BLAOGY RTN

Aza miasa amin'ny gasy ihany

voromailala | 15 Oktobra, 2008 20:49

Nataoko ihany tsy hitantara azy kanefa aleoko lazaina eto ihany mba tsy hovoan'ny nahazo ahy ianareo.

Nisy ihany ireo orinasa malagasy niasako taty andafy fa aleo dia tsorina fa misy ireo tena manambaka.Tsy vitan'ny hoe manambaka tamin'izany fa rehefa fantany  ianao hoe netinety ny natao taty aoriana tadiaviny hosakana amin'izay hatao.

Inty iray lazaiko anareo ty dia nahavatra niantso tany amin'ny tompon'andraikitra ny tranonkala iray nametrahako ny cvko nanambara fa: mampitombo resaka aho momba ny asa natao tao amindry zareo.

Ampahatsorana moa dia nampilaza ahy ilay tompon'andraikitra koa dia gaga sy talanjona ny tena, ory havamanana ve sa efa be ny alahelo ka zay vao nilatsaka?

voaporofo nefa fa marina daholo ireo zavatra nolazaiko satria voasoratra tao anaty taratasim-pajakana (minisiteran'ny asa).

Tena mampalahelo raha ohatra an'izany no toetsaina.

 

 

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb