BLAOGY RTN

Ny sakafo mety amin'ny vatana

voromailala | 31 Mey, 2006 10:11

Amin'izao andro fandrosoan'ny teknolojia izao dia izay mahamora ny fiainana no hatao tanjona matetika. Misy ohatra ireo vary 3 minitra dia masaka, fast food sy ny maro anisa.

Raha hatao anefa ny fandinihana dia tsy mitondra otrik'aina hoan'ny vatantsika ireny sakafo mora vita ireny. Matetika ireo olona amin'ny firenana mandroso no tratran'izany. Raha fintinina raha any amin'ny tany andalampandrosoana ianao no matavy dia lazain'ny olona fa tafita izay satria milamina ny saina voky sakafo tsara.

Fa raha amin'ny tany mandroso koa dia ireo olona antonony somary kelikely no manakarena satria matetika ny sakafo tsy mampatavy dia lafo vidy avokoa.

Tsy voatery marina foana anefa izany fa araky ny voalazan'i Michel Montignac ao amin'ny boky izay nosoratany mitondra ny lohateny hoe "Je mange donc je maigris...et je reste mince!" dia azonao tokoa ny mitana ny habehanao any amin'ny tany mandroso raha manaraka fepetra vitsivtisy ianao.

- Ahena ny fihinanana siramamy fa jus 100% foana no sotroina

- Raha azo hatao dia tsy mihinana ovy indrindra fa ny ovy frity 

- Mofo raha azo hatao dia hatao pain complet

- 30 minitra alohan'ny sakafo no hohanina ny voankazo, aza dia mihinana ankondro be loatra

Raha fintinina dia hatao izay hinanana zavatra natioraly tsy mbola nisedra fanovana tany amin'ny orinasa.

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb