BLAOGY RTN

Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

voromailala | 05 Jiona, 2012 13:30

Akory ny ahagagako fa mihamaro ireo tanora no tratran'ny "Hypertension" any Madagasikara, toy ny aty amin'ny tany mandroso.Marina hoe eo ny fihazakazahan'ny fiainana fa eo ihany koa ny sakafo hohanina, indrindra ireo karazana sira hamidy any antoerana misy be Ioda.

Na ny ankizy koa amin'izao fotoana dia lasa misy aretikoditra noho ireny sakafo nafarana avy aty ivelany ireny toy ireony cheese balls sy ny maro hafa koa, satria feno conservateur sy produits chimiques isan-karazany.

Fa ny tena nanaitra ny masoko raha nitondro Biscuits vita ny orinasa Malagasy any antoerana ny fianakaviana tonga nitsidika taty, dia feno zavatra tsy natioraly, ilay manomboka amin'ny E... ireny ilay izy.

Izaho moa izany efa ela no nandalina an ity resaka sakafo natioraly ity ka sao dia mahasoa ny fianakaviana any Dago, na ianareo izay aty dago dia mba jereo ity rohy ity, fa manoro anao hoe ahoana ny ahafantarana fa tsara na ratsy hoan'ny fahasalamanao ilay sakafo.

Hevitra

Re: Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

mammysou | 06/06/2012, 15:16

Tena manimba ny fahasalamana vetivety mihitsy ny fitobak'ireo sakafo avy any ivelany, indrindra taorian'izay nahapotika an'i Tiko Vita Malagasy izay.

Mitobaka daholo zao na ny menaka,ny dibera, sns,... tsy lazaina intsony koa ny biscuit maro isan-karazany! tsy hita intsony indraindray izay atao gouter an-jaza
Misaotra @ fampatsiahivina ee!!

Re: Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

raprôsy | 07/06/2012, 16:33

Manomboka amin'ny "E..." ahoana moa ilay zavatra tsy natoraly?

Re: Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

voromailala | 08/06/2012, 21:25

voromailala

mammysou> dia ilay biscuit sy karazana ships gouté anjaza mihintsy no tena mpalahelo.

raprôsy> amin'ny ingredients misotra amin'ny fonona biscuits, na sakafo isan-karazany no ahitana azy.
Additif alimentaire, E236 ohatra zao Acide formique.
Misy hanovana loko ny sakafo, hitahirizana azy ela kokoa sns...

Re: Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

Kdaombaramita | 09/06/2012, 15:25

Efa ela no betsaka matin'ny hypertension ny fianakaviako, tamin'ny mbola tsy nitobaka ny sakafo avy any ivelany. Fa tamin'ny niandohan'ny fahasarotam-piainana, tamin'ny andron'i Ratsiraka KA izaho mino fa noho io no antony lehibe mahatonga ny hypertension, sahirana ny saina ka mitobaka ny tosi-drà. Tsy dia azo lazaina fa betsaka ny aty ivelany ireny no tsy matin'io fa kosa matin'ny cancer. Ny tiako lazaina dia matetika olona sahiran-tsaina no tratran'io, miampy ny fihinanana sira be loatra.

Re: Mihamaro ireo sakafo manimba any Dago

Voromailala | 12/06/2012, 20:53

Kdaombaramita> misy fahamarinana mihintsy izany lazainao izany. na sakafo na tsy filaminantsaina no tena mampiakatra ny tosidra.
ary ireo sakafo tsy bio dia aisany mahavoa ny cancer ihany koa. Jereo anie biscuit vita orinasan malagasy, tsy hanonona marka fa farafahakeliny misy Exxx anakiroa 2.

sao dia mahasoa fa zaraiko eto, ity ny zavatra fampiasan'ireo Trader eto frantsa mba mampiliamina saina azy ireo rehefa tena mikirakira amina milliard izy ireo

http://au-naturel-debutant.com/passe-moment-present-futur/

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb