BLAOGY RTN

Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay

voromailala | 28 Janoary, 2009 08:54

          1- Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay
          Handroso lalandava, handry fahizay.
          Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
          Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

 2- Ireo mpitondranay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
 Dia ho tany sambatra, ilay Madagaskaranay.

3- Ny taranakay tahio ho vanona tokoa;
Ireo no solofo, dimby, rahatrizay
Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb