voromailala | 27 Aprily, 2007 19:04
Raha sendra nitsidika tranonkala tamin'ny aterineto aho dia nahita tranonkala fanamboarana Slide na sary.
Azonao hatao ny manokatra na tsia compte ary maimaipoana izy io.Toy io hitanao eo ambany io ny fivoakan'ilay Slide.
voromailala | 24 Aprily, 2007 15:35
Ho an'ireo izay olona tia misakafo any amin'ny restaurant, dia misy filaharan'ireo fisakafoanana tsara indrindra eran-tany inty.
Ny Frantsay no betsaka voatonona ao fa Espagne, sy Royaume-Uni no lohalaharana, koa aza misalasala azy mitondra namana na havana na sipa amin'izany, rehefa misy fety (na tsy voatery fety azany).
voromailala | 18 Aprily, 2007 22:09
Maro amintsika angamba no tia miheno hira amin'ny alalan'ny tranonkala. Raha hira gasy angambany aloha efa tsy lazaiko intsony satria efa misy ny radiovazogasy, sy ny maro hafa koa.
Fa ny hatoroko anao dia tranonkala iray ahafahanao mitady hira izay tadiavinao (matetika). Mazotoa ary mitady ary miheno izay hira tianao ao amin'ny radioblogclub
voromailala | 07 Aprily, 2007 20:42

Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie.
Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina amin'ny teny Malagasy,Frantsay ary anglisy.
Tsy naharitra koa ny tena fa dia nentina nanaraka ny fankana sary, koa manasa anao hijery ireo sary eto Orchidées de Madagascar.
| « | Aprily 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||