BLAOGY RTN

Radio Blog

voromailala | 18 Aprily, 2007 22:09

 

Maro amintsika angamba no tia miheno hira amin'ny alalan'ny tranonkala. Raha hira gasy angambany aloha efa tsy lazaiko intsony satria efa misy ny radiovazogasy, sy ny maro hafa koa.

Fa ny hatoroko anao dia tranonkala iray ahafahanao mitady hira izay tadiavinao (matetika). Mazotoa ary mitady ary miheno izay hira tianao ao amin'ny radioblogclub

Orchidées de Madagascar

voromailala | 07 Aprily, 2007 20:42



Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie.

Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina amin'ny teny Malagasy,Frantsay ary anglisy.

Tsy naharitra koa ny tena fa dia nentina nanaraka ny fankana sary, koa manasa anao hijery ireo sary eto Orchidées de Madagascar

 

Voromailala Président

voromailala | 21 Martsa, 2007 15:40

Nisy olona tao nanamboatra an'ity ho ahy, hozaraiko aminareo fa misena, dia afaka hataonareo amin'ny namana sy havana ihany koa.

jereo eto... 

Tranonkala Ahitana ny rehetra

voromailala | 06 Martsa, 2007 14:14

Amin'izao fotoana izao mantsy dia voarara ny maka film na mozika amin'ny alalan'ireny fitaovana Peer2Peer ireny. Ny fataon'ny olona izany dia any amin'ny news groups no hametrahan-dry zareo ireo films, sady tsy voaramaso aloha hatramin'izao.

Misy tranonkala iray izany manangona ireo lien rehetra misy film amin'ireo news groups ireo. Jereo eto... 

Izaho aloha dia mitsotra fa efa 2 taona izay no tsy sahy naka film tamin'internet. Kely ny riska kanefa asakasakao ihany :-) 

Tratra ilay bandy sady voa blaogy

voromailala | 27 Febroary, 2007 10:26

Ity misy raikitra iray mampiseho ny zavatra vitan'ny olombelona rehefa saro-piaro.

Rariny ve satria ny nataon'ilay vehivavy, anjaranao angambany no mamantatra izany. Toy izao ilay tantara raha fintinina, nasian'ilay vehivavy camera tao amin'ny tranon'izy roa kely, dia tratrany en direct nampiditra sipa ilay bandy.....

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb