voromailala | 14 Mey, 2008 12:16
Nisy boky nosoratan'i Napoléon Hill mitondra ny lohateny hoe Réfléchissez et devenez riche. Anisan'ny boky nahafinaritra azy izy io, marina hoe mbola tsy lasa mpanakarena aho :-), fa nanampy ahy betsaka teo amin'ny fiainana ahatongavana amin'ny tanjona hiriana.
Ny famakiana an'izy io no nahatonga ahy nanoratra ilay tononkalo hoe Tsiambaratelon'ny fandresana.
Jerijereo ihany sao dia mahasoa anao io boky io, eto misy fanontaniana vitsivitsy ahafantaranao hoe manaraka ny lalan'ny fahombiazana ve ianao.
Dia mazotoa ary mamaky e, dia aza adino za rehefa lasa mpanakarena ianao :-)
voromailala | 02 Mey, 2008 08:58
Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra.
Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns....
Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako anaty tranonkala ato amin'ny asasary.com.
Raha tsy mbola misy silverlight ny PC-nao, dia mety hangatahany hapetraka, vetivetika ihany zany. Indray mandeha ihany ianao mametraka azy io dia afaka mijery ireo site vita amin'ny silverlight rehetra.
| « | Mey 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |