BLAOGY RTN

Ny Dikan'ireo fihetsika

voromailala | 17 Jiona, 2006 23:29

Raha ny firesaka no zoina dia voalaza fa 80% ny zavatra lazaina dia hita avy amin'ny fihetsika daholo. Ry zareo amerikanina moa dia tena mandalina an'izy io, ka ireto ny fihetsika telo miaraka amin'ny dikany.

  1. Misafo ny volo any aoriana : midika hono matetika fa tsy mahazo aina ilay olona miteny
  2. Manapina vava rehefa hiteny: dia manambara fa misalasala amin'ny zavatra teneniny ilay olona, izany hoe tsy resy lahatra izy hoe marina zay lazainy
  3. Mikitikitika orona rehefa miresaka :matetika dia mandainga ny olona mikitika orona
izay indray no azo haroso anao androany fa dia amin'ny manaraka.

Video Tononkalo Caramail

voromailala | 10 Jiona, 2006 13:18

Ity misy tononkalo iray izay nosoratako naraikitra ho video. Ny mahasamihafa azy amin'ireo video tononkalo izay vita teo aloha dia ers no mivetso azy.

Video tononkalo Caramail 

 

Asasary

voromailala | 10 Jiona, 2006 12:25

Manomboka mandalina ny resaka sary indray izaho amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela aho no tia ny natiora, koa dia nanapakevitra hoe andeha handalina ny fakana sary ny Natiora.

Nanokatra bloagy asasary iray aho hizarako izany aminao.

 

Ireo boky famakiko

voromailala | 08 Jiona, 2006 10:18

Zaraiko aminareo eto ireo boky famakiko,izay hitanareo amin'ny alalan'ireo sary voatondro ery ambany ery.

Boky momba ny intelligence emotionnelle fotsiny angambany no tsy ao satria mbola nisy nindrana.

Mazotoa ary mijery e!

Boky 01 

Boky 02 

 

Inona ary izany raha fantatrao?

voromailala | 04 Jiona, 2006 00:07

Inona ary izany sady afaka hatao laoko no afaka  hatao a dessert?

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb