voromailala | 28 Aprily, 2013 12:51
Salama daholo
Inty misy fampianarana Mopera Jezoita mahaliana tokoa (15 minitra eo ny faharetany).
voromailala | 23 Febroary, 2013 12:55
Inty misy tononkalo kely momba ny Fahasambarana zaraina sy hatolotra ansika mpitoraka blaogy.
Mazotoa azany mamaky.
Fahasambarana
Ilay Fahasambarana voajanahary
Dia Hasambarana avy ao anaty
Tsy misy rohy toy ny voambary
Fa ao am-po tsy mety maty
Nahazo ny anjarany avokoa
Isika rehetra eto an-tany
Na mpanota na mpanasoa
Hatrany ampiandohany
Indrisy anefa fa voatotora
Fitiavan-karena sy voninahitra
Ka nanjary feno lomitra
Ilay fitiavan'Andriamanitra
Koa diovy re, ilay Fo
Ary hampitonio koa ny saina
Hampiverina azy hifoha
Hadaozany an-draKarakaina
(Voromailala 23/02/2013)
http://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/fahasambarana
voromailala | 01 Febroary, 2013 11:22
Manomboka tonga saina tsikelikely ny olombelona eto an-tany, noho ny fitomboan'ny adiady sy fijaliana eto antany.
Ka nahatonga ahy niheno ny feo ao anatiko mankany amin'ny tena "fahamarinana", tsy inona izany fa ny fampiharana ny "Pleine Conscience".
Amin'izao fotoana izy io dia efa hampasain'ny orinasa maro andalampandrosoana, na ihany koa any Madagasikara amin' ireny banky ireny, fa amin'ny dingana voalohany izany hoe "relaxation".
Fa azonao hatao anefa ny manohy izany ka lasa spirituel, anisan'izany ohatra ny théosophie izay mpianatra tao anatin'izany i Pape Jean Paul II alohan'ny naha Eveka azy.
Aoka ianao irery no hitady ny fahamarinana fa tsy hiankina amin'ny lalana napetraky ny olombelona.
voromailala | 05 Jiona, 2012 13:30
Akory ny ahagagako fa mihamaro ireo tanora no tratran'ny "Hypertension" any Madagasikara, toy ny aty amin'ny tany mandroso.Marina hoe eo ny fihazakazahan'ny fiainana fa eo ihany koa ny sakafo hohanina, indrindra ireo karazana sira hamidy any antoerana misy be Ioda.
Na ny ankizy koa amin'izao fotoana dia lasa misy aretikoditra noho ireny sakafo nafarana avy aty ivelany ireny toy ireony cheese balls sy ny maro hafa koa, satria feno conservateur sy produits chimiques isan-karazany.
Fa ny tena nanaitra ny masoko raha nitondro Biscuits vita ny orinasa Malagasy any antoerana ny fianakaviana tonga nitsidika taty, dia feno zavatra tsy natioraly, ilay manomboka amin'ny E... ireny ilay izy.
Izaho moa izany efa ela no nandalina an ity resaka sakafo natioraly ity ka sao dia mahasoa ny fianakaviana any Dago, na ianareo izay aty dago dia mba jereo ity rohy ity, fa manoro anao hoe ahoana ny ahafantarana fa tsara na ratsy hoan'ny fahasalamanao ilay sakafo.
voromailala | 13 Aprily, 2012 20:49
voromailala | 18 Desambra, 2010 10:37
Inty misy documentaire momba ny FrancAfrique navokan'i France 2
http://haalli-poular.over-blog.com/ext/http://www.pluzz.fr/infrarouge--francafrique-.html
voromailala | 02 Aogositra, 2010 11:01
Inty misy lahatsoratra iray hitako tao amin'ny Tribune, tsy miombokevitra tanteraka aminy aho fa na izany aza misy zavatra marina sy lesona azo alaina.
Rajakom-bazaha (Madagascar Tribune)
Jereo koa ny commentaire fa misy tena mahaliana mihintsy
voromailala | 29 Jolay, 2010 08:18
Inty misy lahatsoratra hita tao amin'ny Tribune, mitantara ny laminasa kasain'ny Croix Rouge malgache any Arivonimamo.
Croix Rouge malgache et espagnole sur le terrain à Arivonimamo en faveur de l’eau et de l’hygiène
voromailala | 06 Mey, 2010 11:47
Tsy hoe manao resaka politika aho, fa amin'izaho mandalina ny fanamaitsoana izao, dia hitako hoe anisan'ny tetikasa tsara ity an'ny Parti Vert hasin'i Madagasikara ity
indrindra amin'ilay resaka fitsaboana araMalagasy, fiarovana ny olona, biby ny natiora ary ny tontolo iainana.
voromailala | 08 Desambra, 2009 12:31
amin'ny fitiavako ny natiora moa dia nanokatra blaogy momba ny natiora, bio, ecolo sns aho.
Koa zaraiko aminareo sao dia misy mahasoa, http://www.madagascar-bio.com/.
voromailala | 23 Novambra, 2009 10:14
Misy fikarohana milaza fa mety ho fiarovana amin'ny Grippe (Grippe A ihany koa), dia fahampiana Vitamine D anatin'ny vatana.
Tsy mbola voaporofo io fa mbola eo ampikarohana. Ny haingana indrindra dia ny fivoahana fangalana masoandro mandritra ny 15 hatramin'ny 30 minitra isan'andro dia ampy ahazafoana an'izany vitamine D ilain'ny vatana izany.
Ny olana anefa dia rehefa rinina aty amin'ny ilany Atsinanana dia tsy dia misy masoandro firy. Ao moa ny misy manome sosokevitra amin'ny fampiasana Ampoule Bio Light ao koa ny manoro ny fihinana trondro matavy toy ny Saumon, Thon, Sardine,maquereau sy ny maro hafa koa.
Inty misy lahatsoratra mitantara an'izany.
Ny fiharovana tsara indrindra moa lazaina etsy sy eroa dia ny fanaovana vakisiny, nefa misy resabe momba an'ilay vakisiny misy adjuvant.
voromailala | 09 Oktobra, 2009 09:53
Ohatra paozipaozin'ny vita ny baolina a. Tena avolenta be ity raharaha any dago ity.
Indray andro any angambany........
voromailala | 03 Oktobra, 2009 12:21
Dia faly miarahaba sy misaotra an'i Hery ary ny serasera rehetra, tatry ny 10 taona.
Izahay moa tsy afaka nanatrika ny hetsika fa raha misy manana sary dia mba zarazarao aminay
Andriamanitra Andriananahary anie hitahy antsika rehetra no hatratry ny 10 taona manaraka indray e!
voromailala | 24 Septambra, 2009 09:20
voromailala | 09 Septambra, 2009 11:47
voromailala | 03 Septambra, 2009 08:06
Amiko manokana aloha dia tena mifono misitera mihintsy ity grippe A ity.
Manontany tena aza aho hoe sao dia mba noforonina mihintsy izy inty mba hampadeha an'ireo orinasa mpanamboatra vakisiny.
Raha ny vakisiny indray no resahina, dia izaho manokana aloha sy hanao, sady ohatra zavatra natao maimaika, no koa matetika ny vakisiny maro indra hatao misy olana foana, polio, hepatita sns...
Hevitro manokana ireo voalazako eo ambony ireo.
Ny tena henjana amin'izy inty dia afaka mifindra sy velona foana na dia amin'ny andro mafana azany, volana martsa tany mexique andro mafana nefa nisy ary nifindra izy inty.
Ka tokony ho mailo ihan isika any madagasikara fa na dia hafana aza ny andro mety mbola hisy foana izy io.
Ireto misy fitandremana tokony hatao sy mombamomba azy io.
voromailala | 26 Aogositra, 2009 09:14
Lasa maresaka be amin'izao fotoana izao ny resaka hoe fin du monde 2012.
Ireto aza misy rohy ahitanao izany:
- Misy film hivoaka mihintsy azany amin'ny volana novambra izao 2012.
- Maro koa ireo tranonkala mitantara an'izany, anisan'izany findumonde2012.fr.
voromailala | 25 Jiona, 2009 15:09
Mety afaka hanofinofy ve isika indray andro any.
indray 26 jiona, ho tanteraka ny Malagasy Dream.
Mbola tena hifety ny 26 jiona isika indray andro any.
voromailala | 16 Jiona, 2009 08:01
Misy namako Musulman izay mba te hametraka fanontaniana amintsika Kristianina hono izy.
Dia ireto omeko anareo ireto ilay Questions, tsy voatery hoe valiana daholo fa izay azonareo valiana dia mba valio, efa nalefako any amin'ny Pretra ihany koa ireo fanontaniana ireo.
1°/ Avant la création de l’univers (terre et cieux, galaxies….), Le Christ et le Saint-Esprit avaient ils une existence avec Dieu, ont-ils participé à la création de l’univers ?
2°/ Pourquoi il n'y aucun passage ou Jésus dit "je suis votre Dieu adorez moi" , alors que c'est le dogme principal chez les chrétiens aujourd'hui ? (et ne dites pas qu'il avait peur des juifs ) .
3°/ Pourquoi les autres nations ( ceux qui sont venu avant le christ et dont les prophètes ) ne croyaient pas à la trinité , seraient il envoyé en enfer pour cela?
4°/ Si Jésus est Venu pour délivrer l'humanité du péché original commis par Adam, pourquoi ne l'a t il jamais dis ? vu que la bible ne contient aucune parole du christ parlant du péché originel , on signale la que cette doctrine a été développée bien après au début du V e siècle par un prêtre nommé augustin.
5°/ pourquoi Dieu le tout puissant devrait il faire descendre son prétendu fils pour pardonner aux gens leurs péchés , ne pouvait il pas simplement pardonner ces pèches?
6°/ Comment Dieu peut il être trois en 1 et un en trois (sans donner l'exemple de l'œuf ou celui de la pomme qui n'y correspondent pas) ?
7°/ Si le christ est Dieu pourquoi le christ affirmait que c'est Dieu qui l 'a envoyé ?
8°/ Si le christ était d'accord sur ce qui lui arrivait et qu'il était Dieu pourquoi prierait il sur la croix "eli eli lama chabaktani": mon Dieu , mon Dieu pourquoi tu m 'as abandonné ?
9°/ Quand Dieu , le créateur était sur la croix ( gloire a lui de ce qu'il prétendent) , qui c'est qui s'occupait de la terre et des sept cieux, qui répondait aux prières de gens , qui.... ?
10°/ pourquoi la libération des péchés n a pas été faite au temps d'Adam?
izay indray ary aloha fa dia manantena ny valiteninareo.
voromailala | 12 Jiona, 2009 09:15
Amin'izao fotoana dia Film resaka Renaissance no malaza sy mivoaka. Ireo olona Bodista no tena mandalina an'izy io.
Sendra nijerijery rohy teny za, dia nahita an'ity resaka 4 eme, 5 eme dimension ty, koa dia zaraiko aminareo. Misy hifandraisany amin'ilay Planete X (Niribu) ihany izy inty.
Marihana aloha fa izaho dia Kristianina, fa tsy manaka ahy mihaino sy miresaka amin'ny olona manana fijery hafa sy finoana hafa ihany kao.
voromailala | 29 Aprily, 2009 09:25
Sendra nijery vaovao tetsy sy teroa aho momba ny Islam (nijery ilay oronantsary Le Messagé), Judaism, Kristianisma sy ny maro hafa koa dia tonga tampoka tamin'ity rohy ity izany milaza fa angano ny resaka Mahomet.
Amiko manokana dia ilaina ny mivelatra miheno ny hevitry ny olona hafa noho ny tena, na firazanana na finoana sy ny maro hafa koa.
Raha nijery ilay Video an'ilay Frère aho dia nahita video maro sy rohy izay ahitana zavatra tsy mbola faheno sy fahita ny ankamaroany, asa aloha izay fahamarinany fa mahaliana tokony ny mijery azy.
Ny rohy nahavariana ahy indrindra dia ilay resaka Franc Macons ahitana ilay pazoina tanana izay lazainy hoe Sings of Satan.
asa izay eritreritrareo mahita an'ireo video sy rohy ireo fa tena mahaliana tokoa.
voromailala | 15 Aprily, 2009 12:14
Misy lalana iray mety ahatafita an'i Madagasikara, lalana tsotra nefa sarotra tanterahina dia ny fialana amin'ny BM, ONU, FMI,sns....
Miaraka miasa amin'ireo firenena malalaka tsy hananan'ny FMI,BM tanana, indrindra moa fa taorinan'ny fihaoanana G20 vao maika manana ny heriny izy ireo.
Raha mbola miaraka amin'ireo isika Malagasy dia tsy maintsy hikorontana foana satria ry zareo no masomandidy.
voromailala | 17 Martsa, 2009 13:51
voromailala | 12 Martsa, 2009 14:41
Inty ny tohiny sady farany am in'ilay resaka franc macon
voromailala | 10 Martsa, 2009 11:59
Anio 10 martsa 2009 ary aleo hofantatr'ireo taranaka faramandimby fa voazanaka indray i gasikara.
Mafy loatra ny herin'izy ireo, tsy misy afatry ny firaisankinatsika Malagasy ihany no ahafantsika handresy ny fahavalo.
voromailala | 08 Martsa, 2009 22:14
Raha natao ny fandalinana dia Franc Macons roa no miady ahazo an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao, noho ny fisian'ny petrole sy harena ambanin'ny tany.
Ny iray manohana an'i Ravalomanana moa ny iray kosa manohana an'i Andry TGV.
raha andalina ny momba ny Fran maçonnerie any dago ianao dia inty ny rohy
http://gltsm.ifrance.com/gltsm/
voromailala | 02 Martsa, 2009 15:01
Misy miteny hoe tsaho, misy mino ny fisiany, ka zaraiko aminareo eto izany hatao hoe New World Order.
Raha fintinina dia ireo olombitsy ireo no miketritra hitondra ny tany. Miaraka amin'ny devoly izy ireo.
Ito misy rohy ahitana video ana Petra iray manazava an'izany, jereo eto....
Ny fanontaniana mipetraka hoe efa tonga any Gasikara ve izy ireo?
voromailala | 25 Febroary, 2009 10:41
Raha ny fahitako ity tantara ity dia raha mandroso TGV maty raibe, mihemotra maty renibe.
raha mandroso amin'ny fifampirarahana izy izany hoe Ravalomanana mijanona filoha dia manao goveremanta
iraisana dia ireo olona nanohana azy tsy hanaiky ary mety hivadika aminy mihintsy azany.
Raha ohatra ka hihemotra indray izy, hiverina eny amin'ny 13 mai ka hanohy ny dia makeny Iavoloha na Mahazoarivo dia mety hisy faty olona indray.
Koa inona aza no mety hovahaolana?
eo indrindra isika zao.
voromailala | 19 Febroary, 2009 15:28
voromailala | 12 Febroary, 2009 21:21
Raha mbola misy firenena vahiny aorinan'izay mpitondra an'i Madagasikara dia tsy ho tafita mihintsy ny firenentsika.
Mazava ho azy fa ny amerikana no aorinan'i Ra8 ary Lafrantsa no aorinan'i TGV.
Tsy eto Madagasikara irery anefa no misy toejavatra ohatra an'izany fa eran-tany mihintsy.
Rahoviana i Gasikara no ahaleon-tena?
Novoizina efa hatrany amboalohany ny adim-poko, fanavahana eo amin'ny Merina sy ny Tanindrana,
mba ahatongavana amin'ilay hoe zarazarao hanjakana.
Raha tsy mitambatra miraihina tanteraka ny Merina sy ny tanindrana dia tsy hotafita mihintsy i Gasikara.
hoy koa i Rado zay hoe hotafita isika Malagasy rehefa ny teny Malagasy no hampiasaintsika amin'ny rehetra.
voromailala | 28 Janoary, 2009 08:54
1- Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.
2- Ireo mpitondranay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagaskaranay.
3- Ny taranakay tahio ho vanona tokoa;
Ireo no solofo, dimby, rahatrizay
Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.
voromailala | 15 Oktobra, 2008 20:49
Nataoko ihany tsy hitantara azy kanefa aleoko lazaina eto ihany mba tsy hovoan'ny nahazo ahy ianareo.
Nisy ihany ireo orinasa malagasy niasako taty andafy fa aleo dia tsorina fa misy ireo tena manambaka.Tsy vitan'ny hoe manambaka tamin'izany fa rehefa fantany ianao hoe netinety ny natao taty aoriana tadiaviny hosakana amin'izay hatao.
Inty iray lazaiko anareo ty dia nahavatra niantso tany amin'ny tompon'andraikitra ny tranonkala iray nametrahako ny cvko nanambara fa: mampitombo resaka aho momba ny asa natao tao amindry zareo.
Ampahatsorana moa dia nampilaza ahy ilay tompon'andraikitra koa dia gaga sy talanjona ny tena, ory havamanana ve sa efa be ny alahelo ka zay vao nilatsaka?
voaporofo nefa fa marina daholo ireo zavatra nolazaiko satria voasoratra tao anaty taratasim-pajakana (minisiteran'ny asa).
Tena mampalahelo raha ohatra an'izany no toetsaina.
voromailala | 14 Mey, 2008 12:16
Nisy boky nosoratan'i Napoléon Hill mitondra ny lohateny hoe Réfléchissez et devenez riche. Anisan'ny boky nahafinaritra azy izy io, marina hoe mbola tsy lasa mpanakarena aho :-), fa nanampy ahy betsaka teo amin'ny fiainana ahatongavana amin'ny tanjona hiriana.
Ny famakiana an'izy io no nahatonga ahy nanoratra ilay tononkalo hoe Tsiambaratelon'ny fandresana.
Jerijereo ihany sao dia mahasoa anao io boky io, eto misy fanontaniana vitsivitsy ahafantaranao hoe manaraka ny lalan'ny fahombiazana ve ianao.
Dia mazotoa ary mamaky e, dia aza adino za rehefa lasa mpanakarena ianao :-)
voromailala | 02 Mey, 2008 08:58
Izaho izany dia efa tia biby efa hatramin'ny mbola kely e, fa ny ahy ny alika izany no tena mahafinaritra ahy indrindra.
Ny olana fotsiny aty Frantsa manahirana be le miompy alika satria mila arahana maso tsara, mila entina mivoka sns....
Dia naleoko maka sary na biby :-), dia napetrako anaty tranonkala ato amin'ny asasary.com.
Raha tsy mbola misy silverlight ny PC-nao, dia mety hangatahany hapetraka, vetivetika ihany zany. Indray mandeha ihany ianao mametraka azy io dia afaka mijery ireo site vita amin'ny silverlight rehetra.
voromailala | 23 Febroary, 2008 10:38
Misy hetsika hatsoina hoe Le train pour l'emploi et de l'égalité des chances eraky Lafrantsa, natokana indrindra izay ho an'ny vahiny te hiasa eto lafrantsa.
Eto ny rohy http://www.train-emploi.fr/
voromailala | 30 Desambra, 2007 20:20
Manao ahoana daholo
Faly miarahaba antsika mpitoraka blaogy tratry ny Noely na dia somary taratara aza sy ho tratry ny taona vaovao 2008.
Inty misy fampisehoana kely nataon'i Voromailala sy Ers, mety ahafinaritra ny havana sy ny namana raha manamboatra ohatra an'io ho azy koa ianareo. Araho fotsiny ny tranonkala dia hatorony anareo ny tokony hatao.
voromailala | 10 Novambra, 2007 09:25
Amin'izao akatoky ny Noely sy ny taona vaovao izao dia efa mihamaro tokoa ireo tolotra amin'ny fandefasana entana, mety efa
fantatry ny maro angambany ny MondialProx.
Misy ihany koa ny vaovao toy ny Emadex izay ahafahanao mandefa entana ary mandefa vola ihany koa.
Misy ihany koa tapaka sy namana any madagasikara Dispo'Serv izay manome tolotra mofomamin'ny Noely. Marihana moa fa ry zareo ireo no nanao ny mofomamy ny mariazinay.
Maromaro any zavatra tahaka an'itony, satria mijanona antsika Malagasy ny tombotsoa.
voromailala | 13 Oktobra, 2007 15:00
Efa vita soaman-tsara izany ny tranonkala mitantara ny mariazy, koa dia zaraina amintsika eto amin'ny serasera.
Izahay mivady dia maneho fisaorana manokana an'i Hery (serasera) tamin'ny fanantotosana an'izany.
voromailala | 03 Oktobra, 2007 13:48
Inty zany misy resaka kely mikasika ny Bourse. Voalaza matetika etsy sy eroa izy io,
hoe CAC 40, NASDAQ ,nefa tsy fantatra tsara hoe inona no dikany.
Koa inty aza misy tranonkala iray manazava tsara ny tena dikany, ary manazava ihany koa ny hatao hoe Broker.
voromailala | 01 Aogositra, 2007 18:02
Asa raha fantatrareo ny enfants du Soleil fa fikambanana iray manampy ireo ankizy ny lalana.Avy aty andafy ny mpitantana azy io.Efa ela ihany izy io no efa tany madagasikara,jereo eto raha te ahafantatra izany ianao no sao dia misy azonao handraisana anjara.
Inty koa misy karazany hafa mitovitovy amin'izy io, ary misy any madagasikara ihany koa.
voromailala | 12 Jolay, 2007 09:12
manao promotion be amin'izao ny Rayanair, dia manao billet d'avion gratuit, ka miazakazaha sao dia mba misy mahasoa, fa hatramin'izao izaho manoratra izao aloha mbola misy e.
voromailala | 17 Mey, 2007 11:43
Dimy taona izay no nipetrahako teto Frantsa, fa maro ireo zavatra hametrahako fanontaniana, anisan'izany ohatra ny fomba iray ahafahana miresaka sy mifandray tsara amin'ny vazaha.
Asa ianareo na efa tratra ohatra ahy fa misy fotoana rehefa miresaka amin'ny vazaha na vahiny teraka na lehibe teto Frantsa dia indraindray misy zavatra tsy azo ( ankoatran'ny fitenenena Verlan toy ny chelou, teuf,....).
Nanontaniako ihany koa ireo vahiny vao tonga haingana teto Frantsa dia toy izany ihany koa. Tamin'ny voalohany heveriko fa resaka timidité sy communication ilay izy, dia niezaka namaky boky vaincre la timidité, Process Communication,... nisy fiovana kely satria lasa sahisahy miresaka sy miteny, kanefa rehefa miresaka miaraka misakafo ohatra dia mbola misy ihany ny zavatra tsy hay no tsy hita izay havaly fa dia mody mitsikitsiky fotsiny, na manao hoe Oui :-).
Taty aoriana raha sendra nijery fandaharana tamin'ny Télé aho dia voalaza fa azo zaraina roa ny tontolo ny tanora, ireo tanora any amin'ny banlieu izay mampiasa Verlan, sy ireo tanora vazaha no ankamaroany mianatra amin'ny Ivotoerana izay manana culture betsaka kokoa (Literatiora,mozika klasika,tantara,...).
Ilay fandaharana moa izany dia andrana iray fampidirana ireo ankizy mahay ny Banlieu hofanina hiditra amin'ireny sekoly manandaza ireny, Lycée Henri-IV izany.
Teo no nisokatra ny saika, satria ireny ankizy ny Banlieu ireny anie teraka taty kanefa maninona no sahirana rehefa miditra amin'ny ivotoerana ambony sy sarotra vao mahazo asa tsara.
Hilaina ny fanana culture momba ny toerana misy anao, Frantsa moa izany no resahiko eto izao, ary tena marina izany satria vao herinandro fotsiny izay, raha niaraka nisakafo tamin'ireo mpiaramiasa vazaha aho, dia rehefa resaka politika Sarkozy sy Segolene (inona moa izany mba hanisany narahako tsara) na koa resaka informatika dia tena miresaka tokoa ahoary mahita havaly tsara,fa raha vao nivadika resaka Napoléon le fandehany tonga dia niverina amin'ny tsikitsiky indray :-).
Izay no mahatonga an'ireny ankizy nianatra tamin'ny lycée Francais any madagasikara ireny tsy sahirana mihintsy rehefa tonga aty andafy, satria ny programa an-dry zareo dia programa Frantsay fa tsy Malagasy. Isika tamin'ny nianatra mantsy ny anay moa izany, dia ny guerre mondiale,guerre froide (rideau de fer), no natao tamin'izany.
Izany akory tsy midika hoe tokony hovaina tantara ny Frantsa ny any madagasikara, fa hoe ireo izay ankizy hianatra na hiasa aty Frantsa dia tokony hofanina kely momba ny tantara, fiainana,ary kiolotra aty Frantsa.
Ary ny hamaranako azy, dia hoe izay koa vao azoko hoe maninona ireo olona mpananakarena sasany any Madagasikara dia mozika klasika no henoiny, satria resaka culture ihany koa izany.
Koa na aiza na aiza misy anao dia hiezaho foana ny mamantatra ny tantara,fomba fiainana ny firenena sy ny toerana misy anao. Tamin'izaho tany Haute Savoie izao dia mba nahafantatra an'izany hoe Roblechon (fromazy), Raclette, sy Les Trois Vallées izay fanaovana Sky lehibe indrindra eran-tany.
Izay indray ary aloha fa dia mitantara anareo ny zavatra voavaly miandalana eto ihany.
Ny fanontaniana mipetraka manaraka izao dia hoe ahoana no ahatafitana ohatra an'ireny vahiny tafita any antanin'olona ireny?
voromailala | 02 Mey, 2007 13:43
Nifanena tamin'ny mpaka sarin'ny Radiovazogasy izahay omaly, raha sendra nitsidika ny Foire de Paris.
Teo amin'ny Stand Art Andraina moa no nisy anay tamin'izay ary misy stand art malagasy ihany koa nanondidina teo.Efa harivariva efa hifarana ny Foara moa vao tonga ilay mpaka sary ka tsy afaka naka sary firy izy, ka milaza hiverina ny azoma izao.
Fitaovana profesionaly Reflex Canon 350D, miaraka amin'ny canon powershot G7 no nampiasainy tamin'izany.
voromailala | 27 Aprily, 2007 19:04
Raha sendra nitsidika tranonkala tamin'ny aterineto aho dia nahita tranonkala fanamboarana Slide na sary.
Azonao hatao ny manokatra na tsia compte ary maimaipoana izy io.Toy io hitanao eo ambany io ny fivoakan'ilay Slide.
voromailala | 24 Aprily, 2007 15:35
Ho an'ireo izay olona tia misakafo any amin'ny restaurant, dia misy filaharan'ireo fisakafoanana tsara indrindra eran-tany inty.
Ny Frantsay no betsaka voatonona ao fa Espagne, sy Royaume-Uni no lohalaharana, koa aza misalasala azy mitondra namana na havana na sipa amin'izany, rehefa misy fety (na tsy voatery fety azany).
voromailala | 18 Aprily, 2007 22:09
Maro amintsika angamba no tia miheno hira amin'ny alalan'ny tranonkala. Raha hira gasy angambany aloha efa tsy lazaiko intsony satria efa misy ny radiovazogasy, sy ny maro hafa koa.
Fa ny hatoroko anao dia tranonkala iray ahafahanao mitady hira izay tadiavinao (matetika). Mazotoa ary mitady ary miheno izay hira tianao ao amin'ny radioblogclub
voromailala | 07 Aprily, 2007 20:42
Sendra nahita aho hoe misy fampisehoana mivelatra momba ny Orchidées de Madagascar eto Paris ao amin'ny cités des sciences et de l'industrie.
Mahafinaritra tokoa ny mahita fampisehoana tahaka an'itony, misy oronan-sary ihany koa hita miaraka amin'izany, ka azonao henoina amin'ny teny Malagasy,Frantsay ary anglisy.
Tsy naharitra koa ny tena fa dia nentina nanaraka ny fankana sary, koa manasa anao hijery ireo sary eto Orchidées de Madagascar.
voromailala | 21 Martsa, 2007 15:40
Nisy olona tao nanamboatra an'ity ho ahy, hozaraiko aminareo fa misena, dia afaka hataonareo amin'ny namana sy havana ihany koa.
voromailala | 06 Martsa, 2007 14:14
Amin'izao fotoana izao mantsy dia voarara ny maka film na mozika amin'ny alalan'ireny fitaovana Peer2Peer ireny. Ny fataon'ny olona izany dia any amin'ny news groups no hametrahan-dry zareo ireo films, sady tsy voaramaso aloha hatramin'izao.
Misy tranonkala iray izany manangona ireo lien rehetra misy film amin'ireo news groups ireo. Jereo eto...
Izaho aloha dia mitsotra fa efa 2 taona izay no tsy sahy naka film tamin'internet. Kely ny riska kanefa asakasakao ihany :-)
voromailala | 27 Febroary, 2007 10:26
Ity misy raikitra iray mampiseho ny zavatra vitan'ny olombelona rehefa saro-piaro.
Rariny ve satria ny nataon'ilay vehivavy, anjaranao angambany no mamantatra izany. Toy izao ilay tantara raha fintinina, nasian'ilay vehivavy camera tao amin'ny tranon'izy roa kely, dia tratrany en direct nampiditra sipa ilay bandy.....
voromailala | 27 Janoary, 2007 16:00
Anisan'ny voaresaka etsy sy eroa ankehitriny na eto Frantsa na any kanada, karazana mpilalao antsehatra, ny masony sy ny vavany tena izy fa ny ambiny dia sary.Sady mampihomehy no mahafinaritra :-).
Anisany nalaza tamin'ireny ity willi waller ity.
voromailala | 22 Janoary, 2007 21:40
Efa ela no nahafinaritra ahy ity hira ity Love Me Tender, dia tapaka ny hevitro fa hohiraiko hataoko tahiry. Revirevy manala azy fotsiny inty fa dia mazotoa mijery e!
voromailala | 18 Janoary, 2007 17:04
Raha sendra nijery ireo clip gasy tao amin'ny youtube aho dia gaga sy talanjona, fa tena lasa lavitra mihintsy ny artista malagasy, ohatran'ireny amerikanina ireny mihintsy.
Ireto misy clip roa ohatra:
voromailala | 09 Janoary, 2007 22:20
Ity misy video an'i Notre Dame ao Rouen, tsy tena ilay video loatra no tena aseho fa ilay teknolojia vaovao WPF/E (Windows Presentation Foundation / Everywhere).
Izy io no fitaovana vaovao namboarin'i Microsoft hifaninana amin'ny Flash.
Misy pluging kely 1mo eo hangatahiny hapetrakao amin'ny voalohany dia afaka mijery tranonkala mampiasa WPF/E foana amin'izay ianao.
voromailala | 04 Janoary, 2007 20:24
Misy olona iray izay sendra nijery CD na DVD Pazzapa 4 mbola tsy fantatro tsara fa amin'ny asabotsy no hijery an'ilay solosaina aho, fa vao namaky ilay CD tonga dia vizana ny solosaina. Nanjavona daholo ny birao sy ny menu sasantsasany.
Mbola tsy fantatra hoe avy aiza ilay izy fa aleo mitandrina ihany aloha, alohan'ny tena ahafantarana ny antony. Asa na copie na hoe nisy nanao fanahiniana fa hotantaraina aminareo miandalana eto ihany.
voromailala | 29 Desambra, 2006 13:37
Maro ihany ireo tranonkala efa hitako manao resaka dokambarotra sns, fa ity indray mitoraka ity kosa tena voatefy amin'ny antsakany sy andalany.
Asa aloha ny hevitrareo fa amiko tena misaka be, mampiseho ny taratry ny American Marketing.
voromailala | 21 Desambra, 2006 13:10
Efa akaiky ity ny fety dia mba hampifalifaly ny tato ampesana dia nentin'ny mpiandraikitra anay ny wii-ny (kilalao vaovao an'i Nitendo).
Napetraka ary ny retroprojecteur, dia raikitra ny lalao.Natao daholo ny Bowling, Golf, Tennis, Baseball, ary nofaranana tamin'ny Boxe.
Ity ny rohy raha hijery ny sombiny tamin'izany ianao.
voromailala | 15 Novambra, 2006 21:39
Taorinan'ny fipetrahako sy vitsidihako ny ankamaronan'ny tanana teto Frantsa, dia toy izao no zavatra hitako sy tsapako momba ireo Frantsay.
Arakaraka ny handehananao miakandrefana Atsimo (Sud-Ouest) dia mora ny fifandraisana amin'ireo vazaha. Any amin'iny ilany Atsinanana (Est) iny no ahitanao fiavonavonana mba tsy hitenanana hoe fanavakavahana betsaka indrindra.
I Dijon zao no tanana notsidihanay farany, fa azo lazaina hoe mangatsitsika ny fandrasan'ny vazaha anao raha vahiny ianao.Fa na izany aza dia tanana mahafinaritra Dijon sy ny manodidina azy. Ireto misy sary azonao jerena amin'izany.
voromailala | 04 Novambra, 2006 17:50
Ny tontolon'ny sary dia anisan'ny zavatra goavana tokoa. Tsy vitan'ny hoe tafiditra ao anatin'ny efajoro fotsiny ilay tiana alaina dia vita, fa tena tantara lava be.
Vao manomboka mandalina izaho io zao, ka zaraiko aminao ny zavatra vitsivitsy efa haiko.
Voalohany aloha dia ny fotoana, vao maraina mangiran-dratsy na harivariva mody masoandro iny no tsara hangalana sary, satria miseho avokoa ny endriky ny natiora rehetra. Raha amin'ny atoandro mantsy dia lasa mifotetaka ny sary, indrindra fa raha gasy no alaina, isika efa peta-korona raha teo :-).
Toy izany koa ny Flash, hatao zay tsy hiantefan'ny hazavana eny amin'ny endrik'ilay olona izay halaina.Asa raha tsikaritrareo fa rehefa maka sary tapaka ireny isika, dia misy elo ao anatin'ilay studio. Ireny no hatao mba hampalefaka ny hazavana.
Rehefa maka sary amin'ny alina kosa ianao dia hezahina ny tsy hampihetsiketsika ny fankatsary manjary lasa manjavozavo ny sary halaina, matetika ireo efa manana traikefa amin'ity taranja ity mampiasa tongony.
Ary farany raha tianao hasiana hadiry ny sary azo na koa hoe tianao hovahovaina ny asamarika amin'ny fangalana sary, dia mila mampiasa fitaovana Reflex ianao.
Ny fangalana sary Compact mantsy izay hampisaintsika andavan'andro dia tsy ahafahana milalao ny hadiry.
Ity misy sary iray mampiseho izany resaka hadiry izany.
Misy fanazavana hafa ihany koa ato amin'ity blaogy asasary natokako ity azonao jerena, miresaka manokana momba ny sary.
voromailala | 20 Oktobra, 2006 21:25
Sendra nifanena tamin'ny olona mahihitra iray aho, dia nolazainy fa azo hatao ny mahazo zavatra maro maimaipoana toy ny carte de viste , santionan-dranomanitra sy ny maro hafa koa.
Dia nomeny ahy ary ilay rohy ny mahihitra, koa dia talanjona tokoa aho mahita ireo sosokevitra homen-dry zareo, satria misy tsy ratsy ny sasany.
Jerijereo eto aza sao dia misy mahasoa na dia tsy mahihitra aza ianao.
voromailala | 07 Oktobra, 2006 16:56
Vao avy nijery ny salon Mondial de l'automobile teo tany amin'ny porte de versaille (Paris), tena feno fiara tsara no feno olona ihany koa, na dia lehibe aza ilay toerana nanaovana izany.
Efa manomboka mandalina ny resaka sary moa ny tena ankehitriny dia nanararaotra naka sary, ka hozaraiko aminao etsy ambany etsy.
Azonao hatoa koa mijery ireo asasary natao hatramin'izay.
voromailala | 28 Septambra, 2006 10:36
Nahita zavatra iray vaovao aho, ary tena hafa mihintsy, tsy ohatra ny skype, na voipstunt, satria tsy mila mametraka logiciel amin'ny solosaina ianao fa omenao fotsiny ny nomerao fixe anao sy an'izany olona atsoinao, dia mifampiresaka amin'ny fixe ianareo avy eo.
Fixe teto frantsa aloha no efa nandramako fa mety tsara, jajah io no rohy ahafahanao manandrana izany. Misy madagasikara ao fa tsy mbola nandramako fa tsy tsy fantatro hoe mandoa vola ve sa tsia, dia raha mandoa dia ohatrinona. Fa ny miantso portable koa toa hoe mora mihoatra ny SFR sy ORANGE sns....
voromailala | 21 Septambra, 2006 09:57
Amin'ny fetin'ny TGV dia manao promotion be ny SNCF. 5 euros ny billet n'aiza n'aiza alehanao 5 oktobra hatramin'ny 9 desambra izao. Manomboka amin'ny 12h ora antoandro izao ny fivarotana hatramin'ny sasakalina.
Azonao hatao ny mividy eny amin'ny gara, na amin'ny internet vidy nety TGV .
Faingano ihany fa 50 000 ihany no isan'ny billet hamidy.
Tsetsetsa tsy haritra efa vonona ny pejy miteny hoe lany ny billet 50 000. :-)
voromailala | 12 Septambra, 2006 09:39
Taorinan'ny fanadihadiana hono, dia voalaza fa mampahazo aina ary mahatsara ny fifandraisana ara-nofo ny fihinana chocolat.
Taloha isika rehefa manala CEP, na BEPC sns, dia hividianan'ny olon-dehibe chocolat, satria manatsara ny fiasan'ny atidoha koa izany.
Raha andalina ilay voalohany ianao dia ity ny rohy
voromailala | 07 Septambra, 2006 17:11
Afaka miantso aty France maimaipoana ianao raha manana Skype amin'ny solosainao. Tsy mandoa vola na ariary azany.
Mety aharitra hatramin'ny faran'ity taona ity izany.
voromailala | 20 Aogositra, 2006 02:34
voromailala | 09 Aogositra, 2006 02:17
Andeha ary ianao entiko mitsidika an'i Marseille, mihainga eny amin'ny Port ka tonga hatrany amin'ny Notre Dame de la Garde. Arahina tantara vitsivitsy momba an'i Marseille.
Mazotoa ary mijery ny Video tsidika Marseille
voromailala | 25 Jolay, 2006 02:55
Asa ianareo na ohatra ahy, fa tena betsaka ny zavatra tsy mbola fantatro momba ny firenentsika. Fantapatatro fotsiny hoe misy avy any afrika sy indonezia fa ny fiteny ohatra dia misy nalaina tamin'ny Bantou ihany koa.
Ity misy rohy Histoire de Madagascar ahitanao ireo famintinana momba izany.
voromailala | 18 Jolay, 2006 08:23
Ity misy horonam-peo manoro ny lalana tokony arahina eo amin'ny fiainana raha te hotafita. Tafiditra ao anatin'ny sokajy pensée positive izy ity.
voromailala | 11 Jolay, 2006 10:50
Ity misy video mampiseho ilay coup de tete nataon'i Zidane tamin'ny finale ny coupe du monde teo. Tena nitselatra nisy afo kely mihintsy ilay izy.
Zi End
voromailala | 04 Jolay, 2006 05:21
Inona no tokony hatao mba ahatafita an'i Madagasikara? raha mba afaka milaza ny hevitrao ianao miaraka amin'ny sehatra misy anao (ohatra: Economie,Gestion,Droit,Agro,Medecine,Informatique,.....)
izaho ohatra amin'ny resaka informatika, dia ADSL no hitako hoe lalana iray, satria ho maro ireo olona hanao offshoring sy outsourcing any dago. Ho mora manaraka izany koa ny telefonina.
voromailala | 25 Jiona, 2006 03:44
Ity misy hirika iray ahafahanao miantso gratos makany madagasikara. Asa aloha na hoe bug ve izy ity na promotion fa dia araraoty dia mbola mandeha.
Ahoana no hatao?
1° - Maka ilay logiciel VoipStunt dia hapetraka anaty solosaina
1°- avy eo miantso numeo coucoutel +33826106666 dia arahina zay teneniny avy eo, miantso ilay numero any dago.
Marihina fa numero portable ihany no azonao antsoina.
voromailala | 23 Jiona, 2006 22:50
voromailala | 21 Jiona, 2006 07:57
Inty misy boky amin'ny tranonkala anisany malaza nefa efa ela be no nanoratan'i Sun Tzu azy. The art of war , anisan'ny boky hampianarina eny amin'ny ivotoerana politika izy ity. Raisina amin'ny hevitra ara-filozofika fa tsy ara-traikefa, satria zavatra efa tamin'ny andro efa taloha be daholo no voatantara ao.
Maro ireo gasy mamaky an'io boky io eny anaty fitanterana, ary maro ireo vazaha tonga dia miresaka aminao raha mamaky izany ianao satria mahaliana tokoa io boky io. Vao azoko androany mihintsy io rohy io tany amin'i FRAZ.
voromailala | 20 Jiona, 2006 11:03
Amin'izao fotoanan'ny coupe du monde foot izaho, dia maro ny fomba azo hijerena
ireo match: TV,Internet,fa ny fomba iray hatoroko anao dia fampiasana ilay clé USB Tuner TNT. Hatsatokao amin'ny solosaina,raha manana portable ianao vao maika tsara satria afaka miijery izany n'aiza n'aiza ianao (rehefa mahazo TNT) .
Ity misy rohy raha mieritreritra hividy izany ianao, dieny mbola tsy vita ny lalao
voromailala | 17 Jiona, 2006 23:29
Raha ny firesaka no zoina dia voalaza fa 80% ny zavatra lazaina dia hita avy amin'ny fihetsika daholo. Ry zareo amerikanina moa dia tena mandalina an'izy io, ka ireto ny fihetsika telo miaraka amin'ny dikany.
voromailala | 10 Jiona, 2006 13:18
Ity misy tononkalo iray izay nosoratako naraikitra ho video. Ny mahasamihafa azy amin'ireo video tononkalo izay vita teo aloha dia ers no mivetso azy.
voromailala | 10 Jiona, 2006 12:25
Manomboka mandalina ny resaka sary indray izaho amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela aho no tia ny natiora, koa dia nanapakevitra hoe andeha handalina ny fakana sary ny Natiora.
Nanokatra bloagy asasary iray aho hizarako izany aminao.
voromailala | 08 Jiona, 2006 10:18
Zaraiko aminareo eto ireo boky famakiko,izay hitanareo amin'ny alalan'ireo sary voatondro ery ambany ery.
Boky momba ny intelligence emotionnelle fotsiny angambany no tsy ao satria mbola nisy nindrana.
Mazotoa ary mijery e!
voromailala | 04 Jiona, 2006 00:07
Inona ary izany sady afaka hatao laoko no afaka hatao a dessert?
voromailala | 31 Mey, 2006 10:11
Amin'izao andro fandrosoan'ny teknolojia izao dia izay mahamora ny fiainana no hatao tanjona matetika. Misy ohatra ireo vary 3 minitra dia masaka, fast food sy ny maro anisa.
Raha hatao anefa ny fandinihana dia tsy mitondra otrik'aina hoan'ny vatantsika ireny sakafo mora vita ireny. Matetika ireo olona amin'ny firenana mandroso no tratran'izany. Raha fintinina raha any amin'ny tany andalampandrosoana ianao no matavy dia lazain'ny olona fa tafita izay satria milamina ny saina voky sakafo tsara.
Fa raha amin'ny tany mandroso koa dia ireo olona antonony somary kelikely no manakarena satria matetika ny sakafo tsy mampatavy dia lafo vidy avokoa.
Tsy voatery marina foana anefa izany fa araky ny voalazan'i Michel Montignac ao amin'ny boky izay nosoratany mitondra ny lohateny hoe "Je mange donc je maigris...et je reste mince!" dia azonao tokoa ny mitana ny habehanao any amin'ny tany mandroso raha manaraka fepetra vitsivtisy ianao.
- Ahena ny fihinanana siramamy fa jus 100% foana no sotroina
- Raha azo hatao dia tsy mihinana ovy indrindra fa ny ovy frity
- Mofo raha azo hatao dia hatao pain complet
- 30 minitra alohan'ny sakafo no hohanina ny voankazo, aza dia mihinana ankondro be loatra
Raha fintinina dia hatao izay hinanana zavatra natioraly tsy mbola nisedra fanovana tany amin'ny orinasa.
voromailala | 28 Mey, 2006 09:28
Ity tononkalo Video manaraka ity izay mitondra ny lohateny hoe "Raha te-hotafita", dia nosoratako taorinan'ny nandalinako ny "intelligence émotionnelle". Mety manindrona kely indraindray kanefa mino aho fa hanampy anao ahitanao ny lalana tokony hombana eo amin'ny fiainana.
voromailala | 28 Mey, 2006 00:50
aza hadino ny miarahaba ireo reny rehetra izay fantatrao. Na dia mandefa sms na mailaka fotsiny azany.
Izaho moa dia faly miarahaba ireo reny rehetra eto amin'ny serasera, manaova fety sambatra.
Voromailala
voromailala | 26 Mey, 2006 06:25
Tantara indray miseho (nosintonina tamina tantara marina ) nosoratan’i Vero David Rasoamanana.i Vero moa mety efa misy mahafantatra ihany fa mpanentana sy mpilalao tantara tao amin'ny Radio Don Bosco. Koa mazotoa ary mamaky ny tantara.
Mpilalao
Rahary: Tanora sy efa mandroso taona
Njato: zanak’i Rahary
Ndriana: Naman’i Rahary fony tanora
Mirana :tovovavy sakaizan’i Njato
Dadan’i Mirana
NJATO Hivoaka kely izahay sy ny namako rahalina ry dada ka saika hindrana fiara aho ah .
RAHARY: Hivoaka ahoana ? vaovao indray izany fieran’ialahy izany ?Ianareo sy iza ry Njato ?
NJATO Izahay sy ny namako re ry dada ah !
RAHARY Lehilahy sa vehivavy izany ?
NJATO: Izany hoe maromaro izahay k’ah,sady misy sipa no bandy.
RAHARY: Ny tiako hanontaniana hoe misy naman’ialahy tovovavy angaha izany ?
NJATO: (somary misalasala) Ieee, misy namako izay any miaraka amiko k’ah.
RAHARY: Efa impiry moa aho no nilaza tamin’ialahy fa tsy ekeko mihitsy ialahy mivoaka alina miaraka amina tovovavy izany ?
NJATO : Fa maninona kosa ry dada ah ? Heverinao fa mbola zaza be minono angaha aho no fehezinao tsy afaka mivoaka ny trano ? Vao izao anie aho no niera taminao fa hatramin’izay aho tsy sahy mihitsy satria ny fandavanao foana no asesinao eh !
RAHARY: Rehefa izay ny teniko dia izay , aza dia be famaliana ialahy .
NJATO: F’angaha moa izany be famaliana fa mba manana ny zoko kosa aho manontany anao hoe fa misy antony manokana ve na misy tsy hitiavanao ny namako mbola tsy hitanao maso akory no dia tsy avelanao miaraka mivoaka izahay ?
NJATO: Rehefa miteny aho hoe tsy mahazo dia tsy mahazo . Azon’ialahy ?
NJATO : Fa firy taona moa aho ity aminao eh !An ? 12 taona ? Efa iraika ambin’ny roapolo taona anie aho izao r’idada raha tsaroanao tsara ny taonako eh! Ary nohon’ny fahasiahanao mihitsy aza no tsy nivoahako alohan’izao taonako izao fa nankato anao foana aho .
RAHARY: K’inona no antony tsy hanarahan’ialahy an’izany indray izao
NJATO: Satria efa mba te-hiaina ny fahatanorako ohatra anao fahiny aho fa tsy hijanona hiandry ny sitra-ponao lava izao . Fahiny ianao niaina? tsy nisy nanakana anao ka no izao ianao no manakatsakana ahy??Tsy fitiavan-tena ve izany raha mba mieritreritra kely fotsiny ianao ?
RAHARY : Ny fitiavako an’ialahy no mahatonga ahy hanakana an’ialahy tsy hiaina ny niainako fa tsy fitiavan-tenako akory .
NJATO: Fitiavan-tena ry dada izany ah Nahoana aho no tadiavinao handingana ny fiainana ? Tsy maintsy handalovako ny nandalovanao fa ny mampitandrina ahy tsy hivoaka ny lalana tokony alehako no anjaranao .Ahy ny fanapahan-kevitra avy eo amin’izay tiako aleha
RAHARY: Andraso kely aloha fa tena hafa mihitsy izany fomba famalian’ialahy ahy izany !Fa misy inona loatra rahalina no dia tena sahy manangam-bovona amiko ialahy eh .
NJATO: Mba feno valo ambinifolo taona ilay namako ry dada dia hoe hiaraka hilanonana aminy izahay ah . Mba hoe hoentina any amin’ireny alim-pandihizan’ny tanora ireny izy mba ahitany ny zava-misy !
RAHARY: Tsy hitako mihitsy izay antony hivoahana any amin’ireny toerana mamoafady ireny raha hiara-paly nohon’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana . Fa maninona anefa raha any an-tranony no milanonana dia vita eh ?
NJATO: Izay mihitsy no nangatahany hoe fanomezana ho azy ry dada ah .
RAHARY : Ka iza aminareo ary no hiera amin’ny ray aman-dreniny ?
NJATO : Ka tsy ao anie ny ray aman-dreniny fa lasa any ambanivohitra vetivety eh .
RAHARY : Hay dia tadiavin’ialahy hiala mandry izany ny zanak’olona ?Sao dia ketrina tsy misy saina ialahy ity na dia efa lasa adalan’ny fetifetin-dozan’ialahy ? Mba fantatr’ialahy moa fa manodikodina zanak’olona anie ialahy izany eh .
NJATO: Fa firy taona ihany ny ankizy vao lazaina fa hoe tonga taona eh
RAHARY: Aza mba izaho kely no mianatry ny adikadinin’ialahy eo an . Rehefa hoe tsia dia tsia .Mivoaha io trano io ialahy raha te-hahita lehilahy . Tsy mitsitsy amin’ialahy mihitsy ity totohondry ity raha mandingana io varavarana io ialahy .
NJATO: Sahinao ve ry dada eh ? dia sahinao ny hikasi-tanana ahy amin’izao taonako izao? Kely aza aho tsy nikapoka ahy ianao ka izao indray vao hiverina amin’ny fitaizan-jaza ?
RAHARY: Ato an-tranoko anie ialahy eh , ary raha mbola izaho koa no rain’ialahy sady mamelona an’ialahy dia tsy maintsy manaraka ny teniko ialahy .Ary na tonga eo aza i Neny ka miera aminy ialahy dia izaho ihany no mitana ny teny farany . Tsy mivoaka io trano io ialahy . Ny ray aman-dreniny tsy ao an-tranony akory dia hoentin’ialahy hivoaka ny zanak’olona ? Andray
NJATO: Efa niera tamin’ny ray aman-dreniny anie izy ry dada fa navelan-dry zareo eh .
RAHARY : Tsy mino an’izany mihitsy aho na tahaka ny silak’hoho aza. Mipetraka eo amin’ny toeran’ny ray maman-dreniny fotsiny aho dia efa fantatro fa tsia ny valin-teniny . Raha tena ray aman-drey mahay mitaiza ny zanany tokoa izy . Tsy hisy mihitsy ray aman-dreny hamela ny zanany vavy hivoaka alina izany nefa tsy ao an-tranony izy . Tsy misy mihitsy izany .
NJATO: Fa maninona mihitsy ianao ity eh ? Marary saina sa maninona no dia tsy mety hovana hevitra mihitsy fa miziriziry ohatry ny olona maninona ? Efa miteny aminao aho fa mamela azy ny ray aman-dreniny dia ianao indray no toa hafahafa ? Fa tsy matoky ahy ve ianao ity eh ! Inona no maharay aman-dreny sy zanaka antsika raha tsy hifampatoky ohatra izany ? Ary efa namitaka anao angaha aho ? Sa nandainga taminao ? Azoko atao tsara anie ny miala mandry antsokosoko mitondra azy mivoaka fa saingy tsy ataoko izany eh .
RAHARY : (teha-maina tampoka be )
NJATO: Fa maninona ity ianao ity eh , ohatry ny romotra mihitsy.
RAHARY: Iza no lazain’ialahy fa romotra , An ? Sa ampiana indray iny felaka iny ?Hivoaka alina ah hivoaka alina !
NJATO : Eo ianao sy ny vavanao fa izaho indray dia tsy maintsy mivoaka ,na tianao na tsy tianao Tsy hoe ampitahorinao amin’ny felakao aho dia hifitsaka ohatry ny zazakely koa .
RAHARY: Mivoaha io trano io ialahy ahitan’ialahy azy .
NJATO : Hivoaka aho r’idada ary tsy hiverina intsony ah . ataovy izay ataonay (feo mihalavitra)
RAHARY: Miverena eto iahahy (miantso mafy) .Njato Njato ?
FEON-KIRA
RAHARY: (somary avy lavitra) Ary inona ity ataon’ialahy ?
NJATO: Tsy misomonga aho ry dada ah , hilaozako ianareo rehefa tsy afaka ny hifampitondra ohatry ny Ray aman-dreny sy zanaka isika .
RAHARY:Ahoana moa no hilazan’ialahy an’izany eh .
NJATO :Raha izay felaka tehamaina ry Dada tsy dia ahoako loatra fa ny fihetsikao mihitsy no tsy dia levon’ny vavoniko loatra ah. Afaka miady hevitra anie isika ry dada ary mitady ny marimaritra iraisana fa ianao mihitsy no madi-doha tsy azo akisoka eh .
RAHARY : Tadidion’ialahy tsara fa ny ray aman-dreny dia tsy mikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny zanany ary raha izay kosa ve no hitako fa mahasoa an’ialahy dia omen’ialahy tsiny aho ?
NJATO: Tsy hanome tsiny anao mihitsy aho r’i dada saingy toa tsy hitovy mihitsy ny tadin-dokangatsika raha tsy matoky ahy ianao .
RAHARY: Ny fahatokisako an’ialahy mihitsy no antony tsy hamelako an’ialahy .satria ny tampoka anie ka tsy mahalehilahy eh .
NJATO: Fa inona no nitranga tamin’ny fahatanoranao ry dada no toa tahotra sy fanahiana anie izany no tena fototr’izao fandrarana ahy izao eh ?
RAHARY (misento) Meteza ary ialahy hihaino ahy vetivety telopolo taona lasa izay hahazoan’ialahy ny zavatra niainako sy hanamarinako ny fihetsiko Ity tantarako ity ihany koa no antony tsy nanambadiako raha tsy efa feno efapolo taona aho .
FEON-KIRA
Rahary tanora eto no miresaka amin’i Ndriana namany
RAHARY: Ahoana lety ry Ndrina ah , inona no paika rehefa avy eo ?
NDRIANA: Izay atao lesy mety daholo ah
RAHARY: Izaho lesy zany te handihy any amin’ny boaty ah , tena efa ela anie lesy aho no tsy nandihy eh .Mianatra foana ve lesy no atao nefa toa tsy mety vita mihitsy ity izy . Marina mafy raha izao no mitohy dia ho lasa adalan’ny fianarana aho .
NDRIANA:Izaho koa aza letsy mba tena kamo ah , nefa ny bac ity efa afaka dimy volana sisa . NY fizika ity manenjika , ny chimie koe etsy andaniny nefa ilay maths ohatry ny tena tsy voafehiko tsara . Dadany iny aninkeho iny an , saika tsy nivoaka velona aho tamin’ilay contrôle .
RAHARY: Izany anie no hilazako amin’ialahy hoe ho lasa adala ihany aho raha izao no mitohy eh .
NDRIANA :Tapaho ary ny hevitra fa hilaozana mitanisa fahoriana eto fotsiny . Aleo mandihy dieny tanora eh, rehefa antitra ve ialahy vao hitsinjaka tsy hoy ny zanak’ialahy hoe sao mipika eo ny taolan-damosina eh
RAHARY: Dia isika roalahy irery koa ve letsy no handeha handihy any, tsy holazain’ny olona hoe mpifaninona ah .
NDRIANA: Ka maninona raha hierana ny izy roa vavy eh .Ny ahy aloha i Voahirana tonga dia afaka foana eh . Ny baina sy bofiny indray tsy sarotiny fa i Miran’ialahy no asa .
RAHARY: Efa hain’ialahy ihany nybaina sy bofiny fa aza izaho indray no ampidiran’ialahy devoly eo .
NDRIANA : F’angaha moa aho mampiditra devoly amin’ialahy fa tsy misy mitady voan-teha-maina lesy eo ah . Manandrana aloha! Iza no mahalala fa mety misy fanahy Masina tampoka milatsaka amin-dry zareo dia avelany tampoka i Mirana ?
RAHARY : Aza mandrevy eh .
NDRIANA: Izaho angaha moa no hitazona labozia eo? Ialahy tsy manandrana akory dia manaiky resy tsy miady eo .
RAHARY: Aleo ary fa hilazako izy eh .
FEON-KIRA
MIRANA : Izaho aloha mazoto ny hivoaka eh . Izaho koa anie ka leo be mianatra lava tsy misy farany io eh . Na rehefa manjoko aza angamba aho mbola tsy ho vita ny fianarana ,dia tsy haiko intsony hoe rahoviana aho no mba hiaraka aminao .
RAHARY: Dia ahoana izany no atao ? Hiera amin-dry zareo aho izany ?
MIRANA: Aza manonofy eh .Vao tamin’ny herinandro i zokinay no niera , nataon’i Baina maivana ohatry ny volom-borona ka izaho indray ve , tsy mbola fehikibo no hilakony ahy ?
(somary mangina kely )kay... Ohatry ny marary foana ho’aho ny kiboko
RAHARY: Eisy, vao mandihy ianao dia afaka io .Fa ianao ve tsy te-hiaraka amiko eh , maninona raha mitady fika eh .
MIRANA : Mi-decouche izany Miala-mandry?
RAHARY: Asanao koh, tsy izaho aloha no hiala fa ianao eh
MIRANA: Dia tsy hanampy ahy kosa ve ianao ?
RAHARY : F’ahoana aloha eh , efa tena tapa-kevitra angaha ianao sa ahoana ?
MIRANA : Ka eo am-pieritreretana mihitsy aho io satria toa hidina any ambanivohitra hono ry zareo rahalina dia mba mikozikozy amin’i zokinay eo aho dia iny aho no lasa . Miaraka mandra-maty isika.
RAHARY: Hay kosa ve ry zareo tsy ho eo eh . Dia efa mandry izany ny rahalina ka inona indray
MIRANA : Nefa ...
RAHARY :Fa misy inona indray ?
MIRANA : An an an sao tsy mety ny ataontsika ?
RAHARY: Isika angaha moa hanao inona fa mandihy dia avy eo matory any an-tranonay dia ...Fa rahoviana aloha ry zareo no hiverina eh .
MIRANA : Rahampitso hariva ihany k’ah .
RAHARY : Ka mety anie izany eh Mandihy isika rahalina dia ny maraina mody
MIRANA: Raikitra ary izany eh .
FEON-KIRA
RAHARY : Dia ahoana aloha hoy i zokinareo eh
MIRANA: Manorisory be ;tsy te-hahalala izy .Tsy misy fika
RAHARY: Dia ahoana izany ?
MIRANA: Dia handeha aho ka maninona moa ?
RAHARY: Ka sao dia tsy mety fa aleo aho handeha irery k’ah
MIRANA: (tezitra)Shhh ; handeha irery ahoana koa ? Mandehana koa mandeha any rehefa tsy te-hiaraka amiko. Sao mba efa misy hisolo ahy kosa any fa eo ianao no mody mandamindamin-dresaka eo .
RAHARY: Izaho koa ve hieritreritra an’izany fa mitsinjo anao anie aho eh, mitsinjo antsika.
MIRANA: Ka lazao izay hevitrao na hiaraka isika na tsy hiaraka rahalina eh. Tsy azoko mihitsy ny hevitrao ity. Eo ianao mendy ery hoe raikitra izany ny rahalina, dia avy eo indray lasam-borona toa tsy te-handeha, fa ahoana eh !
RAHARY: Tsy hitako anie izay azo atao eh
MIRANA: Rehefa miteny ianao hoe hiaraka isika dia hivoaka fotsiny tsotra izao aho. :
RAHARY: Ka tiako anie ny hiarahantsika hoy aho eh, fa...
MIRANA: Tsy misy fa fa izany fa rehefa hoe hiaraka dia lasa izao ...Aiza izany fotoana?
RAHARY: Euh an! asaaa
MIRANA: Andrasanao eo am-bavahadinay aho?
RAHARY: Asaaa
MIRANA: Asanao ahoana eh, asako amin’ny ahoana ?
RAHARY: Ka ianao no mahay izay lazainao hoe fikanao koh.
MIRANA: Ka izay lazaiko anao izay no atao eh, andrasanao eo am-bavahadinay aho amin’ny valo alina dia lasa isika . Hitondra daba angaha ianao ? Sa handeha an-tongotra hatrany amin’ny boaty isika ?
RAHARY : I Mamanay indray tsy sarotiny fa rehefa miteny aho hoe mila daba dia mahazo .
MIRANA : Manja izany. Izay izany ?
RAHARY : Izay izany .
MIRANA : Ohatry ny tsy dia rototra anie ianao izany eh , fa tsy faly angaha ?
RAHARY : Tsy hoe tsy faly aho fa naleoko ihany aloha nahazo ny alalan’ny ray aman-dreninao ianao eh , hafa ihany mantsy izany hoe avelan’ny ray aman-dreniny malalaka izany.Ka inona moa no holazaiko eo ? Dia efa rahalina izany eh. An!
MIRANA : Ka mba tiako hoe hitsinjaka anie ianao mandre fa hiaraka amiko rahalina
RAHARY: Rahalina isika mitsinjaka fa dia rehefa avy eo izany eh, amin’ny valo izany ?
MIRANA : Amin’ny valo tsy diso an, sao misy mahita eo aho . Tandremo sao tara an.
RAHARY: Eny re eh
FEON-KIRA
Any amin’ny boaty ( hira mafimafy ny fond)
MIRANA : Hay ve izao izany aty amin’ny boaty eh . Raha ny tena marina izany mankaty ny olona na tanora na ny antitra handihy?
RAHARY : Samy mampifaly ny tenany io eh .Aty daholo no ahitana ny karazan’olona rehetra
MIRANA : Iry aza ohatry ny misy mpiara-miasa amin-drambaininy koh , fa toa tsy vadiny io .Afeno aho aloha fa mahasosotra k’ah .
RAHARY: Ka inona anefa no holazainy amin’ny baininareo eo eh. Hoe hitako nandihy niaraka tamiko tary ananona tary ny zanak’ialahy? Dia izaho koa nampiaraka?
MIRANA : Tsy tiako mihitsy hoe sady voalohany amin’ny fiainako aho no farany no ho hitan’ny olona hafa ankoatra anao .
RAHARY : Fa maninona koa no farany eh !
MIRANA : Iza no mahalala ny fiainana eh
RAHARY : Aza mieritreritra ny rahampitso izany fa ny izao aloha no fantatro . Izao isika miaraka izao .
MIRANA : Eny ho’aho . izaho aloha dia tsapako hoe sambatra be androany eh . Tsy misy ny olona hibedy lava sy handrara lava ny tokony atao fa mba malalaka eh! Libre hoy ny vazaha . sady amin’izay miaraka aminao ?
RAHARY: Izany anie ho’aho eh .
MIRANA : Ary maninona raha mivady isika izao eh !
RAHARY (sady misotro izy no saika kofona no miteny) Mbola matory daholo ny pasitera sy ny Mompera ami ‘izao. Tsy misy manao ny mariazintsika.
MIRANA : Dia mivady ihany nefa isika eh , ho hita eo ry zareo .
RAHARY: Dia iza izany ny vavolombelona?
MIRANA : Ireo olona rehetra izao , sady ny namanao rahateo efa nametrapetraka antsika dia ireo izany no akaiky antsika izao .
RAHARY: Tsy hoe nametrapetraka re i Ndriana fa tonga tampoka ny havan-dry zareo dia tsy afa-niala izy eh. Sady izy mihitsy anie no namosaka ny hevitra hoe hivoaka isika a androany eh
MIRANA : Inona akory no izany eo . Izaho tsy mbola nivoaka ny tranoko hatramin’izay niainako ity aza sahy nivoaka fa efa tsy te-hiaraka amintsika mihitsy izy eh .
RAHARY: Izany kosa ny ahy ny toe-tsaina tsy tiako. Rehefa tsy afaka ny olona dia tsy afaka fa tsy hamoronana antony ohatra an’izany.
MIRANA : Mba mananihany re aho fa ianao koa eh!
RAHARY : Ka ohatry ny sangisangy zary tenany ny anao ka mba mampalahelo ahy ihany i nedala . Raha tsy nisy azy anie dia tsy ho tafaraka sambatra ohatra an’izao isika eh!
MIRANA : Tokony hoe mijanona tsy mihodina intsony ny tany oh ! Dia eo anilan’i toi foana aho !
RAHARY : Dia ahoana ?Dia hivady izany isika raha izany ?
MIRANA : Ohatry ny tiako mihitsy izany ho vadinao izany !
RAHARY : Ka hivady izany isika ho’aho ? Izao dia izao ?
(mandeha ny hira malefaka )
MIRANA : Andao aloha handihy eh
FEON-KIRA
Misy feon’angelikary fa alina ny andro .
MIRANA : Tena godraka tanteraka , andao amin’izay hody k’ah , marina mafy raha tafaaingako intsony ny tongotrooo . Izany marina rehefa manararaotra
RAHARY : Hody ary ve isika eh , dieny aty an-tokotany miarakaamin’ny diavolana aty
MIRANA : Andao ary eh , sady ny kiboko koa tsy mety hijanona mihitsy fa ohatry ny hidiran’ny rivotra izany foana aho .
RAHARY:Andao ary hanainga eh
Feona dian-tongotra , fiara hiainga , lasa
Eny an-dalana
MIRANA : Ary hono ho’aho hoe , tsy mampaninona amin’ny mamanareo ve hoe mankany aminareo isika no matory ?
RAHARY : Izaho anie ka bandy eh , hafa ny sipa ohatra anareo , mila ambenana ohatra ny omby fa izahay , efa hatry ny ela no nozarin’i mamanay hoe manana ny fahalalahanay satria hitady ny anjara sy lahatra .
MIRANA : Dia fanimpirin”ny vehivavy nentinao tao an-tranonareo aho izany , raha azoko tsara?
RAHARY : Inona koa ary ity ohatra ny polisy ity . Fiainako talohan’ny niarahako taminao anie izany eh .
MIRANA : ka mba tiako hofantatra fotsiny ;
RAHARY : Dia raha efa nisy doa ahoana ? Ho saro-piaro amin ‘iny olona iny izany ianao? Satria tsy ho amelanao mihitsy raha tsy fantatrao hatramin’ny anarany raha izao no fandehan-javatra .
MIRANA: Aiiii, ianao koa , iza ho’aho (sady miangola)
RAHARY : Mbola tsy nisy re eh , ary i mamanay aza no mamporisika ahy hitondra anao any an-trano satria izaho tsy nitondra izao olona rehetra izao any raha tsy efa azoko antoka fa mety hiaraka amiko maharitra mandrakizay.
MIRANA : hay ve ianao ity mba tia ahy ihany eh!
RAHARY : Ndryyy, mba tia ahy ihany ahoana eh , f’angaha tsy tena tia no tokony ho izy fa ampidininao fahamafisana amin’ny “mba” ny fitiavako anao ?
MIRANA : Mba tiako ho fantatra re ny fitiavanao ahy eh .
RAHARY: ka tia anao aho izany izao dia ahoana ?
MIRANA: . Dia atolotro anao ny fiainako manontolo?
RAHARY : Hay kosa an
Feona fiara mandeha sisa no re
FEON-KIRA
NDRIANA : Tena tsy ren’i neny isika niditra teo .Andraso angalako akanjo mandrin’i Neny ianao vetivety an
MIRANA : haingana ary ianao eh . (miteny irery) Ary mba milamina kosa ny efitranon’innedala fa tsy araka ny mahabandy azy? Misy fipetrahany daholo na ny kiraro, na ny lobaka , ny zavatra rehetra pipetrepetraka daholo ? mhhh ; mahafinaritra k’ah
NDRIANA : Inty aloha hanaovana fa dia iny jean henjana be iny ve no hoentinao matory ? sady manahirana .
MIRANA: Ny inona no manahirana eh (sady atao re tsara fa misolo akanjo izy)
RAHARY : Tsy misy inona re eh ! Ka ahoana? Faly izany izao ?
MIRANA : Tena faly be mihitsy (sady atao re ny lamba mikasaoka miditra anaty fandriana ) hay sady marary ihany ny kiboko amin ‘io an , marina mafy raha tsy ohatra ny...
RAHARY : (somary misento) Avia re hafanaiko eh ?( mangina kely asiana feo mihisaka kely )
MIRANA : Ao ary eh
RAHARY : ehh , ohatry ny hoe manonofy aho miaraka aminao eto anilako eto . tena sambatra aho Dia ahoana re no ataontsika raha indray andro any ny zanatsika miala mandry ohatra an’izao eh ? Angamba dia asa izay hanaovako azy marina mafy... Sa tsy mampaninona anao izany ry Mirana ? ... Ehh (mamoha azy)aiza kosa no dia matory sahady? Mirana...ianao kosa eh . Izaho ve mbola miresaka dia ianao matory ? Mirana ? Tiako anie ianao eh ! Mirana ah , Ndryyy , ary toa ohatry ny tsy mihetsika anie izy izany eh . Mirana ah , Mirana ?marina tsy ohatry ny tsy mandre mihitsy ? Mirana ah, mifohaza anie aloha miresaka eh . Miranaaaa .maria tsy ohatry ny hoe torana izany ? Andeha hoa antsoiko i Neny marina mafy
Neny ah ,neny (ny feo mihalavitra fa mikorapaka be izy )Neny ah , (mandondona amin’ny varavarana) neny ho’aho , avia anie ianao eh
NENY: (sady kizitina no feo avy ao an’efitra)° Fa misy inona ry Hary ah , ianao ve tsy mba mahalala fomba mihitsy no mikorataba amin’ny andro alina eo eh (mivoha ny varavarana)Fa misy inona eh ?
RAHARY: Tena andao ry Neny jereo i Mirana fa ohatry ny torana izany ah , nofohaziko fa ohatry ny tsy mandre mihitsy .
NENY : Fa nataonao inona ny zanak’olona eh . an ?
RAHARY : Izaho angaha naninona azy fa vao nanomboka natory izahay dia niresaka kely fotsiny aho dia io izy ohatry ny tsy mihetsika io mihitsy ? Nefa efa nohozongozoniko be ?
NENY : Eh , iza kay no anarany ?
RAHARY Mirana
NENY : Mirana ah , Mirana ? fa maninona ianao ? tena mitempo ihany izany fony izany fa ohatry ny tsy re TSara . mandehana haingana antsoy ny namanao dia ento any amin’ny hopitaly izy fa izaho tsy afaka miala eto fa tsy azo hilaozana ny trano.
RAHARY : Andraso eo vetivety ary izy eh . Dia efa vonony eo ny poketrany
FEON-KIRA
RAHARY: (mitomany) Maty ve lesy iMirana, maty ve lesy izy ?
NDRIANA :Aoka lesy izay fa andao izy aloha batao izy aloha ah . Mihezaka kely fotsiny ialahy dia tody etsy an-tranony isika
RAHARY : Maty letsy ilay malalako ah , mafy letsy izany ah , marina raha zakako intsony izy ?
NDRIANA: (sady mibata )Ao letsy ah , milatsaka amin’ny tany anie izy izany eh .
RAHARY : Dia ahoana izao no holazaina amin-dry zareo ? (sady mifokofoko foana )nanenina aho letsy ah , nanenina aho eh .
NDRIANA : Matoa letsy izy lasa dia izay no anjarany ah .
RAHARY : (mitomany foana )Tsy manaiky letsy ny saiko ah, nefa anie izy dia sambatra ery eh tahak’izay izhay tsy nivoaka .
NDRIANA : rehefa tonga letsy ny andro andehanana dia lasa na aiza na aiza misy an’ialahy ah Tsy mifidy toerana hakana azy anie lesy rafahafatesana eh .
RAHARY : Tsy rariny eh , tena tsy rariny loatra , marina eh .
FEON-KIRA
DADAN’I MIRANA : Fa nataonareo inona ny zanako an ?
RAHARY : Sahiko ny mianiana aminao tompoko fa tsy naninona ny zanakao aho fa nivoaka nandihy fotsiny izahay dia izay .
DADAN’I MIRANA : Ka maninona izy no manao an’iny akanjo iny hoy ny zokiny teo an (masiaka sy tezitra)
RAHARY: Avy nandihy izahay tompoko dia nandeha nody tany aminay natory fa akanjomandrin’i neninay iny aminy iny satria torana teo am-pandriana izy dia tsy afaka nisolo akanjo intsony .
DADAN’I MIRANA : Ianareo roalahy indray dia tsy mivoaka eto intsony raha tsy tonga eto ny polisy fa sady manodikodina zaza tsy ampy taona no namono olona . Tsy ho afa-bela ianareo fa dia miomana . Asa na nataonao inona no nahafaty azy tampoka teo? ... Dia tsy nisy dokotera nijery izany izy tany amin’ny hopitaly ?
RAHARY : Tsy nety nandray azy intsony ny tany tompoko satria hoe olona efa maty no entinay any fa dia tokony maka dokotera hoy izy hijery azy fa tsy misy afaka ny manao izany ry zareo.
DADAN’I MIRANA : Tsy te-hahalala an’izany aho ry mpamono olona ah zaza tsy naninon-tsy naninona no nilaozako teto nefa faty no vantaniko ? Tsy manaiky aho .
RAHARY : Tsy mieritreritra ny handositra aho re tompoko fa hiandry izay rariny eto aho oh . Nifankatia anie izahay eh , dia ho vonoiko ve ny olon-tiako ?
DADAN’I MIRANA : Olon-tianao hatramin’ny oviana eh ?
RAHARY : Tsy hanohitra anao intsony aho tompoko fa ataovy izay tianao atao . Mafy tokoa ny manjo anao fa tsy mafy toy ny hiainako angamba satria izaho no nahita ny fahasambarany alohan’ny hahafatesany.
DADAN’i MIRANA : Fa iza ianao no manamaivana ny fahoriako tahaka izao eh ? Firy taona ianao niara-niaina taminy ary firy taona aho no namelona sy nitaiza azy ? An ?
NDRIANA : Izaho angamba tompoko hangata-dalana satria tsy misy hidirako ny resakareo.
DADAN’I MIRANA : Tsy misy hidiranao ahoana ny resakay ? Fa tsy ianao akory no niray tsikombakomba taminy sy nitaritarika ny fatiny hatraty ?
NDRIANA : Izaho izany no ...
RAHARY : Marina ny lazainy tompoko. Izy no nantsoiko hanampy ahy hitondra an’i Mirana tany amin’ny hopitaly fa izaho ihany no tompon’andraikitra amin’i Mirana. Tsy niaraka nivoaka taminay akory izy Ka miangavy anao aho mba hamela azy hanDeha .
DADAN’I MIRANA : tsy misy mivoaka eto hoy aho ianareo roalahy , mazava izay teniko izay ,.
NDRIANA : Mahazo miantso ny olona ao an-trano ianao tompoko hijoro ho vavolombelona fa niantso ahy teo am-panaovana fety niaraka tamin’ny fianakaviako i Rahary fa tsy niaraka izahay .
DADAN’MIRANA : Aiza mihitsy ny telefonina hiantsoako ny any aminareo eh .
FEON-KIRA
Rahary efa olon-dehibe eto no miresaka
RAHARY: Dia ny fanamarinan’ny dokotera no nahafaka ahy tsy voatana tany am-ponja satria vaky ny kambon-tsinainy ary tampoka tsy azo nanoharana ny fahafatesany.
NJATO : Hay ve ka nisy an’izany zava-doza isany niainanao eh !
RAHARY : Izany no zava-doza ry njato ary mahatonga ahy mihorin-koditra sy tezitra isaky ny mandre ny zanaky ny namako mivoaka alina .
NJATO: Ary dia izay koa no mahatonga anao ho sarotiny amiko sy tsy mamela ahy hivoaka ny trano ?
RAHARY : Meteza ialahy ho eo amin’ny toerako eh . Ny alina noeritreretina ho fahasambarana, nanjary fahoriana nangidy tamin’ny fiainako ka tsy te-hanahy ny hiainan’ialahy an’izany aho .
NJATO: Eny eh , mafy ny nanjo anao fa tsy voatery hiainako anie ny niainanao satria aho hiera amin’ny ray aman-dreniny eh , ary tsy marary izy na marofy fa salama tsara . Ny anao kosa hay izy efa nitaraina hoe mararirary kibo fa mbola nentinao nivoaka ihany .
RAHARY : Iza leroa no mahalala izay aretin-kibo any fa hoe hivoaka dia hivoaka ah . Ny areti-kibon’ny vehivavy koa efa mahazatra ka izaho angaha taitra tamin’izany intsony ?
NJATO : ka inona izany no hevitrao fa ny andro ity mandroso ihany , ny fotoana efa vita .
RAHARY : (misento)Eny eh , marina ny an’ialahy . Izaho tokoa no manahy amin’ny tsy antony eto fa mandehana ary mahazoa fahafinaretana . Efa lehibe marina ialahy ka matoky an’ialahy aho mba hanaja ny zanak’olona fa na malina aza hono mifehy hazo tokana . tsara tso-drano leroa ah .
NJATO : Ka aleo ary aho hamerina ireto akanjo ireto ao amin’ny fitoerany dia hiomana aho eh .
RAHARY : f’angaha dia tena vonona ny hiala ny tranon-dray aman-dreniny mihitsy izato izy eh .
NJATO : Misy fotoana amin’ny fiainana ry dada hilana fanapahan-kevitra hentitra rehefa tsy mety ny marimaritra iraisana ah . Ary vonona mihitsy aho ny hanainga raha toa ka tsy manaiky ahy ho olon-dehibe manana andraikitra sy azo hatokisana ianao .
RAHARY : NY lasa anie hono natao hananatra ny ho avy eh , ary tsy tiako ny hiainan-janako ny niainako .
NJATO : Matokisa ahy re ianao dia manga ny lanitra eh .Aoka ny lasa homba ny lasa . Na dia izany aza anefa dia tsy handraraka ilo mby an-doha ny anatrao aho fa horaisiko tsara izany hitandremako amin’ny fiainako .
TAPITRA
voromailala | 23 Mey, 2006 11:50
Ity oronan-tsary tononkalo manaraka ity dia manoro anao ny tsiambaratelon'ny fandresena eo amin'ny fiainana. Ady ny fiainana ka mila mihofana amin'izany ianao.
Alohan'ny hanomezako anao ny rohy dia mamela ahy ianao hisaotra an'i Tadio, Fraz,Jentilisa,Hery, Pissoa,Kally tamin'ny fankasitrahana sy fampirosihina nataon-dry zareo ahy.
Mazotoa ary mijery ny Tsiambaratelon'ny fandresena
voromailala | 22 Mey, 2006 11:48
Nataoko video ny tononkaloko iray, izay mitondra ny lohateny hoe "Ny hatsaranao ry Tiana".
Mazotoa ary mijery.
voromailala | 18 Mey, 2006 13:01
Efa ela ihany izy ity no napetrako fa mba tsy ahavery azy dia hapetrako eto ny rohy.
Izaho amin'ny maha voromailala ahy dia tia mandehadeha, ka ity ny rohy raha hijery ireo sary tamin'ireo toerana isan-karazany
voromailala | 17 Mey, 2006 13:13
Hatramin'izay moa dia ny "intelligence rationnelle" foana no matetika voaresaka, izany hoe resaka QI izany.
Raha dinihana anefa ny fiainana andavanandro dia tsy ampy ny fanana QI ambony, fa hilaina ihany koa ny fahaizana mifandray aman'olona, mifehy tena, mampahery tena raha fintinina izany dia ny fananana "intélligence émotionnelle".
Izay no mahatonga indraindray ny olona mahay be ireny tsy dia mahay mifandray aman'olona, dia gaga ny olona hoe fa rehefa vita ny fianarana dia matetika ilay olona tsy dia lasa lavitra tao ampianarana no mahazo toerana tsara sy ambony any ampiasana.
Noho izany ilaina ny fanana an'io intelligence émotionnelle io raha tia ho tafita amin'ny fiainana.
Raha te handinika izany ianao dia misy boky iray ty nosoratan'i Daniel Goleman
L'intelligence émotionnelle.
voromailala | 26 Aprily, 2006 02:27
Taibi Kahler dia psy amerikana anisan'ireo mpandinika ny fifandraisana amin'ny olona.
Anisan'ny zavatra nahafinaritra ahy nolazainy dia hoe azo zaraina 6 ny toetran'ny olona.Rehefa fantatrao hoe iza amin'ireo ianao, na ny olona miresaka amiko dia hatorony anao ny fomba tokony hiresahana amindry zareo. Ny olona Empathique ohatra dia matetika tia mikarakara olona, toy ny dokotera, mpitsabo mpanampy sns. Ny resaka mahafinaritra an'ireny olona ireny zao ohatra dia ny hoe manao ahoana ianao, ny fianakavianao, vakansa , sns, izay miresaka momba ny olona izany.
Inty misy rohy raha hijery ireo karazana toetra ianao
voromailala | 21 Aprily, 2006 09:47
Tamin'izaho kilasy "Seconde" tao amin'ny Saint Michel no nanombohako nanoratra tononkalo.
Noraiketiko antsoratra tao anaty boky kely izy ireo, ary farany dia nampetrako tao amin'ny tranonkala serasera.
Inty ny rohy ahitanao ireo tononkalo nosoratako:
voromailala | 26 Martsa, 2006 01:10
Indray mandeha izay aho sendra lasa saina sy nandinika nymomba ny fitiavana, dia tsapako fa toy ny rivotra ny fitiavana.
Izy no mamelona ny olona,ary mety mahafaty ny olona koa anefa izy amin'ny lalan'ny rivo-doza.
Mety hangatsiaka izy, mety hafana kanefa tsy mety maty.
voromailala | 10 Martsa, 2006 02:03
Ity misy tononkalo faraparany nosoratako anisany ankafihiziko tokoa, hozaraiko aminareo
Ny Tsiambaratelon'ny fandresena
Ny fanana "Tanjona" eo amin'ny fiainana
No torolanana ahitana ny aleha
Arahina 'drafitra hatao foto-pisainana
Hiforonan'ny lalana afaha-mandeha
Koa raiso ny lefona, raiso ny apinga
Aza matahotra miana-mamindra
Raha toa ka solafaka ka tafajera
Mitsangana malaky tohizo ny gera
Tsy ny tanjona tratra no sarobidy
Fa ny lalana vita nihareta-mangidy
Namolavola anao ho lasa olo-mpiady
Ka hivoaha ho anao foana ny vavahady
Voromailala
Fanazavana:
Eo amin'ny fiainana izany dia mila tanjona, raha tsy izany dia mandehadeha eny fotsiny ianao, tsy hita hoe andeha ho aiza.
Ny tanjona ohatra dia ny fanamboarana trano, fananganana orinasa,sns,...
Raha ohatra anefa manana tanjona ianao nefa tsy misy rafitra hapetraka hanatanterahina azy dia lasa nofy fotsiny izany tanjona izany.
Izay no mahatonga ilay hoe rafitra no mamorona ny lalana ahafahana mandeha.
Mila fantarina anefa fa tsy mora ny mahatratra ny tanjona, arakaraka ny mahasarotra ny ahatsatsarana azy no maha tsara ny vokatra azo. Ka noho izany tsy maintsy misy ny sakana, ny mandatsa, kanefa tsy tokony hokivy
hitohy...
voromailala | 06 Martsa, 2006 04:29
Misaotra anao nitsidika ny blaogy RTN.
Iza mitambatra vao , izay misaraka fasika.
voromailala | 06 Martsa, 2006 04:27
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |