BLAOGY RTN

Categorie: Ankapobeny

Fampianarana Mopera Jezoita

Salama daholo Inty misy fampianarana Mopera Jezoita mahaliana tokoa (15 minitra eo ny faharetany).  

Fahasambarana

Inty misy tononkalo kely momba ny Fahasambarana zaraina sy hatolotra ansika mpitoraka blaogy. Mazotoa azany mamaky. Fahasambarana   Ilay Fahasambarana voajanahary Dia Hasambarana avy ao anaty Tsy misy rohy toy ny voambary Fa ao am-po tsy mety maty Nahazo ny anjarany avokoa...

La Pleine Conscience

Manomboka tonga saina tsikelikely ny olombelona eto an-tany, noho ny fitomboan'ny adiady sy fijaliana eto antany. Ka nahatonga ahy niheno ny feo ao anatiko mankany amin'ny tena "fahamarinana", tsy inona izany fa ny fampiharana ny "Pleine Conscience". Amin'izao fotoana izy io dia...

Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

Akory ny ahagagako fa mihamaro ireo tanora no tratran'ny " Hypertension " any Madagasikara, toy ny aty amin'ny tany mandroso.Marina hoe eo ny fihazakazahan'ny fiainana fa eo ihany koa ny sakafo hohanina, indrindra ireo karazana sira hamidy any antoerana misy be Ioda. Na ny ankizy koa...

Ny Ankehitriny Ihany

Inty izay misy tononkalo zaraina aminareo mpitoraka blaogy, aingampanahy izy inty azo taorinan'ny namakiana ilay boky "Le Pouvoir du Moment Présent" an 'i Eckhart Tolle "Ny Ankehitriny Ihany" Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa Na...

FrancAfrique France 2

Inty misy documentaire momba ny FrancAfrique navokan'i France 2   http://haalli-poular.over-blog.com/ext/http://www.pluzz.fr/infrarouge--francafrique-.html

Rajakom-bazaha ? (Madagascar Tribune)

Inty misy lahatsoratra iray hitako tao amin'ny Tribune, tsy miombokevitra tanteraka aminy aho fa na izany aza misy zavatra marina sy lesona azo alaina. Rajakom-bazaha (Madagascar Tribune)    Jereo koa ny commentaire fa misy tena mahaliana mihintsy  

CRM any Arivonimamo

Inty misy lahatsoratra hita tao amin'ny Tribune , mitantara ny laminasa kasain'ny Croix Rouge malgache any Arivonimamo. Croix Rouge malgache et espagnole sur le terrain à Arivonimamo en faveur de l’eau et de l’hygiène  

Projet de société tsara

Tsy hoe manao resaka politika aho, fa amin'izaho mandalina ny fanamaitsoana izao, dia hitako hoe anisan'ny tetikasa tsara ity an'ny  Parti Vert hasin'i Madagasikara ity indrindra amin'ilay resaka fitsaboana araMalagasy, fiarovana ny olona, biby ny natiora ary ny...

Madagascar Bio

amin'ny fitiavako ny natiora moa dia nanokatra blaogy momba ny natiora, bio, ecolo sns aho. Koa zaraiko aminareo sao dia misy mahasoa, http://www.madagascar-bio.com/ .

Grippe A sy Vitamine D

Misy fikarohana milaza fa mety ho fiarovana amin'ny Grippe (Grippe A ihany koa), dia fahampiana Vitamine D anatin'ny vatana. Tsy mbola voaporofo io fa mbola eo ampikarohana. Ny haingana indrindra dia ny fivoahana fangalana masoandro mandritra ny 15 hatramin'ny 30 minitra...

Vita ny baolina

Ohatra paozipaozin'ny vita ny baolina a. Tena avolenta be ity raharaha any dago ity. Indray andro any angambany........

Tratry ny fety Serasera

Dia faly miarahaba sy misaotra an'i Hery ary ny serasera rehetra, tatry ny 10 taona . Izahay moa tsy afaka nanatrika ny hetsika fa raha misy manana sary dia mba zarazarao aminay Andriamanitra Andriananahary anie hitahy antsika rehetra no hatratry ny 10 taona manaraka indray e!

Alika Mivika

Inty misy alika mivika :-), aleo mba hasiana hehy kely.

090909

mba nahavariana ahy dia napetrako teto 09/09/09 :-)

Grippe A

Amiko manokana aloha dia tena mifono misitera mihintsy ity grippe A ity. Manontany tena aza aho hoe sao dia mba noforonina mihintsy izy inty mba hampadeha an'ireo orinasa mpanamboatra vakisiny. Raha ny vakisiny indray no resahina, dia izaho manokana aloha sy hanao, sady ohatra...

Fin du monde 2012

Lasa maresaka be amin'izao fotoana izao ny resaka hoe fin du monde 2012 . Ireto aza misy rohy ahitanao izany: - Misy film hivoaka mihintsy azany amin'ny volana novambra izao 2012 . - Maro koa ireo tranonkala mitantara an'izany, anisan'izany findumonde2012.fr .  ...

Malagasy Dream

Mety afaka hanofinofy ve isika indray andro any. indray 26 jiona, ho tanteraka ny Malagasy Dream .  Mbola tena hifety ny 26 jiona isika indray andro any.

Fanontaniana ho an'ny Kristianina?

Misy namako Musulman izay mba te hametraka fanontaniana amintsika Kristianina hono izy. Dia ireto omeko anareo ireto ilay Questions , tsy voatery hoe valiana daholo fa izay azonareo valiana dia mba valio, efa nalefako any amin'ny Pretra ihany koa ireo fanontaniana ireo.  ...

5 eme Dimension

Amin'izao fotoana dia Film resaka Renaissance no malaza sy mivoaka. Ireo olona Bodista no tena mandalina an'izy io.  Sendra nijerijery rohy teny za, dia nahita an'ity resaka 4 eme, 5 eme dimension ty, koa dia zaraiko aminareo. Misy hifandraisany amin'ilay Planete X...

Marina ve?

Sendra nijery vaovao tetsy sy teroa aho momba ny Islam (nijery ilay oronantsary Le Messagé), Judaism, Kristianisma sy ny maro hafa koa dia tonga tampoka tamin'ity rohy ity izany milaza fa angano ny resaka Mahomet.   Amiko manokana dia ilaina ny mivelatra miheno ny hevitry ny...

Lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara

Misy lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara, lalana tsotra nefa sarotra tanterahina dia ny fialana amin'ny BM, ONU, FMI,sns....  Miaraka miasa amin'ireo firenena malalaka tsy hananan'ny FMI,BM tanana, indrindra moa fa taorinan'ny fihaoanana G20 vao maika manana ny...

Madagasikara anio 17 martsa 1975

No comment

Franc macon tohiny sady farany

Inty ny tohiny sady farany am in'ilay resaka franc macon jereo eto....

Voazanaka indray gasikara

Anio 10 martsa 2009 ary aleo hofantatr'ireo taranaka faramandimby fa voazanaka indray i gasikara. Mafy loatra ny herin'izy ireo, tsy misy afatry ny firaisankinatsika Malagasy ihany no ahafantsika handresy ny fahavalo.    

Dago: Adin'ny Franc Macons roa

Raha natao ny fandalinana dia Franc Macons roa no miady ahazo an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao, noho ny fisian'ny petrole sy harena ambanin'ny tany. Ny iray manohana an'i Ravalomanana moa ny iray kosa manohana an'i Andry TGV.   raha andalina ny momba ny...

New World Order

Misy miteny hoe tsaho, misy mino ny fisiany, ka zaraiko aminareo eto izany hatao hoe New World Order. Raha fintinina dia ireo olombitsy ireo no miketritra hitondra ny tany. Miaraka amin'ny devoly izy ireo.  Ito misy rohy ahitana video ana Petra iray manazava an'izany, jereo...

TGV: handroso sa hihemotra?

Raha ny fahitako ity tantara ity dia raha mandroso TGV maty raibe, mihemotra maty renibe. raha mandroso amin'ny fifampirarahana izy izany hoe Ravalomanana mijanona filoha dia manao goveremanta iraisana dia ireo olona nanohana azy tsy hanaiky ary mety hivadika aminy mihintsy azany. Raha...

Potika Gasikara

Izao vao tena hoe potika gasikara . Asa ny taranaka any aoriana any raha ahavitra hanarina azy, fa raha izao fitrangan'izao aloha, miampy ny crise mondiale dia asa fotsiny izay hihafarany.

Madagasikara

Raha mbola misy firenena vahiny aorinan'izay mpitondra an'i Madagasikara dia tsy ho tafita mihintsy ny firenentsika. Mazava ho azy fa ny amerikana no aorinan'i Ra8 ary Lafrantsa no aorinan'i TGV . Tsy eto Madagasikara irery anefa no misy toejavatra ohatra an'izany fa...

Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay

          1- Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay           Handroso lalandava, handry fahizay.           Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,          ...

Aza miasa amin'ny gasy ihany

Nataoko ihany tsy hitantara azy kanefa aleoko lazaina eto ihany mba tsy hovoan'ny nahazo ahy ianareo. Nisy ihany ireo orinasa malagasy niasako taty andafy fa aleo dia tsorina fa misy ireo tena manambaka.Tsy vitan'ny hoe manambaka tamin'izany fa rehefa fantany  ianao hoe...

Mampanakarena?

Nisy boky nosoratan'i Napoléon Hill mitondra ny lohateny hoe Réfléchissez et devenez riche. Anisan'ny boky nahafinaritra azy izy io, marina hoe mbola tsy lasa mpanakarena aho :-), fa nanampy ahy betsaka teo amin'ny fiainana ahatongavana amin'ny tanjona...

Tia biby

Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra. Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns.... Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako...

Sao dia mahasoa anao?

Misy hetsika hatsoina hoe Le train pour l'emploi et de l'égalité des chances eraky Lafrantsa, natokana indrindra izay ho an'ny vahiny te hiasa eto lafrantsa. Eto ny rohy http://www.train-emploi.fr/

Tratry fety

Manao ahoana daholo Faly miarahaba antsika mpitoraka blaogy tratry ny Noely na dia somary taratara aza sy ho tratry ny taona vaovao 2008. Inty misy fampisehoana kely nataon'i Voromailala sy Ers , mety ahafinaritra ny havana sy ny namana raha manamboatra ohatra an'io ho azy koa...

Fandefasana Vola sy entana any dago

Amin'izao akatoky ny Noely sy ny taona vaovao izao dia efa mihamaro tokoa ireo tolotra amin'ny fandefasana entana, mety efa fantatry ny maro angambany ny  MondialProx .  Misy ihany koa ny vaovao toy ny Emadex izay ahafahanao mandefa entana ary mandefa vola ihany koa. ...

Tranonkala Mariazy

Efa vita soaman-tsara izany ny tranonkala mitantara ny mariazy, koa dia zaraina amintsika eto amin'ny serasera. Izahay mivady dia maneho fisaorana manokana an'i Hery (serasera) tamin'ny fanantotosana an'izany. rabe.fr

Resaka Bourse

Inty zany misy resaka kely mikasika ny Bourse . Voalaza matetika etsy sy eroa izy io, hoe CAC 40 , NASDAQ , nefa tsy fantatra tsara hoe inona no dikany. Koa inty aza misy tranonkala iray manazava tsara ny tena dikany, ary manazava ihany koa ny hatao hoe Broker .     

Les enfants du soleil à Madagascar

Asa raha fantatrareo ny enfants du Soleil fa fikambanana iray manampy ireo ankizy ny lalana.Avy aty andafy ny mpitantana azy io.Efa ela ihany izy io no efa tany madagasikara,jereo eto raha te ahafantatra izany ianao no sao dia misy azonao handraisana anjara.  Inty koa misy karazany...

Billet d'avion Gratuit

manao promotion be amin'izao ny Rayanair, dia manao billet d'avion gratuit, ka miazakazaha sao dia mba misy mahasoa, fa hatramin'izao izaho manoratra izao aloha mbola misy e. jereo eto .

Ary izay vao azoko!

Dimy taona izay no nipetrahako teto Frantsa, fa maro ireo zavatra hametrahako fanontaniana, anisan'izany ohatra ny fomba iray ahafahana miresaka sy mifandray tsara amin'ny vazaha. Asa ianareo na efa tratra ohatra ahy fa misy  fotoana rehefa miresaka amin'ny vazaha na vahiny...

Mpakasary Radio Vazogasy

Nifanena tamin'ny mpaka sarin'ny Radiovazogasy izahay omaly, raha sendra nitsidika ny Foire de Paris . Teo amin'ny Stand Art Andraina moa no nisy anay tamin'izay ary misy stand art malagasy ihany koa nanondidina teo.Efa harivariva efa hifarana ny Foara moa vao tonga ilay...

Fanamboarana Slide Gratos

Raha sendra nitsidika tranonkala tamin'ny aterineto aho dia nahita tranonkala fanamboarana Slide na sary. Azonao hatao ny manokatra na tsia compte ary maimaipoana izy io.Toy io hitanao eo ambany io ny fivoakan'ilay Slide .      RTN Photography

Blaogy : Ho an'ireo izay tia sakafo

Ho an'ireo izay olona tia misakafo any amin'ny restaurant , dia misy filaharan'ireo fisakafoanana tsara indrindra eran-tany inty. Ny Frantsay no  betsaka voatonona ao fa Espagne , sy Royaume - Uni no lohalaharana, koa aza misalasala azy mitondra namana na havana na...

Radio Blog

  Maro amintsika angamba no tia miheno hira amin'ny alalan'ny tranonkala . Raha hira gasy angambany aloha efa tsy lazaiko intsony satria efa misy ny radiovazogasy, sy ny maro hafa koa. Fa ny hatoroko anao dia tranonkala iray ahafahanao mitady hira izay tadiavinao (matetika)....

Orchidées de Madagascar

Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie . Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina...

Voromailala Président

Nisy olona tao nanamboatra an'ity ho ahy, hozaraiko aminareo fa misena, dia afaka hataonareo amin'ny namana sy havana ihany koa. jereo eto... 

Tranonkala Ahitana ny rehetra

Amin'izao fotoana izao mantsy dia voarara ny maka film na mozika amin'ny alalan'ireny fitaovana Peer2Peer ireny. Ny fataon'ny olona izany dia any amin'ny news groups no hametrahan-dry zareo ireo films, sady tsy voaramaso aloha hatramin'izao. Misy tranonkala iray izany manangona ireo lien...

Tratra ilay bandy sady voa blaogy

Ity misy raikitra iray mampiseho ny zavatra vitan'ny olombelona rehefa saro-piaro. Rariny ve satria ny nataon'ilay vehivavy, anjaranao angambany no mamantatra izany. Toy izao ilay tantara raha fintinina, nasian'ilay vehivavy camera tao amin'ny tranon'izy roa kely, dia tratrany en direct...

Willi Waller

Anisan'ny voaresaka etsy sy eroa ankehitriny na eto Frantsa na any kanada, karazana mpilalao antsehatra, ny masony sy ny vavany tena izy fa ny ambiny dia sary.Sady mampihomehy no mahafinaritra :-). Anisany nalaza tamin'ireny ity willi waller ity.

Voromailala sings Love Me Tender

Efa ela no nahafinaritra ahy ity hira ity Love Me Tender , dia tapaka ny hevitro fa hohiraiko hataoko tahiry. Revirevy manala azy fotsiny inty fa dia mazotoa mijery e!  

Ohatra ny amerikanina ny artista gasy

Raha sendra nijery ireo clip gasy tao amin'ny youtube aho dia gaga sy talanjona, fa tena lasa lavitra mihintsy ny artista malagasy, ohatran'ireny amerikanina ireny mihintsy. Ireto misy clip roa ohatra:  

WPF/E: Video Notre Dame Rouen

Ity misy video an'i Notre Dame ao Rouen, tsy tena ilay video loatra no tena aseho fa ilay teknolojia vaovao WPF/E (Windows Presentation Foundation / Everywhere). Izy io no fitaovana vaovao namboarin'i Microsoft hifaninana amin'ny Flash. Misy pluging kely 1mo eo hangatahiny hapetrakao...

CD/DVD Pazzapa 4 misy virus?

Misy olona iray izay sendra nijery CD na DVD Pazzapa 4 mbola tsy fantatro tsara fa amin'ny asabotsy no hijery an'ilay solosaina aho, fa vao namaky ilay CD tonga dia vizana ny solosaina. Nanjavona daholo ny birao sy ny menu sasantsasany. Mbola tsy fantatra hoe avy aiza ilay izy fa aleo...

Tranonkala masaka be!

Maro ihany ireo tranonkala efa hitako manao resaka dokambarotra sns, fa ity indray mitoraka ity kosa tena voatefy amin'ny antsakany sy andalany. Asa aloha ny hevitrareo fa amiko tena misaka be, mampiseho ny taratry ny American Marketing. Ity ny rohy raha hijery izany . 

Video:Nilalao wii tao ampesana

Efa akaiky ity ny fety dia mba hampifalifaly ny tato ampesana dia nentin'ny mpiandraikitra anay  ny wii-ny (kilalao vaovao an'i Nitendo). Napetraka ary ny retroprojecteur, dia raikitra ny lalao.Natao daholo ny Bowling, Golf, Tennis, Baseball, ary nofaranana tamin'ny Boxe. Ity ny rohy...

Momba ny Frantsay

Taorinan'ny fipetrahako sy vitsidihako ny ankamaronan'ny tanana teto Frantsa, dia toy izao no zavatra hitako sy tsapako momba ireo Frantsay. Arakaraka ny handehananao miakandrefana Atsimo (Sud-Ouest) dia mora ny fifandraisana amin'ireo vazaha. Any amin'iny ilany Atsinanana (Est) iny no...

Fangalana sary

Ny tontolon'ny sary dia anisan'ny zavatra goavana tokoa. Tsy vitan'ny hoe tafiditra ao anatin'ny efajoro fotsiny ilay tiana alaina dia vita, fa tena tantara lava be. Vao manomboka mandalina izaho io zao, ka zaraiko aminao ny zavatra vitsivitsy efa haiko.  Voalohany aloha dia ny fotoana,...

Tranonkalan'ireo mahihitra

Sendra nifanena tamin'ny olona mahihitra iray aho, dia nolazainy fa azo hatao ny mahazo zavatra maro maimaipoana toy ny carte de viste , santionan-dranomanitra   sy ny maro hafa koa. Dia nomeny ahy ary ilay rohy ny mahihitra, koa dia talanjona tokoa aho mahita ireo sosokevitra homen-dry...

Sary Mondial de l'auto 2006

Vao avy nijery ny salon Mondial de l'automobile teo tany amin'ny porte de versaille (Paris), tena feno fiara tsara no feno olona ihany koa, na dia lehibe aza ilay toerana nanaovana izany. Efa manomboka mandalina ny resaka sary moa ny tena ankehitriny dia nanararaotra naka sary, ka hozaraiko...

Fiantsoana maimaipoana sy mora eran-tany

Nahita zavatra iray vaovao aho, ary tena hafa mihintsy, tsy ohatra ny skype, na voipstunt, satria tsy mila mametraka logiciel amin'ny solosaina ianao fa omenao fotsiny ny nomerao fixe anao sy an'izany olona atsoinao, dia mifampiresaka amin'ny fixe ianareo avy eo. Fixe teto frantsa aloha no efa...

TGV 5 euros France

Amin'ny fetin'ny TGV dia manao promotion be ny SNCF. 5 euros ny billet n'aiza n'aiza alehanao 5 oktobra hatramin'ny 9 desambra izao. Manomboka amin'ny 12h ora antoandro izao ny fivarotana hatramin'ny sasakalina. Azonao hatao ny mividy eny amin'ny gara, na amin'ny internet vidy nety TGV ....

Mihinana chocolat, ajanony ny viagra

Taorinan'ny fanadihadiana hono, dia voalaza fa mampahazo aina ary mahatsara ny fifandraisana ara-nofo ny fihinana chocolat . Taloha isika rehefa manala CEP, na BEPC sns, dia hividianan'ny olon-dehibe chocolat , satria manatsara ny fiasan'ny atidoha koa izany.  Raha andalina ilay...

Miantso France Gratos

Afaka miantso aty France maimaipoana ianao raha manana Skype amin'ny solosainao. Tsy mandoa vola na ariary azany. Mety aharitra hatramin'ny faran'ity taona ity izany. 

Video : Fihaonana serasera paris

Avy nanatrika ny fihaonana serasera paris izahay io, nahafinaritra tokoa satria maro dia maro ny olona tonga. Tao ny fanalana hetaheta, dihy, tono hena sy ny maro hafa koa. Ity ny sombiny rakitra video fihaonana serasera .

Video: Tsidika Marseille

Andeha ary ianao entiko mitsidika an'i Marseille, mihainga eny amin'ny Port ka tonga hatrany amin'ny Notre Dame de la Garde. Arahina tantara vitsivitsy momba an'i Marseille. Mazotoa ary mijery ny Video tsidika Marseille 

Histoire de Madagascar

Asa ianareo na ohatra ahy, fa tena betsaka ny zavatra tsy mbola fantatro momba ny firenentsika. Fantapatatro fotsiny hoe misy avy any afrika sy indonezia fa ny fiteny ohatra dia misy nalaina tamin'ny Bantou ihany koa. Ity misy rohy Histoire de Madagascar ahitanao ireo famintinana momba izany.

Audio: tsiambaratelon'ny fandresena

Ity misy horonam-peo manoro ny lalana tokony arahina eo amin'ny fiainana raha te hotafita. Tafiditra ao anatin'ny sokajy pensée positive izy ity.    

Video Zizou

Ity misy video mampiseho ilay coup de tete nataon'i Zidane tamin'ny finale ny coupe du monde teo. Tena nitselatra nisy afo kely mihintsy ilay izy. Zi End

Dago:Inona no tokony hatao?

Inona no tokony hatao mba ahatafita an'i Madagasikara? raha mba afaka milaza ny hevitrao ianao miaraka amin'ny sehatra misy anao (ohatra: Economie,Gestion,Droit,Agro,Medecine,Informatique,.....) izaho ohatra amin'ny resaka informatika, dia ADSL no hitako hoe lalana iray, satria ho maro ireo...

Miantso Gratos Madagasikara

  Ity misy hirika iray ahafahanao miantso gratos makany madagasikara. Asa aloha na hoe bug ve izy ity na promotion fa dia araraoty dia mbola mandeha. Ahoana no hatao? 1° - Maka ilay logiciel   VoipStunt dia hapetraka anaty solosaina 1°- avy eo miantso numeo coucoutel...

Finale Bresil vs Allemagne

Bresil sy Allemange zao no noeritreretiko hoe hanao famaranana amin'ity coupe du monde ny foot ity. Maro aloha ny ekipa hoe hitako mahay fa ohatra ireo roa ireo no vinavinako. ary iza ny anao?

The art of war

 Inty misy boky amin'ny tranonkala anisany malaza nefa efa ela be no nanoratan'i Sun Tzu azy.  The art of war , anisan'ny boky hampianarina eny amin'ny ivotoerana politika izy ity. Raisina amin'ny hevitra ara-filozofika fa tsy ara-traikefa, satria zavatra efa tamin'ny andro efa...

Clé USB Tuner TNT

Amin'izao fotoanan'ny coupe du monde foot izaho, dia maro ny fomba azo hijerena ireo match: TV,Internet,fa ny fomba iray hatoroko anao dia fampiasana ilay clé USB Tuner TNT. Hatsatokao amin'ny solosaina,raha manana portable ianao vao maika tsara satria afaka miijery izany n'aiza n'aiza...

Ny Dikan'ireo fihetsika

Raha ny firesaka no zoina dia voalaza fa 80% ny zavatra lazaina dia hita avy amin'ny fihetsika daholo. Ry zareo amerikanina moa dia tena mandalina an'izy io, ka ireto ny fihetsika telo miaraka amin'ny dikany. Misafo ny volo any aoriana : midika hono matetika fa tsy mahazo aina ilay olona...

Video Tononkalo Caramail

Ity misy tononkalo iray izay nosoratako naraikitra ho video. Ny mahasamihafa azy amin'ireo video tononkalo izay vita teo aloha dia ers no mivetso azy. Video tononkalo Caramail   

Ireo boky famakiko

Zaraiko aminareo eto ireo boky famakiko,izay hitanareo amin'ny alalan'ireo sary voatondro ery ambany ery. Boky momba ny intelligence emotionnelle fotsiny angambany no tsy ao satria mbola nisy nindrana. Mazotoa ary mijery e! Boky 01  Boky 02   

Ny sakafo mety amin'ny vatana

Amin'izao andro fandrosoan'ny teknolojia izao dia izay mahamora ny fiainana no hatao tanjona matetika. Misy ohatra ireo vary 3 minitra dia masaka, fast food sy ny maro anisa. Raha hatao anefa ny fandinihana dia tsy mitondra otrik'aina hoan'ny vatantsika ireny sakafo mora vita ireny. Matetika...

Tratry ny fety ireo Reny rehetra

aza hadino ny miarahaba ireo reny rehetra izay fantatrao. Na dia mandefa sms na mailaka fotsiny azany. Izaho moa dia faly miarahaba ireo reny rehetra eto amin'ny serasera, manaova fety sambatra.   Voromailala 

sarin'i Voromailala

Efa ela ihany izy ity no napetrako fa mba tsy ahavery azy dia hapetrako eto ny rohy. Izaho amin'ny maha voromailala ahy dia tia mandehadeha, ka ity ny rohy raha hijery ireo sary tamin'ireo toerana isan-karazany Sary Voromailala   

Ny "Intelligence émotionnelle"

Hatramin'izay moa dia ny "intelligence rationnelle" foana no matetika voaresaka, izany hoe resaka QI izany. Raha dinihana anefa ny fiainana andavanandro dia tsy ampy ny fanana QI ambony, fa hilaina ihany koa ny fahaizana mifandray aman'olona, mifehy tena, mampahery tena raha...

Fomba firesahana amin'ny olona

Taibi Kahler  dia psy amerikana anisan'ireo  mpandinika ny fifandraisana amin'ny olona. Anisan'ny zavatra nahafinaritra ahy nolazainy dia hoe azo zaraina 6 ny toetran'ny olona.Rehefa fantatrao hoe iza amin'ireo ianao, na ny olona miresaka amiko dia hatorony anao ny fomba...

Misaotra anao nitsidika

Misaotra anao nitsidika ny blaogy RTN. Iza mitambatra vao , izay misaraka fasika.

Tonga soa voromailala!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb