BLAOGY RTN

Ny Ankehitriny Ihany

voromailala | 13 Aprily, 2012 20:49

Inty izay misy tononkalo zaraina aminareo mpitoraka blaogy, aingampanahy izy inty azo taorinan'ny namakiana ilay boky "Le Pouvoir du Moment Présent" an 'i Eckhart Tolle
"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra an' ilay  fandresena

Fa "Ny Ankehitriny Ihany" aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa

Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
"Ny Ankehitriny Ihany" no aoka hiroso

Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny Ankehitriny Ihany"

Nari RABE 13/04/2012

 


Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb