BLAOGY RTN

Grippe A sy Vitamine D

voromailala | 23 Novambra, 2009 10:14

Misy fikarohana milaza fa mety ho fiarovana amin'ny Grippe (Grippe A ihany koa), dia fahampiana Vitamine D anatin'ny vatana.

Tsy mbola voaporofo io fa mbola eo ampikarohana. Ny haingana indrindra dia ny fivoahana fangalana masoandro mandritra ny 15 hatramin'ny 30 minitra isan'andro dia ampy ahazafoana an'izany vitamine D ilain'ny vatana izany.

Ny olana anefa dia rehefa rinina aty amin'ny ilany Atsinanana dia tsy dia misy masoandro firy. Ao moa ny misy manome sosokevitra amin'ny fampiasana Ampoule Bio Light ao koa ny manoro ny fihinana trondro matavy toy ny Saumon, Thon, Sardine,maquereau sy ny maro hafa koa.

 Inty misy lahatsoratra mitantara an'izany.

Ny fiharovana tsara indrindra moa lazaina etsy sy eroa dia ny fanaovana vakisiny, nefa misy resabe momba an'ilay vakisiny misy adjuvant.

 

 

 

Vita ny baolina

voromailala | 09 Oktobra, 2009 09:53

Ohatra paozipaozin'ny vita ny baolina a. Tena avolenta be ity raharaha any dago ity.

Indray andro any angambany........

Tratry ny fety Serasera

voromailala | 03 Oktobra, 2009 12:21

Dia faly miarahaba sy misaotra an'i Hery ary ny serasera rehetra, tatry ny 10 taona.

Izahay moa tsy afaka nanatrika ny hetsika fa raha misy manana sary dia mba zarazarao aminay

Andriamanitra Andriananahary anie hitahy antsika rehetra no hatratry ny 10 taona manaraka indray e!

Alika Mivika

voromailala | 24 Septambra, 2009 09:20

Inty misy alika mivika :-), aleo mba hasiana hehy kely.

090909

voromailala | 09 Septambra, 2009 11:47

mba nahavariana ahy dia napetrako teto 09/09/09 :-)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb