BLAOGY RTN

Dago: Adin'ny Franc Macons roa

voromailala | 08 Martsa, 2009 22:14

Raha natao ny fandalinana dia Franc Macons roa no miady ahazo an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao, noho ny fisian'ny petrole sy harena ambanin'ny tany.

Ny iray manohana an'i Ravalomanana moa ny iray kosa manohana an'i Andry TGV.

 

raha andalina ny momba ny Fran maçonnerie any dago ianao dia inty ny rohy

 http://gltsm.ifrance.com/gltsm/

 

New World Order

voromailala | 02 Martsa, 2009 15:01

Misy miteny hoe tsaho, misy mino ny fisiany, ka zaraiko aminareo eto izany hatao hoe New World Order.

Raha fintinina dia ireo olombitsy ireo no miketritra hitondra ny tany. Miaraka amin'ny devoly izy ireo.

 Ito misy rohy ahitana video ana Petra iray manazava an'izany, jereo eto....

 Ny fanontaniana mipetraka hoe efa tonga any Gasikara ve izy ireo?

 

TGV: handroso sa hihemotra?

voromailala | 25 Febroary, 2009 10:41

Raha ny fahitako ity tantara ity dia raha mandroso TGV maty raibe, mihemotra maty renibe.
raha mandroso amin'ny fifampirarahana izy izany hoe Ravalomanana mijanona filoha dia manao goveremanta
iraisana dia ireo olona nanohana azy tsy hanaiky ary mety hivadika aminy mihintsy azany.

Raha ohatra ka hihemotra indray izy, hiverina eny amin'ny 13 mai ka hanohy ny dia makeny Iavoloha na Mahazoarivo dia mety hisy faty olona indray.

Koa inona aza no mety hovahaolana?
eo indrindra isika zao.

Potika Gasikara

voromailala | 19 Febroary, 2009 15:28

Izao vao tena hoe potika gasikara. Asa ny taranaka any aoriana any
raha ahavitra hanarina azy, fa raha izao fitrangan'izao aloha, miampy ny
crise mondiale dia asa fotsiny izay hihafarany.

Madagasikara

voromailala | 12 Febroary, 2009 21:21

Raha mbola misy firenena vahiny aorinan'izay mpitondra an'i Madagasikara dia tsy ho tafita mihintsy ny firenentsika.

Mazava ho azy fa ny amerikana no aorinan'i Ra8 ary Lafrantsa no aorinan'i TGV.

Tsy eto Madagasikara irery anefa no misy toejavatra ohatra an'izany fa eran-tany mihintsy.

Rahoviana i Gasikara no ahaleon-tena?

 

Novoizina efa hatrany amboalohany ny adim-poko, fanavahana eo amin'ny Merina sy ny Tanindrana,

mba ahatongavana amin'ilay hoe zarazarao hanjakana.

Raha tsy mitambatra miraihina tanteraka ny Merina sy ny tanindrana dia tsy hotafita mihintsy i Gasikara.

 

hoy koa i Rado zay hoe hotafita isika Malagasy rehefa ny teny Malagasy no hampiasaintsika amin'ny rehetra.

 

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb