BLAOGY RTN

Grippe A

voromailala | 03 Septambra, 2009 08:06

Amiko manokana aloha dia tena mifono misitera mihintsy ity grippe A ity.

Manontany tena aza aho hoe sao dia mba noforonina mihintsy izy inty mba hampadeha an'ireo orinasa mpanamboatra vakisiny.

Raha ny vakisiny indray no resahina, dia izaho manokana aloha sy hanao, sady ohatra zavatra natao maimaika, no koa matetika ny vakisiny maro indra hatao misy olana foana, polio, hepatita sns...

 Hevitro manokana ireo voalazako eo ambony ireo.

Ny tena henjana amin'izy inty dia afaka mifindra sy velona foana na dia amin'ny andro mafana azany, volana martsa tany mexique andro mafana nefa nisy ary nifindra izy inty.

Ka tokony ho mailo ihan isika any madagasikara fa na dia hafana aza ny andro mety mbola hisy foana izy io.

Ireto misy  fitandremana tokony hatao sy mombamomba azy io.

 

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb