BLAOGY RTN

Fangalana sary

voromailala | 04 Novambra, 2006 17:50

Ny tontolon'ny sary dia anisan'ny zavatra goavana tokoa. Tsy vitan'ny hoe tafiditra ao anatin'ny efajoro fotsiny ilay tiana alaina dia vita, fa tena tantara lava be.

Vao manomboka mandalina izaho io zao, ka zaraiko aminao ny zavatra vitsivitsy efa haiko.

 Voalohany aloha dia ny fotoana, vao maraina mangiran-dratsy na harivariva mody masoandro iny no tsara hangalana sary, satria miseho avokoa ny endriky ny natiora rehetra. Raha amin'ny atoandro mantsy dia lasa mifotetaka ny sary, indrindra fa raha gasy no alaina, isika efa peta-korona raha teo :-).

Toy izany koa ny Flash, hatao zay tsy hiantefan'ny hazavana eny amin'ny endrik'ilay olona izay halaina.Asa raha tsikaritrareo fa rehefa maka sary tapaka ireny isika, dia misy elo ao anatin'ilay studio. Ireny no hatao mba hampalefaka ny hazavana. 

Rehefa maka sary amin'ny alina kosa ianao dia hezahina ny tsy hampihetsiketsika ny fankatsary manjary lasa manjavozavo ny sary halaina, matetika ireo efa manana traikefa amin'ity taranja ity mampiasa tongony.

Ary farany raha tianao hasiana hadiry ny sary azo na koa hoe tianao hovahovaina ny asamarika amin'ny fangalana sary, dia mila mampiasa fitaovana Reflex ianao.

Ny fangalana sary Compact mantsy izay hampisaintsika andavan'andro dia tsy ahafahana milalao ny hadiry.

Ity misy sary iray mampiseho izany resaka hadiry izany.

 

Misy fanazavana hafa ihany koa ato amin'ity blaogy asasary natokako ity azonao jerena, miresaka manokana momba ny sary.

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb