BLAOGY RTN

Ny fitiavana dia toy ny rivotra

voromailala | 26 Martsa, 2006 01:10

Indray mandeha izay aho sendra lasa saina sy nandinika nymomba ny fitiavana, dia tsapako fa toy ny rivotra ny fitiavana.

Izy no mamelona ny olona,ary mety mahafaty ny olona koa anefa izy amin'ny lalan'ny rivo-doza.

Mety hangatsiaka izy, mety hafana kanefa tsy mety maty.

 

 

Tononkala

voromailala | 10 Martsa, 2006 02:03

Ity misy tononkalo faraparany nosoratako anisany ankafihiziko tokoa, hozaraiko aminareo

Ny Tsiambaratelon'ny fandresena

Ny fanana "Tanjona" eo amin'ny fiainana
No torolanana ahitana ny aleha
Arahina 'drafitra hatao foto-pisainana
Hiforonan'ny lalana afaha-mandeha

Koa raiso ny lefona, raiso ny apinga
Aza matahotra miana-mamindra
Raha toa ka solafaka ka tafajera
Mitsangana malaky tohizo ny gera

Tsy ny tanjona tratra no sarobidy
Fa ny lalana vita nihareta-mangidy
Namolavola anao ho lasa olo-mpiady
Ka hivoaha ho anao foana ny vavahady

Voromailala

Fanazavana:

Eo amin'ny fiainana izany dia mila tanjona, raha tsy izany dia mandehadeha eny fotsiny ianao, tsy hita hoe andeha ho aiza.

Ny tanjona ohatra dia ny fanamboarana trano, fananganana orinasa,sns,...

Raha ohatra anefa manana tanjona ianao nefa tsy misy rafitra hapetraka hanatanterahina azy dia lasa nofy fotsiny izany tanjona izany.

Izay no mahatonga ilay hoe rafitra no mamorona ny lalana ahafahana mandeha.

Mila fantarina anefa fa tsy mora ny mahatratra ny tanjona, arakaraka ny mahasarotra ny ahatsatsarana azy no maha tsara ny vokatra azo. Ka noho izany tsy maintsy misy ny sakana, ny mandatsa, kanefa tsy tokony hokivy

hitohy...

Misaotra anao nitsidika

voromailala | 06 Martsa, 2006 04:29

Misaotra anao nitsidika ny blaogy RTN.

Iza mitambatra vao , izay misaraka fasika.

Tonga soa voromailala!

voromailala | 06 Martsa, 2006 04:27

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb