

pissoa | 10/03/2006, 09:55

Misaotra nizara e!
Miombon-kevitra amin'ny ankapobeny ... fa tsy azoko fotsiny ilay farany:

"Tsy ny tanjona tratra no sarobidy ..." Nahoana no tsy sarobidy kosa?

Momba ny tanjona

voromailala | 12/03/2006, 13:56

"Tsy ny tanjona tratra no sarobidy
Fa ny lalana vita nihareta-mangidy,..."

Ny fahatratrarana ny tanjona dia zava-dehibe fa lalana nodiavinao
ahatongavana amin'izany tanjona izany no tena sarobidy, satria namolavola anao,ahafahanao miahatsika ny fiainana.
Mitadidiava anie hoe nisy tanjona tratranao, faly ianao fa tratra ilay tanjona fa raha jerenao ny lalana vitanao nahatratraranao ilay tanjona dia faly kokoa ianao.

Poety

fraz | 14/03/2006, 07:07

Ary poety ity razoky ity kle :-)
Efa koboko ihany moa io talentanareo io fa manamafy aho.

Mazotoa e !

Re: Tononkala

pissoa | 14/03/2006, 07:25

OK, marina e!

Tohiny fanazavana

Voromailala | 26/03/2006, 01:08

ka raha sendra solafaka ianao eo amin'ny fiainana aza kivy fa mitsangana dia tohizo ny dia. Hataovy ao antsainao foana ny tanjonao.
Raha ianao ka te hilavo lefona, hijanona dia tadidio fa efa kely sisa izay dia ho tratra ny tanjonao.

Farany moa efa nazavaiko kely hoe ny lalana nodiavinao no sarobidy.Manaova jery todika ny lalana efa nodiavinao anie ianao e, fa gaga ianao hoe nahavita izany rehetra izany ve za, koa tohizo ary,aza mijanona raha tsy tratra ny tanjona rehetra.

Rehefa mahatratra tanjona iray ianao na tsy nahatratra dia efa lasa olom-piady satria efa manana traikefa no efa voavolavola ny lalana nodiavinao.

Misaotra nareo izay nitsidika, dia amin'ny manaraka indray e.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb