BLAOGY RTN

Fampianarana Mopera Jezoita

voromailala | 28 Aprily, 2013 12:51

Salama daholo

Inty misy fampianarana Mopera Jezoita mahaliana tokoa (15 minitra eo ny faharetany).

 

Fahasambarana

voromailala | 23 Febroary, 2013 12:55

Inty misy tononkalo kely momba ny Fahasambarana zaraina sy hatolotra ansika mpitoraka blaogy.

Mazotoa azany mamaky.

Fahasambarana

 

Ilay Fahasambarana voajanahary
Dia Hasambarana avy ao anaty
Tsy misy rohy toy ny voambary
Fa ao am-po tsy mety maty

Nahazo ny anjarany avokoa
Isika rehetra eto an-tany
Na mpanota na mpanasoa
Hatrany ampiandohany

Indrisy anefa fa voatotora
Fitiavan-karena sy voninahitra
Ka nanjary feno lomitra
Ilay fitiavan'Andriamanitra

Koa diovy re, ilay Fo
Ary hampitonio koa ny saina
Hampiverina azy hifoha
Hadaozany an-draKarakaina

 

(Voromailala 23/02/2013)

http://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fahasambarana

 

La Pleine Conscience

voromailala | 01 Febroary, 2013 11:22

Manomboka tonga saina tsikelikely ny olombelona eto an-tany, noho ny fitomboan'ny adiady sy fijaliana eto antany.

Ka nahatonga ahy niheno ny feo ao anatiko mankany amin'ny tena "fahamarinana", tsy inona izany fa ny fampiharana ny "Pleine Conscience".

Amin'izao fotoana izy io dia efa hampasain'ny orinasa maro andalampandrosoana, na ihany koa any Madagasikara amin' ireny banky ireny, fa amin'ny dingana voalohany izany hoe "relaxation".

Fa azonao hatao anefa  ny manohy izany ka lasa spirituel, anisan'izany ohatra ny théosophie izay mpianatra tao anatin'izany i Pape Jean Paul II alohan'ny naha Eveka azy.

Aoka ianao irery no hitady ny fahamarinana fa tsy hiankina amin'ny lalana napetraky ny olombelona.

 

Inty zao misy Emission mandeha amin'ny M6 miresaka bonheur misy resaka psychologie positive sy Pleine conscience

Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

voromailala | 05 Jiona, 2012 13:30

Akory ny ahagagako fa mihamaro ireo tanora no tratran'ny "Hypertension" any Madagasikara, toy ny aty amin'ny tany mandroso.Marina hoe eo ny fihazakazahan'ny fiainana fa eo ihany koa ny sakafo hohanina, indrindra ireo karazana sira hamidy any antoerana misy be Ioda.

Na ny ankizy koa amin'izao fotoana dia lasa misy aretikoditra noho ireny sakafo nafarana avy aty ivelany ireny toy ireony cheese balls sy ny maro hafa koa, satria feno conservateur sy produits chimiques isan-karazany.

Fa ny tena nanaitra ny masoko raha nitondro Biscuits vita ny orinasa Malagasy any antoerana ny fianakaviana tonga nitsidika taty, dia feno zavatra tsy natioraly, ilay manomboka amin'ny E... ireny ilay izy.

Izaho moa izany efa ela no nandalina an ity resaka sakafo natioraly ity ka sao dia mahasoa ny fianakaviana any Dago, na ianareo izay aty dago dia mba jereo ity rohy ity, fa manoro anao hoe ahoana ny ahafantarana fa tsara na ratsy hoan'ny fahasalamanao ilay sakafo.

Ny Ankehitriny Ihany

voromailala | 13 Aprily, 2012 20:49

Inty izay misy tononkalo zaraina aminareo mpitoraka blaogy, aingampanahy izy inty azo taorinan'ny namakiana ilay boky "Le Pouvoir du Moment Présent" an 'i Eckhart Tolle
"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra an' ilay  fandresena

Fa "Ny Ankehitriny Ihany" aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa

Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
"Ny Ankehitriny Ihany" no aoka hiroso

Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny Ankehitriny Ihany"

Nari RABE 13/04/2012

 


FrancAfrique France 2

voromailala | 18 Desambra, 2010 10:37

Inty misy documentaire momba ny FrancAfrique navokan'i France 2

 

http://haalli-poular.over-blog.com/ext/http://www.pluzz.fr/infrarouge--francafrique-.html

Rajakom-bazaha ? (Madagascar Tribune)

voromailala | 02 Aogositra, 2010 11:01

Inty misy lahatsoratra iray hitako tao amin'ny Tribune, tsy miombokevitra tanteraka aminy aho fa na izany aza misy zavatra marina sy lesona azo alaina.

Rajakom-bazaha (Madagascar Tribune) 

 

Jereo koa ny commentaire fa misy tena mahaliana mihintsy

 

CRM any Arivonimamo

voromailala | 29 Jolay, 2010 08:18

Inty misy lahatsoratra hita tao amin'ny Tribune, mitantara ny laminasa kasain'ny Croix Rouge malgache any Arivonimamo.

Croix Rouge malgache et espagnole sur le terrain à Arivonimamo en faveur de l’eau et de l’hygiène

 

Projet de société tsara

voromailala | 06 Mey, 2010 11:47

Tsy hoe manao resaka politika aho, fa amin'izaho mandalina ny fanamaitsoana izao, dia hitako hoe anisan'ny tetikasa tsara ity an'ny  Parti Vert hasin'i Madagasikara ity

indrindra amin'ilay resaka fitsaboana araMalagasy, fiarovana ny olona, biby ny natiora ary ny tontolo iainana.

 

 

Madagascar Bio

voromailala | 08 Desambra, 2009 12:31

amin'ny fitiavako ny natiora moa dia nanokatra blaogy momba ny natiora, bio, ecolo sns aho.

Koa zaraiko aminareo sao dia misy mahasoa, http://www.madagascar-bio.com/.

Grippe A sy Vitamine D

voromailala | 23 Novambra, 2009 10:14

Misy fikarohana milaza fa mety ho fiarovana amin'ny Grippe (Grippe A ihany koa), dia fahampiana Vitamine D anatin'ny vatana.

Tsy mbola voaporofo io fa mbola eo ampikarohana. Ny haingana indrindra dia ny fivoahana fangalana masoandro mandritra ny 15 hatramin'ny 30 minitra isan'andro dia ampy ahazafoana an'izany vitamine D ilain'ny vatana izany.

Ny olana anefa dia rehefa rinina aty amin'ny ilany Atsinanana dia tsy dia misy masoandro firy. Ao moa ny misy manome sosokevitra amin'ny fampiasana Ampoule Bio Light ao koa ny manoro ny fihinana trondro matavy toy ny Saumon, Thon, Sardine,maquereau sy ny maro hafa koa.

 Inty misy lahatsoratra mitantara an'izany.

Ny fiharovana tsara indrindra moa lazaina etsy sy eroa dia ny fanaovana vakisiny, nefa misy resabe momba an'ilay vakisiny misy adjuvant.

 

 

 

Vita ny baolina

voromailala | 09 Oktobra, 2009 09:53

Ohatra paozipaozin'ny vita ny baolina a. Tena avolenta be ity raharaha any dago ity.

Indray andro any angambany........

Tratry ny fety Serasera

voromailala | 03 Oktobra, 2009 12:21

Dia faly miarahaba sy misaotra an'i Hery ary ny serasera rehetra, tatry ny 10 taona.

Izahay moa tsy afaka nanatrika ny hetsika fa raha misy manana sary dia mba zarazarao aminay

Andriamanitra Andriananahary anie hitahy antsika rehetra no hatratry ny 10 taona manaraka indray e!

Alika Mivika

voromailala | 24 Septambra, 2009 09:20

Inty misy alika mivika :-), aleo mba hasiana hehy kely.

090909

voromailala | 09 Septambra, 2009 11:47

mba nahavariana ahy dia napetrako teto 09/09/09 :-)

Grippe A

voromailala | 03 Septambra, 2009 08:06

Amiko manokana aloha dia tena mifono misitera mihintsy ity grippe A ity.

Manontany tena aza aho hoe sao dia mba noforonina mihintsy izy inty mba hampadeha an'ireo orinasa mpanamboatra vakisiny.

Raha ny vakisiny indray no resahina, dia izaho manokana aloha sy hanao, sady ohatra zavatra natao maimaika, no koa matetika ny vakisiny maro indra hatao misy olana foana, polio, hepatita sns...

 Hevitro manokana ireo voalazako eo ambony ireo.

Ny tena henjana amin'izy inty dia afaka mifindra sy velona foana na dia amin'ny andro mafana azany, volana martsa tany mexique andro mafana nefa nisy ary nifindra izy inty.

Ka tokony ho mailo ihan isika any madagasikara fa na dia hafana aza ny andro mety mbola hisy foana izy io.

Ireto misy  fitandremana tokony hatao sy mombamomba azy io.

 

 

 

Fin du monde 2012

voromailala | 26 Aogositra, 2009 09:14

Lasa maresaka be amin'izao fotoana izao ny resaka hoe fin du monde 2012.

Ireto aza misy rohy ahitanao izany:

- Misy film hivoaka mihintsy azany amin'ny volana novambra izao 2012.

- Maro koa ireo tranonkala mitantara an'izany, anisan'izany findumonde2012.fr.

 

 

 

 

Malagasy Dream

voromailala | 25 Jiona, 2009 15:09

Mety afaka hanofinofy ve isika indray andro any.

indray 26 jiona, ho tanteraka ny Malagasy Dream.

 Mbola tena hifety ny 26 jiona isika indray andro any.

Fanontaniana ho an'ny Kristianina?

voromailala | 16 Jiona, 2009 08:01

Misy namako Musulman izay mba te hametraka fanontaniana amintsika Kristianina hono izy.

Dia ireto omeko anareo ireto ilay Questions, tsy voatery hoe valiana daholo fa izay azonareo valiana dia mba valio, efa nalefako any amin'ny Pretra ihany koa ireo fanontaniana ireo.

 

 1°/  Avant la création de l’univers (terre et cieux, galaxies….), Le Christ et le Saint-Esprit avaient ils une existence avec Dieu,  ont-ils participé à la création de l’univers ?


2°/  Pourquoi il n'y aucun passage ou Jésus dit "je suis votre Dieu adorez moi" , alors que c'est le dogme principal chez les chrétiens aujourd'hui ? (et ne dites pas qu'il avait peur des juifs ) .

3°/    Pourquoi les autres nations ( ceux qui sont venu avant le christ et dont les prophètes ) ne croyaient pas à la trinité , seraient il envoyé en enfer pour cela?

4°/   Si Jésus est Venu pour délivrer l'humanité du péché original commis par Adam, pourquoi ne l'a t il jamais dis ? vu que la bible ne contient aucune parole du christ parlant du péché originel , on signale la que cette doctrine a été développée bien après au début du V e  siècle par un prêtre nommé augustin.

5°/    pourquoi Dieu le tout puissant devrait il faire descendre son prétendu fils pour pardonner aux gens leurs péchés , ne pouvait il pas simplement pardonner ces pèches?

6°/    Comment Dieu peut il être trois en 1 et un en trois (sans donner l'exemple de l'œuf ou celui de la pomme qui n'y correspondent pas) ?


7°/   Si le christ est Dieu pourquoi le christ affirmait que c'est Dieu qui l 'a envoyé ?

8°/    Si le christ était d'accord sur ce qui lui arrivait et qu'il était Dieu pourquoi prierait il sur la croix "eli eli lama chabaktani": mon Dieu , mon Dieu pourquoi tu m 'as abandonné ?

9°/    Quand Dieu , le créateur était sur la croix ( gloire a lui de ce qu'il prétendent) , qui c'est qui s'occupait de la terre et des sept cieux, qui répondait aux prières de gens , qui.... ?


10°/   pourquoi la libération des péchés n a pas été faite au temps d'Adam?

 

izay indray ary aloha fa dia manantena ny valiteninareo.

5 eme Dimension

voromailala | 12 Jiona, 2009 09:15

Amin'izao fotoana dia Film resaka Renaissance no malaza sy mivoaka. Ireo olona Bodista no tena mandalina an'izy io.

 Sendra nijerijery rohy teny za, dia nahita an'ity resaka 4 eme, 5 eme dimension ty, koa dia zaraiko aminareo. Misy hifandraisany amin'ilay Planete X (Niribu) ihany izy inty.

 Marihana aloha fa izaho dia Kristianina, fa tsy manaka ahy mihaino sy miresaka amin'ny olona manana fijery hafa sy finoana hafa ihany kao.

 

Marina ve?

voromailala | 29 Aprily, 2009 09:25

Sendra nijery vaovao tetsy sy teroa aho momba ny Islam (nijery ilay oronantsary Le Messagé), Judaism, Kristianisma sy ny maro hafa koa dia tonga tampoka tamin'ity rohy ity izany milaza fa angano ny resaka Mahomet.

 

Amiko manokana dia ilaina ny mivelatra miheno ny hevitry ny olona hafa noho ny tena, na firazanana na finoana sy ny maro hafa koa.

Raha nijery ilay Video an'ilay Frère aho dia nahita video maro sy rohy izay ahitana zavatra tsy mbola faheno sy fahita ny ankamaroany, asa aloha izay fahamarinany fa mahaliana tokony ny mijery azy.

Ny rohy nahavariana ahy indrindra dia ilay resaka Franc Macons ahitana ilay pazoina tanana izay lazainy hoe Sings of Satan.

 

asa izay eritreritrareo mahita an'ireo video sy rohy ireo fa tena mahaliana tokoa.

Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

voromailala | 15 Aprily, 2009 12:14

Misy lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara, lalana tsotra nefa sarotra tanterahina dia ny fialana amin'ny BM, ONU, FMI,sns....

 Miaraka miasa amin'ireo firenena malalaka tsy hananan'ny FMI,BM tanana, indrindra moa fa taorinan'ny fihaoanana G20 vao maika manana ny heriny izy ireo.

Raha mbola miaraka amin'ireo isika Malagasy dia tsy maintsy hikorontana foana satria ry zareo no masomandidy.

 

Madagasikara anio 17 martsa 1975

voromailala | 17 Martsa, 2009 13:51

No comment

Franc macon tohiny sady farany

voromailala | 12 Martsa, 2009 14:41

Inty ny tohiny sady farany am in'ilay resaka franc macon

jereo eto....

Voazanaka indray gasikara

voromailala | 10 Martsa, 2009 11:59

Anio 10 martsa 2009 ary aleo hofantatr'ireo taranaka faramandimby fa voazanaka indray i gasikara.

Mafy loatra ny herin'izy ireo, tsy misy afatry ny firaisankinatsika Malagasy ihany no ahafantsika handresy ny fahavalo.

 

 

Dago: Adin'ny Franc Macons roa

voromailala | 08 Martsa, 2009 22:14

Raha natao ny fandalinana dia Franc Macons roa no miady ahazo an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao, noho ny fisian'ny petrole sy harena ambanin'ny tany.

Ny iray manohana an'i Ravalomanana moa ny iray kosa manohana an'i Andry TGV.

 

raha andalina ny momba ny Fran maçonnerie any dago ianao dia inty ny rohy

 http://gltsm.ifrance.com/gltsm/

 

New World Order

voromailala | 02 Martsa, 2009 15:01

Misy miteny hoe tsaho, misy mino ny fisiany, ka zaraiko aminareo eto izany hatao hoe New World Order.

Raha fintinina dia ireo olombitsy ireo no miketritra hitondra ny tany. Miaraka amin'ny devoly izy ireo.

 Ito misy rohy ahitana video ana Petra iray manazava an'izany, jereo eto....

 Ny fanontaniana mipetraka hoe efa tonga any Gasikara ve izy ireo?

 

TGV: handroso sa hihemotra?

voromailala | 25 Febroary, 2009 10:41

Raha ny fahitako ity tantara ity dia raha mandroso TGV maty raibe, mihemotra maty renibe.
raha mandroso amin'ny fifampirarahana izy izany hoe Ravalomanana mijanona filoha dia manao goveremanta
iraisana dia ireo olona nanohana azy tsy hanaiky ary mety hivadika aminy mihintsy azany.

Raha ohatra ka hihemotra indray izy, hiverina eny amin'ny 13 mai ka hanohy ny dia makeny Iavoloha na Mahazoarivo dia mety hisy faty olona indray.

Koa inona aza no mety hovahaolana?
eo indrindra isika zao.

Potika Gasikara

voromailala | 19 Febroary, 2009 15:28

Izao vao tena hoe potika gasikara. Asa ny taranaka any aoriana any
raha ahavitra hanarina azy, fa raha izao fitrangan'izao aloha, miampy ny
crise mondiale dia asa fotsiny izay hihafarany.

Madagasikara

voromailala | 12 Febroary, 2009 21:21

Raha mbola misy firenena vahiny aorinan'izay mpitondra an'i Madagasikara dia tsy ho tafita mihintsy ny firenentsika.

Mazava ho azy fa ny amerikana no aorinan'i Ra8 ary Lafrantsa no aorinan'i TGV.

Tsy eto Madagasikara irery anefa no misy toejavatra ohatra an'izany fa eran-tany mihintsy.

Rahoviana i Gasikara no ahaleon-tena?

 

Novoizina efa hatrany amboalohany ny adim-poko, fanavahana eo amin'ny Merina sy ny Tanindrana,

mba ahatongavana amin'ilay hoe zarazarao hanjakana.

Raha tsy mitambatra miraihina tanteraka ny Merina sy ny tanindrana dia tsy hotafita mihintsy i Gasikara.

 

hoy koa i Rado zay hoe hotafita isika Malagasy rehefa ny teny Malagasy no hampiasaintsika amin'ny rehetra.

 

 

 

Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay

voromailala | 28 Janoary, 2009 08:54

          1- Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay
          Handroso lalandava, handry fahizay.
          Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
          Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

 2- Ireo mpitondranay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
 Dia ho tany sambatra, ilay Madagaskaranay.

3- Ny taranakay tahio ho vanona tokoa;
Ireo no solofo, dimby, rahatrizay
Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

 

Aza miasa amin'ny gasy ihany

voromailala | 15 Oktobra, 2008 20:49

Nataoko ihany tsy hitantara azy kanefa aleoko lazaina eto ihany mba tsy hovoan'ny nahazo ahy ianareo.

Nisy ihany ireo orinasa malagasy niasako taty andafy fa aleo dia tsorina fa misy ireo tena manambaka.Tsy vitan'ny hoe manambaka tamin'izany fa rehefa fantany  ianao hoe netinety ny natao taty aoriana tadiaviny hosakana amin'izay hatao.

Inty iray lazaiko anareo ty dia nahavatra niantso tany amin'ny tompon'andraikitra ny tranonkala iray nametrahako ny cvko nanambara fa: mampitombo resaka aho momba ny asa natao tao amindry zareo.

Ampahatsorana moa dia nampilaza ahy ilay tompon'andraikitra koa dia gaga sy talanjona ny tena, ory havamanana ve sa efa be ny alahelo ka zay vao nilatsaka?

voaporofo nefa fa marina daholo ireo zavatra nolazaiko satria voasoratra tao anaty taratasim-pajakana (minisiteran'ny asa).

Tena mampalahelo raha ohatra an'izany no toetsaina.

 

 

 

 

Mampanakarena?

voromailala | 14 Mey, 2008 12:16

Nisy boky nosoratan'i Napoléon Hill mitondra ny lohateny hoe Réfléchissez et devenez riche. Anisan'ny boky nahafinaritra azy izy io, marina hoe mbola tsy lasa mpanakarena aho :-), fa nanampy ahy betsaka teo amin'ny fiainana ahatongavana amin'ny tanjona hiriana.

Ny famakiana an'izy io no nahatonga ahy nanoratra ilay tononkalo hoe Tsiambaratelon'ny fandresana.

Jerijereo ihany sao dia mahasoa anao io boky io, eto misy fanontaniana vitsivitsy ahafantaranao hoe manaraka ny lalan'ny fahombiazana ve ianao. 

 Dia mazotoa ary mamaky e, dia aza adino za rehefa lasa mpanakarena ianao :-)

 


 

Tia biby

voromailala | 02 Mey, 2008 08:58

Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra.
Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns....
Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako anaty tranonkala ato amin'ny asasary.com.

Raha tsy mbola misy silverlight ny PC-nao, dia mety hangatahany hapetraka, vetivetika ihany zany. Indray mandeha ihany ianao mametraka azy io dia afaka mijery ireo site vita amin'ny silverlight rehetra. 

 

 

Sao dia mahasoa anao?

voromailala | 23 Febroary, 2008 10:38

Misy hetsika hatsoina hoe Le train pour l'emploi et de l'égalité des chances eraky Lafrantsa, natokana indrindra izay ho an'ny vahiny te hiasa eto lafrantsa.

Eto ny rohy http://www.train-emploi.fr/

Tratry fety

voromailala | 30 Desambra, 2007 20:20

Manao ahoana daholo

Faly miarahaba antsika mpitoraka blaogy tratry ny Noely na dia somary taratara aza sy ho tratry ny taona vaovao 2008.

Inty misy fampisehoana kely nataon'i Voromailala sy Ers, mety ahafinaritra ny havana sy ny namana raha manamboatra ohatra an'io ho azy koa ianareo. Araho fotsiny ny tranonkala dia hatorony anareo ny tokony hatao. 

 

 

 

Fandefasana Vola sy entana any dago

voromailala | 10 Novambra, 2007 09:25

Amin'izao akatoky ny Noely sy ny taona vaovao izao dia efa mihamaro tokoa ireo tolotra amin'ny fandefasana entana, mety efa

fantatry ny maro angambany ny  MondialProx

Misy ihany koa ny vaovao toy ny Emadex izay ahafahanao mandefa entana ary mandefa vola ihany koa. 

 Misy ihany  koa tapaka sy namana any madagasikara Dispo'Serv izay manome tolotra mofomamin'ny Noely. Marihana moa fa ry zareo ireo no nanao ny mofomamy ny mariazinay.

 Maromaro any zavatra tahaka an'itony, satria mijanona antsika Malagasy ny tombotsoa. 

 

Tranonkala Mariazy

voromailala | 13 Oktobra, 2007 15:00

Efa vita soaman-tsara izany ny tranonkala mitantara ny mariazy, koa dia zaraina amintsika eto amin'ny serasera.

Izahay mivady dia maneho fisaorana manokana an'i Hery (serasera) tamin'ny fanantotosana an'izany.

rabe.fr

Resaka Bourse

voromailala | 03 Oktobra, 2007 13:48

Inty zany misy resaka kely mikasika ny Bourse. Voalaza matetika etsy sy eroa izy io,

hoe CAC 40, NASDAQ ,nefa tsy fantatra tsara hoe inona no dikany.

Koa inty aza misy tranonkala iray manazava tsara ny tena dikany, ary manazava ihany koa ny hatao hoe Broker

 

 

Les enfants du soleil à Madagascar

voromailala | 01 Aogositra, 2007 18:02

Asa raha fantatrareo ny enfants du Soleil fa fikambanana iray manampy ireo ankizy ny lalana.Avy aty andafy ny mpitantana azy io.Efa ela ihany izy io no efa tany madagasikara,jereo eto raha te ahafantatra izany ianao no sao dia misy azonao handraisana anjara. 

Inty koa misy karazany hafa mitovitovy amin'izy io, ary misy any madagasikara ihany koa. 

 

Billet d'avion Gratuit

voromailala | 12 Jolay, 2007 09:12

manao promotion be amin'izao ny Rayanair, dia manao billet d'avion gratuit, ka miazakazaha sao dia mba misy mahasoa, fa hatramin'izao izaho manoratra izao aloha mbola misy e.

jereo eto.

Ary izay vao azoko!

voromailala | 17 Mey, 2007 11:43

Dimy taona izay no nipetrahako teto Frantsa, fa maro ireo zavatra hametrahako fanontaniana, anisan'izany ohatra ny fomba iray ahafahana miresaka sy mifandray tsara amin'ny vazaha.

Asa ianareo na efa tratra ohatra ahy fa misy  fotoana rehefa miresaka amin'ny vazaha na vahiny teraka na lehibe teto Frantsa dia indraindray misy zavatra tsy azo ( ankoatran'ny fitenenena Verlan toy ny chelou, teuf,....).

Nanontaniako ihany koa ireo vahiny vao tonga haingana teto Frantsa dia toy izany ihany koa. Tamin'ny voalohany heveriko fa resaka timidité sy communication ilay izy, dia niezaka namaky boky  vaincre la timidité, Process Communication,... nisy fiovana kely satria lasa sahisahy miresaka sy miteny, kanefa rehefa miresaka miaraka misakafo ohatra dia mbola misy ihany ny zavatra tsy hay no tsy hita izay havaly fa dia mody mitsikitsiky fotsiny, na manao hoe Oui :-).

Taty aoriana raha sendra nijery fandaharana tamin'ny Télé aho dia voalaza fa azo zaraina roa ny tontolo ny tanora, ireo tanora any amin'ny banlieu izay mampiasa Verlan, sy ireo tanora vazaha no ankamaroany mianatra amin'ny Ivotoerana izay manana culture betsaka kokoa (Literatiora,mozika klasika,tantara,...). 

Ilay fandaharana moa izany dia andrana iray fampidirana ireo ankizy mahay ny Banlieu hofanina hiditra amin'ireny sekoly manandaza ireny, Lycée Henri-IV izany. 

Teo no nisokatra ny saika, satria ireny ankizy ny Banlieu ireny anie teraka taty kanefa maninona no sahirana rehefa miditra amin'ny ivotoerana ambony sy sarotra vao mahazo asa tsara. 

Hilaina ny fanana culture momba ny toerana misy anao, Frantsa moa izany no resahiko eto izao, ary tena marina izany satria vao herinandro fotsiny izay, raha niaraka nisakafo tamin'ireo mpiaramiasa vazaha aho, dia rehefa resaka politika Sarkozy sy Segolene (inona moa izany mba hanisany narahako tsara) na koa resaka informatika dia tena miresaka tokoa ahoary  mahita havaly tsara,fa raha vao nivadika resaka Napoléon le fandehany tonga dia niverina amin'ny tsikitsiky indray :-).

Izay no mahatonga an'ireny ankizy nianatra tamin'ny lycée Francais any madagasikara ireny tsy sahirana mihintsy rehefa tonga aty andafy, satria ny programa an-dry zareo dia programa Frantsay fa tsy Malagasy. Isika tamin'ny nianatra mantsy  ny anay moa izany, dia ny guerre mondiale,guerre froide (rideau de fer), no natao tamin'izany.

Izany akory tsy midika hoe tokony hovaina tantara ny Frantsa ny any madagasikara, fa hoe ireo izay ankizy hianatra na hiasa aty Frantsa dia tokony hofanina kely momba ny tantara, fiainana,ary kiolotra aty Frantsa.

Ary ny hamaranako azy, dia hoe izay koa vao azoko hoe maninona ireo olona mpananakarena sasany any Madagasikara dia mozika klasika no henoiny, satria resaka culture ihany koa izany. 

Koa na aiza na aiza misy anao dia hiezaho foana ny mamantatra ny tantara,fomba fiainana ny firenena sy ny toerana misy anao. Tamin'izaho tany Haute Savoie izao dia mba nahafantatra an'izany hoe Roblechon (fromazy), Raclette, sy Les Trois Vallées izay fanaovana Sky lehibe indrindra eran-tany.

Izay indray ary aloha fa dia mitantara anareo ny zavatra voavaly miandalana eto ihany.

Ny fanontaniana mipetraka manaraka izao dia hoe ahoana no ahatafitana ohatra an'ireny vahiny tafita any antanin'olona ireny? 

 

 

 

 

 

Mpakasary Radio Vazogasy

voromailala | 02 Mey, 2007 13:43

Nifanena tamin'ny mpaka sarin'ny Radiovazogasy izahay omaly, raha sendra nitsidika ny Foire de Paris.

Teo amin'ny Stand Art Andraina moa no nisy anay tamin'izay ary misy stand art malagasy ihany koa nanondidina teo.Efa harivariva efa hifarana ny Foara moa vao tonga ilay mpaka sary ka tsy afaka naka sary firy izy, ka milaza hiverina ny azoma izao.

Fitaovana profesionaly Reflex Canon 350D, miaraka amin'ny canon powershot G7 no nampiasainy tamin'izany.

 

Fanamboarana Slide Gratos

voromailala | 27 Aprily, 2007 19:04

Raha sendra nitsidika tranonkala tamin'ny aterineto aho dia nahita tranonkala fanamboarana Slide na sary.

Azonao hatao ny manokatra na tsia compte ary maimaipoana izy io.Toy io hitanao eo ambany io ny fivoakan'ilay Slide

 

 


RTN Photography

Blaogy : Ho an'ireo izay tia sakafo

voromailala | 24 Aprily, 2007 15:35

Ho an'ireo izay olona tia misakafo any amin'ny restaurant, dia misy filaharan'ireo fisakafoanana tsara indrindra eran-tany inty.

Ny Frantsay no  betsaka voatonona ao fa Espagne, sy Royaume-Uni no lohalaharana, koa aza misalasala azy mitondra namana na havana na sipa amin'izany, rehefa misy fety (na tsy voatery fety azany). 

 The World's 50 Best Restaurants

Radio Blog

voromailala | 18 Aprily, 2007 22:09

 

Maro amintsika angamba no tia miheno hira amin'ny alalan'ny tranonkala. Raha hira gasy angambany aloha efa tsy lazaiko intsony satria efa misy ny radiovazogasy, sy ny maro hafa koa.

Fa ny hatoroko anao dia tranonkala iray ahafahanao mitady hira izay tadiavinao (matetika). Mazotoa ary mitady ary miheno izay hira tianao ao amin'ny radioblogclub

Orchidées de Madagascar

voromailala | 07 Aprily, 2007 20:42



Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie.

Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina amin'ny teny Malagasy,Frantsay ary anglisy.

Tsy naharitra koa ny tena fa dia nentina nanaraka ny fankana sary, koa manasa anao hijery ireo sary eto Orchidées de Madagascar

 

Voromailala Président

voromailala | 21 Martsa, 2007 15:40

Nisy olona tao nanamboatra an'ity ho ahy, hozaraiko aminareo fa misena, dia afaka hataonareo amin'ny namana sy havana ihany koa.

jereo eto... 

Tranonkala Ahitana ny rehetra

voromailala | 06 Martsa, 2007 14:14

Amin'izao fotoana izao mantsy dia voarara ny maka film na mozika amin'ny alalan'ireny fitaovana Peer2Peer ireny. Ny fataon'ny olona izany dia any amin'ny news groups no hametrahan-dry zareo ireo films, sady tsy voaramaso aloha hatramin'izao.

Misy tranonkala iray izany manangona ireo lien rehetra misy film amin'ireo news groups ireo. Jereo eto... 

Izaho aloha dia mitsotra fa efa 2 taona izay no tsy sahy naka film tamin'internet. Kely ny riska kanefa asakasakao ihany :-) 

Tratra ilay bandy sady voa blaogy

voromailala | 27 Febroary, 2007 10:26

Ity misy raikitra iray mampiseho ny zavatra vitan'ny olombelona rehefa saro-piaro.

Rariny ve satria ny nataon'ilay vehivavy, anjaranao angambany no mamantatra izany. Toy izao ilay tantara raha fintinina, nasian'ilay vehivavy camera tao amin'ny tranon'izy roa kely, dia tratrany en direct nampiditra sipa ilay bandy.....

 

Willi Waller

voromailala | 27 Janoary, 2007 16:00

Anisan'ny voaresaka etsy sy eroa ankehitriny na eto Frantsa na any kanada, karazana mpilalao antsehatra, ny masony sy ny vavany tena izy fa ny ambiny dia sary.Sady mampihomehy no mahafinaritra :-).
Anisany nalaza tamin'ireny ity willi waller ity.

Voromailala sings Love Me Tender

voromailala | 22 Janoary, 2007 21:40

Efa ela no nahafinaritra ahy ity hira ity Love Me Tender, dia tapaka ny hevitro fa hohiraiko hataoko tahiry. Revirevy manala azy fotsiny inty fa dia mazotoa mijery e!

 

Ohatra ny amerikanina ny artista gasy

voromailala | 18 Janoary, 2007 17:04

Raha sendra nijery ireo clip gasy tao amin'ny youtube aho dia gaga sy talanjona, fa tena lasa lavitra mihintsy ny artista malagasy, ohatran'ireny amerikanina ireny mihintsy.

Ireto misy clip roa ohatra:

 

WPF/E: Video Notre Dame Rouen

voromailala | 09 Janoary, 2007 22:20

Ity misy video an'i Notre Dame ao Rouen, tsy tena ilay video loatra no tena aseho fa ilay teknolojia vaovao WPF/E (Windows Presentation Foundation / Everywhere).

Izy io no fitaovana vaovao namboarin'i Microsoft hifaninana amin'ny Flash.

Misy pluging kely 1mo eo hangatahiny hapetrakao amin'ny voalohany dia afaka mijery tranonkala mampiasa WPF/E foana amin'izay ianao.