voromailala | 14 Mey, 2008 14:16
Nisy boky nosoratan'i Napoléon Hill mitondra ny lohateny hoe Réfléchissez et devenez riche. Anisan'ny boky nahafinaritra azy izy io, marina hoe mbola tsy lasa mpanakarena aho :-), fa nanampy ahy betsaka teo amin'ny fiainana ahatongavana amin'ny tanjona hiriana.
Ny famakiana an'izy io no nahatonga ahy nanoratra ilay tononkalo hoe Tsiambaratelon'ny fandresana.
Jerijereo ihany sao dia mahasoa anao io boky io, eto misy fanontaniana vitsivitsy ahafantaranao hoe manaraka ny lalan'ny fahombiazana ve ianao.
Dia mazotoa ary mamaky e, dia aza adino za rehefa lasa mpanakarena ianao :-)
voromailala | 02 Mey, 2008 10:58
Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra.
Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns....
Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako anaty tranonkala ato amin'ny asasary.com.
Raha tsy mbola misy silverlight ny PC-nao, dia mety hangatahany hapetraka, vetivetika ihany zany. Indray mandeha ihany ianao mametraka azy io dia afaka mijery ireo site vita amin'ny silverlight rehetra.
voromailala | 23 Febroary, 2008 11:38
Misy hetsika hatsoina hoe Le train pour l'emploi et de l'égalité des chances eraky Lafrantsa, natokana indrindra izay ho an'ny vahiny te hiasa eto lafrantsa.
Eto ny rohy http://www.train-emploi.fr/
voromailala | 30 Desambra, 2007 21:20
Manao ahoana daholo
Faly miarahaba antsika mpitoraka blaogy tratry ny Noely na dia somary taratara aza sy ho tratry ny taona vaovao 2008.
Inty misy fampisehoana kely nataon'i Voromailala sy Ers, mety ahafinaritra ny havana sy ny namana raha manamboatra ohatra an'io ho azy koa ianareo. Araho fotsiny ny tranonkala dia hatorony anareo ny tokony hatao.
voromailala | 10 Novambra, 2007 10:25
Amin'izao akatoky ny Noely sy ny taona vaovao izao dia efa mihamaro tokoa ireo tolotra amin'ny fandefasana entana, mety efa
fantatry ny maro angambany ny MondialProx.
Misy ihany koa ny vaovao toy ny Emadex izay ahafahanao mandefa entana ary mandefa vola ihany koa.
Misy ihany koa tapaka sy namana any madagasikara Dispo'Serv izay manome tolotra mofomamin'ny Noely. Marihana moa fa ry zareo ireo no nanao ny mofomamy ny mariazinay.
Maromaro any zavatra tahaka an'itony, satria mijanona antsika Malagasy ny tombotsoa.
| « | Jiona 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||