BLAOGY RTN

Fampianarana Mopera Jezoita

voromailala | 28 Aprily, 2013 12:51

Salama daholo

Inty misy fampianarana Mopera Jezoita mahaliana tokoa (15 minitra eo ny faharetany).

 

Fahasambarana

voromailala | 23 Febroary, 2013 12:55

Inty misy tononkalo kely momba ny Fahasambarana zaraina sy hatolotra ansika mpitoraka blaogy.

Mazotoa azany mamaky.

Fahasambarana

 

Ilay Fahasambarana voajanahary
Dia Hasambarana avy ao anaty
Tsy misy rohy toy ny voambary
Fa ao am-po tsy mety maty

Nahazo ny anjarany avokoa
Isika rehetra eto an-tany
Na mpanota na mpanasoa
Hatrany ampiandohany

Indrisy anefa fa voatotora
Fitiavan-karena sy voninahitra
Ka nanjary feno lomitra
Ilay fitiavan'Andriamanitra

Koa diovy re, ilay Fo
Ary hampitonio koa ny saina
Hampiverina azy hifoha
Hadaozany an-draKarakaina

 

(Voromailala 23/02/2013)

http://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fahasambarana

 

La Pleine Conscience

voromailala | 01 Febroary, 2013 11:22

Manomboka tonga saina tsikelikely ny olombelona eto an-tany, noho ny fitomboan'ny adiady sy fijaliana eto antany.

Ka nahatonga ahy niheno ny feo ao anatiko mankany amin'ny tena "fahamarinana", tsy inona izany fa ny fampiharana ny "Pleine Conscience".

Amin'izao fotoana izy io dia efa hampasain'ny orinasa maro andalampandrosoana, na ihany koa any Madagasikara amin' ireny banky ireny, fa amin'ny dingana voalohany izany hoe "relaxation".

Fa azonao hatao anefa  ny manohy izany ka lasa spirituel, anisan'izany ohatra ny théosophie izay mpianatra tao anatin'izany i Pape Jean Paul II alohan'ny naha Eveka azy.

Aoka ianao irery no hitady ny fahamarinana fa tsy hiankina amin'ny lalana napetraky ny olombelona.

 

Inty zao misy Emission mandeha amin'ny M6 miresaka bonheur misy resaka psychologie positive sy Pleine conscience

Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

voromailala | 05 Jiona, 2012 13:30

Akory ny ahagagako fa mihamaro ireo tanora no tratran'ny "Hypertension" any Madagasikara, toy ny aty amin'ny tany mandroso.Marina hoe eo ny fihazakazahan'ny fiainana fa eo ihany koa ny sakafo hohanina, indrindra ireo karazana sira hamidy any antoerana misy be Ioda.

Na ny ankizy koa amin'izao fotoana dia lasa misy aretikoditra noho ireny sakafo nafarana avy aty ivelany ireny toy ireony cheese balls sy ny maro hafa koa, satria feno conservateur sy produits chimiques isan-karazany.

Fa ny tena nanaitra ny masoko raha nitondro Biscuits vita ny orinasa Malagasy any antoerana ny fianakaviana tonga nitsidika taty, dia feno zavatra tsy natioraly, ilay manomboka amin'ny E... ireny ilay izy.

Izaho moa izany efa ela no nandalina an ity resaka sakafo natioraly ity ka sao dia mahasoa ny fianakaviana any Dago, na ianareo izay aty dago dia mba jereo ity rohy ity, fa manoro anao hoe ahoana ny ahafantarana fa tsara na ratsy hoan'ny fahasalamanao ilay sakafo.

Ny Ankehitriny Ihany

voromailala | 13 Aprily, 2012 20:49

Inty izay misy tononkalo zaraina aminareo mpitoraka blaogy, aingampanahy izy inty azo taorinan'ny namakiana ilay boky "Le Pouvoir du Moment Présent" an 'i Eckhart Tolle
"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra an' ilay  fandresena

Fa "Ny Ankehitriny Ihany" aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa

Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
"Ny Ankehitriny Ihany" no aoka hiroso

Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny Ankehitriny Ihany"

Nari RABE 13/04/2012

 


 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb