BLAOGY RTN

Billet d'avion Gratuit

voromailala | 12 Jolay, 2007 09:12

manao promotion be amin'izao ny Rayanair, dia manao billet d'avion gratuit, ka miazakazaha sao dia mba misy mahasoa, fa hatramin'izao izaho manoratra izao aloha mbola misy e.

jereo eto.

Ary izay vao azoko!

voromailala | 17 Mey, 2007 11:43

Dimy taona izay no nipetrahako teto Frantsa, fa maro ireo zavatra hametrahako fanontaniana, anisan'izany ohatra ny fomba iray ahafahana miresaka sy mifandray tsara amin'ny vazaha.

Asa ianareo na efa tratra ohatra ahy fa misy  fotoana rehefa miresaka amin'ny vazaha na vahiny teraka na lehibe teto Frantsa dia indraindray misy zavatra tsy azo ( ankoatran'ny fitenenena Verlan toy ny chelou, teuf,....).

Nanontaniako ihany koa ireo vahiny vao tonga haingana teto Frantsa dia toy izany ihany koa. Tamin'ny voalohany heveriko fa resaka timidité sy communication ilay izy, dia niezaka namaky boky  vaincre la timidité, Process Communication,... nisy fiovana kely satria lasa sahisahy miresaka sy miteny, kanefa rehefa miresaka miaraka misakafo ohatra dia mbola misy ihany ny zavatra tsy hay no tsy hita izay havaly fa dia mody mitsikitsiky fotsiny, na manao hoe Oui :-).

Taty aoriana raha sendra nijery fandaharana tamin'ny Télé aho dia voalaza fa azo zaraina roa ny tontolo ny tanora, ireo tanora any amin'ny banlieu izay mampiasa Verlan, sy ireo tanora vazaha no ankamaroany mianatra amin'ny Ivotoerana izay manana culture betsaka kokoa (Literatiora,mozika klasika,tantara,...). 

Ilay fandaharana moa izany dia andrana iray fampidirana ireo ankizy mahay ny Banlieu hofanina hiditra amin'ireny sekoly manandaza ireny, Lycée Henri-IV izany. 

Teo no nisokatra ny saika, satria ireny ankizy ny Banlieu ireny anie teraka taty kanefa maninona no sahirana rehefa miditra amin'ny ivotoerana ambony sy sarotra vao mahazo asa tsara. 

Hilaina ny fanana culture momba ny toerana misy anao, Frantsa moa izany no resahiko eto izao, ary tena marina izany satria vao herinandro fotsiny izay, raha niaraka nisakafo tamin'ireo mpiaramiasa vazaha aho, dia rehefa resaka politika Sarkozy sy Segolene (inona moa izany mba hanisany narahako tsara) na koa resaka informatika dia tena miresaka tokoa ahoary  mahita havaly tsara,fa raha vao nivadika resaka Napoléon le fandehany tonga dia niverina amin'ny tsikitsiky indray :-).

Izay no mahatonga an'ireny ankizy nianatra tamin'ny lycée Francais any madagasikara ireny tsy sahirana mihintsy rehefa tonga aty andafy, satria ny programa an-dry zareo dia programa Frantsay fa tsy Malagasy. Isika tamin'ny nianatra mantsy  ny anay moa izany, dia ny guerre mondiale,guerre froide (rideau de fer), no natao tamin'izany.

Izany akory tsy midika hoe tokony hovaina tantara ny Frantsa ny any madagasikara, fa hoe ireo izay ankizy hianatra na hiasa aty Frantsa dia tokony hofanina kely momba ny tantara, fiainana,ary kiolotra aty Frantsa.

Ary ny hamaranako azy, dia hoe izay koa vao azoko hoe maninona ireo olona mpananakarena sasany any Madagasikara dia mozika klasika no henoiny, satria resaka culture ihany koa izany. 

Koa na aiza na aiza misy anao dia hiezaho foana ny mamantatra ny tantara,fomba fiainana ny firenena sy ny toerana misy anao. Tamin'izaho tany Haute Savoie izao dia mba nahafantatra an'izany hoe Roblechon (fromazy), Raclette, sy Les Trois Vallées izay fanaovana Sky lehibe indrindra eran-tany.

Izay indray ary aloha fa dia mitantara anareo ny zavatra voavaly miandalana eto ihany.

Ny fanontaniana mipetraka manaraka izao dia hoe ahoana no ahatafitana ohatra an'ireny vahiny tafita any antanin'olona ireny? 

 

 

 

 

 

Mpakasary Radio Vazogasy

voromailala | 02 Mey, 2007 13:43

Nifanena tamin'ny mpaka sarin'ny Radiovazogasy izahay omaly, raha sendra nitsidika ny Foire de Paris.

Teo amin'ny Stand Art Andraina moa no nisy anay tamin'izay ary misy stand art malagasy ihany koa nanondidina teo.Efa harivariva efa hifarana ny Foara moa vao tonga ilay mpaka sary ka tsy afaka naka sary firy izy, ka milaza hiverina ny azoma izao.

Fitaovana profesionaly Reflex Canon 350D, miaraka amin'ny canon powershot G7 no nampiasainy tamin'izany.

 

Fanamboarana Slide Gratos

voromailala | 27 Aprily, 2007 19:04

Raha sendra nitsidika tranonkala tamin'ny aterineto aho dia nahita tranonkala fanamboarana Slide na sary.

Azonao hatao ny manokatra na tsia compte ary maimaipoana izy io.Toy io hitanao eo ambany io ny fivoakan'ilay Slide

 

 


RTN Photography

Blaogy : Ho an'ireo izay tia sakafo

voromailala | 24 Aprily, 2007 15:35

Ho an'ireo izay olona tia misakafo any amin'ny restaurant, dia misy filaharan'ireo fisakafoanana tsara indrindra eran-tany inty.

Ny Frantsay no  betsaka voatonona ao fa Espagne, sy Royaume-Uni no lohalaharana, koa aza misalasala azy mitondra namana na havana na sipa amin'izany, rehefa misy fety (na tsy voatery fety azany). 

 The World's 50 Best Restaurants

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb