BLAOGY RTN

Willi Waller

voromailala | 27 Janoary, 2007 16:00

Anisan'ny voaresaka etsy sy eroa ankehitriny na eto Frantsa na any kanada, karazana mpilalao antsehatra, ny masony sy ny vavany tena izy fa ny ambiny dia sary.Sady mampihomehy no mahafinaritra :-).
Anisany nalaza tamin'ireny ity willi waller ity.

Voromailala sings Love Me Tender

voromailala | 22 Janoary, 2007 21:40

Efa ela no nahafinaritra ahy ity hira ity Love Me Tender, dia tapaka ny hevitro fa hohiraiko hataoko tahiry. Revirevy manala azy fotsiny inty fa dia mazotoa mijery e!

 

Ohatra ny amerikanina ny artista gasy

voromailala | 18 Janoary, 2007 17:04

Raha sendra nijery ireo clip gasy tao amin'ny youtube aho dia gaga sy talanjona, fa tena lasa lavitra mihintsy ny artista malagasy, ohatran'ireny amerikanina ireny mihintsy.

Ireto misy clip roa ohatra:

 

WPF/E: Video Notre Dame Rouen

voromailala | 09 Janoary, 2007 22:20

Ity misy video an'i Notre Dame ao Rouen, tsy tena ilay video loatra no tena aseho fa ilay teknolojia vaovao WPF/E (Windows Presentation Foundation / Everywhere).

Izy io no fitaovana vaovao namboarin'i Microsoft hifaninana amin'ny Flash.

Misy pluging kely 1mo eo hangatahiny hapetrakao amin'ny voalohany dia afaka mijery tranonkala mampiasa WPF/E foana amin'izay ianao.